Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 22:10 - Baiboly Katolika

10 «Tsy hisy olon-kafa hihinana zava-masina, na ny mipetraka ao amin’ny mpisorona, na ny mpikarama, dia samy tsy hihinana ny zava-masina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Aza avela hisy olon-kafa hihinana zava-masina. Na izay mivahiny ao amin’ny mpisorona na izay mpikarama dia samy tsy mahazo mihinana zava-masina.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

10 «Aza avela hihinana zava-masina ny Israelita tsy anisan’ny fianakavia-mpisorona; na izay sendra mivahiny ao amin’ny mpisorona, na izay mpikarama, dia samy tsy mahazo mihinana zava-masina.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 «Aza avela hihinana zava-masina ny Israelita tsy anisan’ny fianakavia-mpisorona; na izay sendra mivahiny ao amin’ny mpisorona, na izay mpikarama, dia samy tsy mahazo mihinana zava-masina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Ary aza avela hisy olon-kafa hihinana zava-masina; na izay mivahiny ao amin’ny mpisorona, na izay mpikarama, dia samy tsy mahazo mihinana zava-masina.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Ary aza avela hisy olon-kafa hihinana zava-masina; na izay mivahiny ao amin'ny mpisorona, na izay mpikarama, dia samy tsy mahazo mihinana zava-masina.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Aza avela hisy olon-kafa hihinana zava-masina. Na izay mivahiny ao amin’ny mpisorona na izay mpikarama dia samy tsy mahazo mihinana zava-masina.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 22:10
11 Rohy Ifampitohizana  

ary noraran’ny governora tsy hihinana ny zavatra masina indrindra izy ireo, mandra-pitsangan’izay mpisorona, hanontany amin’Andriamanitra amin’ny Orima sy ny Tomima.


Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy sy i Aarôna: «Izao no didy momba ny Paka: Ny olon-kafa firenena tsy hisy hihinana azy.


ny miorim-ponenana sy ny mpikarama tsy hihinana aminy.


Toy izany koa no hihinanany izay nanaovana ny fanoneram-pahotana tamin’ny nanokanana azy sy nanamasinana azy; tsy hisy olon-kafa hihinana amin’izany, satria zava-masina izany.


Ianareo tsy nanefa ny fanompoana momba ireo zavatro masina; fa ireo hafa firenena no notendrenareo hanao ny fanompoana soa.


Azony hanina ihany ny mofon’ny Andriamaniny, ny zava-masina dia masina, ny zava-masina.


Fa raha maty vady na voasaotra tsy mbola niteraka, ny zanaka vavin’ny mpisorona, ka mody any an-tranon-drainy, toy ny fony mbola kely, dia mahazo mihinana izay fihinan-drainy; fa ny olon-kafa tsy hihinana izany.


Ary i Aarôna sy ny zanany lahy dia hotendrenao hanao ny raharahany momba ny fisoronana. Fa raha olon-kafa no manatona ny fitoerana masina, dia hohelohin-ko faty.»


fa niditra tao an-tranon’Andriamanitra izy, ka nihinana ny mofo alahatra, kanefa tsy nisy nahazo nihinana izany na izy na izay nanaraka azy, afa-tsy ny mpisorona ihany?


Ka hoy i Davida namaly ny mpisorona nanao hoe: «Hatramin’ny nandehanako hateloana izay no efa nifady vehivavy izahay, sady masina koa ny kapaoky ny olona miaraka amiko, ka na tsy masina aza ny dia, ny amin’ny momba ny kapaoka kosa dia voahasina».


Dia nomen’ny mpisorona mofo voahasina izy, fa tsy nisy mofo hafa teo afa-tsy ny mofo aseho, izay efa nesorina teo anoloan’i Iaveh mba hosoloina ny mofo mafana amin’ny fotoana fanesorana azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra