Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 22:16 - Baiboly Katolika

16 sy tsy hampivesatra azy ny heloka ataony amin’ny fihinanana ny zava-masina avy aminy; fa Izaho no Iaveh manamasina azy.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 na hahatonga ota sy heloka noho ny nihinanany ny zava-masiny; fa Izaho TOMPO no manamasina izany.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

16 raha avelany hihinana izany ny Israelita tsy anisan’ny fianakavia-mpisorona, dia manjary itambesaran-keloka sy manonitra. Fa Izaho no TOMPO Izay efa nanokana ireny zava-masina ireny.»

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 raha avelany hihinana izany ny Israelita tsy anisan’ny fianakavia-mpisorona, dia manjary itambesaran-keloka sy manonitra. Fa Izaho no TOMPO Izay efa nanokana ireny zava-masina ireny.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 na hahatonga ota aman-keloka noho ny nihinanany ny zava-masiny; fa Izaho Jehovah no manamasina azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 na hahatonga ota aman-keloka noho ny nihinanany ny zava-masiny; fa Izaho Jehovah no manamasina azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

16 na hahatonga ota sy heloka noho ny nihinanany ny zava-masiny; fa Izaho TOMPO no manamasina izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 22:16
15 Rohy Ifampitohizana  

Tsy misy salama ny nofoko noho ny hatezeranao; ary tsy misy tsy marofy ny taolako noho ny fahotako.


Ho eo an-kandrin’i Aarôna izy, mba hitondran’i Aarôna ny heloka rehetra natao tamin’ny zava-masina izay hatokan’ny zanak’i Israely ho fanatitra masina isan-karazany; ary ho eo an-kandriny lalandava izy eo anatrehan’i Iaveh mba hahitan’izy ireo sitraka amin’i Iaveh.


«Nahoana no tsy nohaninareo, teo amin’ny fitoerana masina, ny sorona noho ny ota? Fa zava-masina dia masina izany, ary nomen’i Iaveh anareo, mba hitondranareo ny otan’ny fiangonana sy hanaovanareo ny fanonerana ho azy, eo anatrehan’i Iaveh?


Tandremo ny didiko ka araho izany. Izaho no Iaveh Izay manamasina anareo.


Tsy hanao izay hanala baraka ny taranany eo amin’ny fireneny izy, fa Izaho no Iaveh manamasina azy.»


Fa tsy handroso amin’ny efitra lamba izy, tsy hanatona ny ôtely, satria manan-kilemam-batana izy; tsy handoto ny toerako masina, fa Izaho no Iaveh manamasina azy ireo.


Hataonao masina izy, fa manolotra ny mofon’ny Andriamanitrao, ka ho masina ho anao, satria masina Aho Iaveh, izay manamasina anareo.


Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:


Hitandrina ny didiko izy ireo, sao hahazo ota ny amin’izany, na ho fatin’ny fanamavoan’ny zava-masina. Izaho no Iaveh manamasina azy.»


Raha misy olona mihinana amin’ny andro fahatelo ny hena avy amin’ny sorom-pihavanana nateriny, dia tsy hankasitrahina ny sorona nateriny, tsy ho isaina ho azy nanatitra, ho fahavetavetana izany; ary izay rehetra hihinana amin’izany dia hivesatra ny otany.


Hoy i Iaveh tamin’i Aarôna: «Ianao sy ny zanakao ary ny fianakavian-drainao miaraka aminao no hitondra ny heloka momba ny fitoerana masina; ianao sy ny zanakao miaraka aminao no hitondra ny heloka momba ny fisoronanareo.


Rehefa ny tsara indrindra aminy no natokanareo, dia tsy hahazo heloka ny amin’izany ianareo; tsy handoto ny fanatitra masina avy amin’ny zanak’i Israely, ka tsy ho faty ianareo.»


Ry adala sy jamba, iza no ambonimbony kokoa, ny volamena sa ny Tempoly izay mahamasina ny volamena?


Izy Ilay nitondra ny fahotantsika tamin’ny Tenany teo ambony hazo, mba ho faty isika raha ny amin’ny ota, fa ho velona kosa amin’ny fahamarinana; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitrana anareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra