Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 18:32 - Baiboly Katolika

32 Rehefa ny tsara indrindra aminy no natokanareo, dia tsy hahazo heloka ny amin’izany ianareo; tsy handoto ny fanatitra masina avy amin’ny zanak’i Israely, ka tsy ho faty ianareo.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

32 Tsy hahazoanareo heloka ireny raha maka ny tsara indrindra avy aminy ianareo; ary tsy mandoto ny zava-masina aterin’ny Zanak’Israely ianareo ka tsy ho faty.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

32 Tsy manota akory ianareo amin’izany, rehefa ny ampahany tsara indrindra aminy no navahanareo; tsy handoto ny fanatitra masina entin’ny Israelita akory ianareo, ka dia tsy ho faty.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

32 Tsy manota akory ianareo amin’izany, rehefa ny ampahany tsara indrindra aminy no navahanareo; tsy handoto ny fanatitra masina entin’ny Israelita akory ianareo, ka dia tsy ho faty.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

32 Ary tsy hahazoanareo heloka ireny, raha maka ny tsara indrindra avy aminy hianareo; ary tsy holotoinareo ny zava-masina aterin’ny Zanak’Isiraely, dia tsy ho faty hianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

32 Ary tsy hahazoanareo heloka ireny, raha maka ny tsara indrindra avy aminy ianareo; ary tsy holotoinareo ny zava-masina aterin'ny Zanak'Isiraely, dia tsy ho faty ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

32 Tsy hahazoanareo heloka ireny raha maka ny tsara indrindra avy aminy ianareo; ary tsy mandoto ny zava-masina aterin’ny Zanak’Israely ianareo ka tsy ho faty.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 18:32
10 Rohy Ifampitohizana  

Ireo no hoentin’i Aarôna sy ny zanany, na hiditra eo amin’ny trano lay fihaonana izy ireo, na hankeo amin’ny ôtely hanao ny Fanompoam-pivavahana eo amin’ny Fitoerana Masina. Ary amin’izany dia tsy ho voan-keloka izy ka tsy ho faty. Lalàna mandrakizay izany, ho an’i Aarôna sy ny taranany mandimby azy.»


Ary izay mihinana azy amin’izany, dia hilonjy ny helony, fa mametaveta ny zava-boahasina ho an’i Iaveh, ka hofongorana amin’ny fireneny izany olona izany.


«Mitenena amin’i Aarôna sy ny zanany mba hifadiany ny zava-masina atokan’ny zanak’i Israely ho Ahy sy tsy hanamavoany ny Anarako masina. Izaho no Iaveh.


Tamin’ny inona no nanamavoanay ny Anaranao? - Amin’ny fitondranareo mofo voaloto eo amin’ny ôteliko. Ary hoy ianareo: Tamin’ny inona no nandotoanay Anao? - Amin’ny fanaovanareo hoe: Zavatra tsy manjary ny latabatr’i Iaveh.


Tsy hanakaiky ny trano lay fihaonana intsony ny zanak’i Israely, fandrao dia hitondra ny helony izy ka maty.


Hihinana izany amin’ny toerana rehetra ianareo sy ny fianakavianareo, fa karamanareo izany, noho ny raharaha ataonareo ao amin’ny trano lay fihaonana.


Niteny tamin’i Môizy sy i Aarôna i Iaveh nanao hoe:


Koa na zovy na zovy mihinana ny mofo, na misotro amin’ny kalisin’ny Tompo tsy amim-pahamendrehana, dia meloka amin’ny Vatana sy ny Ran’ny Tompo.


fa izay mihinana sy misotro tsy amim-pamantarana ny Vatan’ny Tompo, dia mihinana sy misotro fanamelohana ny tenany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra