Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 28:43 - Baiboly Katolika

43 Ireo no hoentin’i Aarôna sy ny zanany, na hiditra eo amin’ny trano lay fihaonana izy ireo, na hankeo amin’ny ôtely hanao ny Fanompoam-pivavahana eo amin’ny Fitoerana Masina. Ary amin’izany dia tsy ho voan-keloka izy ka tsy ho faty. Lalàna mandrakizay izany, ho an’i Aarôna sy ny taranany mandimby azy.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

43 Ary hiakanjoan’i Arona sy ireo zanany ireo rehefa miditra ao amin’ny tranolay fihaonana izy ireo, na manakaiky ny alitara hanao fanompoam-pivavahana ao amin’ny fitoerana masina, mba tsy hahazoany heloka hahafaty azy; ho lalàna maharitra aminy sy amin’ny taranany mandimby azy izany.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

43 Hiakanjoan’i Aharôna sy ny zanany izany rehefa hiditra ao amin’ny Tranolay fihaonana izy, na manatona eo amin’ny alitara hanao ny raharaha maha mpisorona ao amin’ny Toeramasina. Izany no tsy hahazoany heloka hahafaty azy. Ho fepetra raikitra izany ho an’i Aharôna sy ny taranany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

43 Hiakanjoan’i Aharôna sy ny zanany izany rehefa hiditra ao amin’ny Tranolay fihaonana izy, na manatona eo amin’ny alitara hanao ny raharaha maha mpisorona ao amin’ny Toeramasina. Izany no tsy hahazoany heloka hahafaty azy. Ho fepetra raikitra izany ho an’i Aharôna sy ny taranany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

43 Ary hiakanjoan’i Arona sy ny zanany ireo, raha miditra amin’ny trano-lay fihaonana izy, na manakaiky ny alitara hanao fanompoam-pivavahana ao amin’ny fitoerana masina, mba tsy hahazoany heloka hahafaty azy; ho lalàna mandrakizay aminy sy amin’ny taranany mandimby azy izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

43 Ary hiakanjoan'i Arona sy ny zanany ireo, raha miditra amin'ny trano-lay fihaonana izy, na manakaiky ny alitara hanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina, mba tsy hahazoany heloka hahafaty azy; ho lalàna mandrakizay aminy sy amin'ny taranany mandimby azy izany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

43 Ary hiakanjoan’i Arona sy ireo zanany ireo rehefa miditra ao amin’ny tranolay fihaonana* izy ireo, na manakaiky ny alitara hanao fanompoam-pivavahana ao amin’ny fitoerana masina, mba tsy hahazoany heloka hahafaty azy; ho lalàna maharitra aminy sy amin’ny taranany mandimby azy izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 28:43
18 Rohy Ifampitohizana  

Aza asiana ambaratonga hiakarana ny ôteliko, mba tsy hiseho eo ny fitanjahanao.»


Ao an-trano lay fihaonana, ivelan’ny efitra lamba anoloan’ny vavolombelona, no hanamboaran’i Aarôna sy ny zanany avy, hirehetany eo anatrehan’i Iaveh hatramin’ny hariva ka hatramin’ny maraina. Lalàna mandrakizay izany ho an’ny zanak’i Israely, hatramin’ny taranaka mifandimby.»


Hanasa ny tongony aman-tanany izy, ka tsy ho faty izy. Lalàna mandrakizay ho azy ireo izany, dia ho an’i Aarôna sy ny taranany amin’ny taona mifandimby.»


Rehefa miditra ny alo-baravaran’ny kianja anatiny izy ireo, dia hiakanjo rongony fotsy; tsy hisy volon’ondry eny aminy, rehefa manao ny fanompoana eo amin’ny alo-baravaran’ny kianja anatiny sy ao anatiny izy.


Hataony eo ambonin’ny afo, eo anatrehan’i Iaveh ny zava-manitra, mba ho voasaron’ny setroky ny zava-manitra ny fanaovam-panavotana, eo ambonin’ny vavolombelona, mba tsy hahafaty azy.


Ka dia tsy hanatitra intsony ny sorona ataony ho an’ny satira izay tompoiny izy. Lalàna tsy tapaka ho azy ireo hatrany amin’ny taranaka mifandimby izany.


Aoka ny mpisorona tsy hametaveta ny zava-masin’ny zanak’i Israely, izay natokany ho an’i Iaveh,


Hitandrina ny didiko izy ireo, sao hahazo ota ny amin’izany, na ho fatin’ny fanamavoan’ny zava-masina. Izaho no Iaveh manamasina azy.»


Lalàna tsy tapaka hatrany amin’ny taranakareo izany. Na aiza na aiza honenanareo, aza mihinana sabora na ra akory.»


Raha misy olona manota noho izy efa nandre ny didin’ny mpitsara, amin’ny maha vavolombelona azy, nefa tsy milaza izay hitany na izay fantany, dia hivesaran’ny helony izy.


Raha misy olona manota, fa nahavita tsy nahy ny anankiray amin’ny zavatra noraran’i Iaveh tsy hatao, dia ho meloka izy sady hivesatra ny otany.


Lalàna iray ihany no ho an’ny fiangonana, na ho anareo na ho an’ny vahiny monina eo aminareo; lalàna mandrakizay ho an’ny taranakareo izany: tsy hisy hafa na ny aminareo na ny amin’ny vahiny, eo anatrehan’i Iaveh.


Tsy hanakaiky ny trano lay fihaonana intsony ny zanak’i Israely, fandrao dia hitondra ny helony izy ka maty.


Rehefa ny tsara indrindra aminy no natokanareo, dia tsy hahazo heloka ny amin’izany ianareo; tsy handoto ny fanatitra masina avy amin’ny zanak’i Israely, ka tsy ho faty ianareo.»


Ary hoy i Iaveh tamin’i Aarôna: «Indro omeko anao ny fizakana ny zavatra rehetra voaavaka ho Ahy, dia ny zava-drehetra voatokana avy amin’ny zanak’i Israely. Ny fanosorana anao no antony anomezako izany ho anao sy ny zanakao ho lalàna mandrakizay.


Raha olona madio sady tsy misy dia nalehany, no tsy mankalaza ny Paka, dia hoesorina amin’ny fireneny izy; noho izy tsy nanolotra ny fanatitra ho an’i Iaveh amin’ny fotoana voatendry dia hilonjy ny fahotany izy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra