Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Levitikosy 18:30 - Baiboly Katolika

30 Tandremo ny didiko mba tsy hanatanterahanareo na inona na inona amin’ireo fomba vetaveta fanao talohanareo, ka tsy handotoanareo ny tenanareo amin’izany. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

30 Koa dia tandremo izay asaiko tandremana mba tsy hisy hataonareo akory izany fanao vetaveta izany, izay nataon’ny olona talohanareo. Aza mandoto ny tenanareo amin’ireo. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

30 «Koa tandremo izay asaiko tandremanareo mba tsy hisy hataonareo akory ny fomba mamoafady izay fanaon’ny olona talohan’ny fahatongavanareo; ka aza mandoto tena amin’izany ianareo. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.»

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

30 «Koa tandremo izay asaiko tandremanareo mba tsy hisy hataonareo akory ny fomba mamoafady izay fanaon’ny olona talohan’ny fahatongavanareo; ka aza mandoto tena amin’izany ianareo. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

30 Koa dia tandremo izay asaiko tandremana, mba tsy hisy hataonareo akory izany fanao vetaveta izany, izay nataon’ny olona talohanareo, ka aza mandoto ny tenanareo amin’izany: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

30 Koa dia tandremo izay asaiko tandremana, mba tsy hisy hataonareo akory izany fanao vetaveta izany, izay nataon'ny olona talohanareo, ka aza mandoto ny tenanareo amin'izany: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 18:30
14 Rohy Ifampitohizana  

Efa nisy hatramin’ny manolo-tena ho mpijangajanga aza tamin’ny tany. Dia narahiny avokoa ny fahavetavetan’ny firenena noroahin’i Iaveh teo anoloan’ny zanak’i Israely.


Nanao toe-pitondran-tena vetaveta indrindra izy tamin’ny nandehanany amin’ny sampy, araka ny fomba rehetra fanaon’ny Amôreana, izay noroahin’i Iaveh teo anoloan’ny zanak’i Israely.


Nony vita izany rehetra izany, nanatona ahy ny lehibe, ka nanao hoe: «Tsy tafasaraka tamin’ny vahoakan’ireto tany ireto ny vahoaka Israely mbamin’ny mpisorona sy ny Levita fa manaraka ny fahavetavetany, ny an’ny Kananeanina, ny Heteanina, ny Ferzeanina, ny Jebôseanina, ny Amônita, ny Moabita, ny Ejiptianina, ary ny Amôreana;


satria hofongorana amin’ny fireneny izay rehetra manao ireo fahavetavetana ireo, na dia iray aza.


Ary i Iaveh niteny tamin’i Môizy nanao hoe:


Aza manaraka ny fanaon’ny firenena izay horoahiko eo anoloanareo, fa nanao izany rehetra izany izy, ka maharikoriko Ahy izy.


Hitandrina ny didiko izy ireo, sao hahazo ota ny amin’izany, na ho fatin’ny fanamavoan’ny zava-masina. Izaho no Iaveh manamasina azy.»


«Tiava an’i Iaveh Andriamanitrao ary tandremo izay asainy tandremanao, dia ny lalàny amam-pitsipiny ary ny didiny, mandritra ny andronao rehetra.


dia mitandrema fandrao voafandrika ianao maka tahaka azy, rehefa voaringana teo anoloanao ireny; aza mikarokaroka ny andriamanitr’izy ireo ianao, manao hoe: Nanao ahoana no nanompoan’ireo firenena ireo ny andriamaniny? Fa mba te hanao toy izany koa aho.


Aza manao toy izany amin’i Iaveh Andriamanitrao; fa ny fahavetavetana rehetra halan’i Iaveh no nataon’izy ireo tamin’ny andriamaniny, ary afoiny ho dorona aza ny zanany lahy sy ny zanany vavy ho fanajana ny andriamaniny.


Dia nalaiko ny vaditsindranoko ka noraisiko sy nampitondraiko eran’ny tany rehetra lovan’i Israely; fa heloka sy zavatra mahafa-baraka loatra amin’i Israely no nataon’izy ireo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra