Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Levitikosy 16:8 - Baiboly Katolika

Dia hanaovany loka ireo: ny loka iray ho an’i Iaveh ary ny loka iray ho an’i Azazela.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia hanaovan’i Arona antsapaka ny osilahy roa: Ny voatsapaka iray dia ho an’NY TOMPO ary ny voatsapaka iray kosa dia ho an’i Azazela.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia hataon’i Aharôna antsapaka ireo osilahy ireo mba hahafantarana izay osilahy ho an’ny TOMPO sy izay osilahy ho osy mikarenjy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia hataon’i Aharôna antsapaka ireo osilahy ireo mba hahafantarana izay osilahy ho an’ny TOMPO sy izay osilahy ho osy mikarenjy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia hanaovan’i Arona filokana ny osilahy roa: ny loka anankiray ho an’i Jehovah, ary ny loka anankiray ho an’i Azazela.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia hanaovan'i Arona filokana ny osilahy roa: ny loka anankiray ho an'i Jehovah, ary ny loka anankiray ho an'i Azazela.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia hanaovan’i Arona antsapaka ny osilahy roa: Ny voatsapaka iray dia ho an’NY TOMPO ary ny voatsapaka iray kosa dia ho an’i Azazela.

Jereo ny toko



Levitikosy 16:8
12 Rohy Ifampitohizana  

Ny olona manipy ny filokana amin’ny soron’akanjo, fa avy amin’i Iaveh ihany izay fanapahana rehetra.


Izany no tany hozarainareo amin’ny filokàna hanananareo azy araka ny fokon’i Israely; ary izany avy no ho anjarany, - teny marin’ny Tompo Iaveh.


Fa ny osilahy iray niharan’ny loka ho an’i Azazela kosa, hapetrany velona eo anatrehan’i Iaveh, hanaovana ny fanorenana ao aminy, dia halefany any an’efitra ho an’i Azazela.


Ilay nandefa ny osy lahy ho an’i Azazela, dia hanasa fitafiana sy handro amin’ny rano aloha, vao hiditra ao an-toby.


Raha efa izany, halainy ny osy lahy roa, ka hapetrany eo anatrehan’i Iaveh, eo amin’ny varavarana fidirana amin’ny trano lay fihaonana.


Hampanatonin’i Aarôna ny osy lahy iray niharan’ny loka ho an’i Iaveh, ka hatolony ho sorona noho ny ota.


Ary nifampilaza izy ireo nanao hoe: «Avia, hanao filokàna isika, mba hahafantarantsika izay mahatonga izao loza izao amintsika». Dia nanao filokana izy dia i Jônasy no voan’ny filokana.


Kanefa hanaovana loka no hizarana ny tany. Araka ny anaran’ny fokom-pianakaviany avy no hahazoany ny zarataniny.


Filokana no hizarànareo ny tany araka ny fokonareo avy: ny maro isa homenareo anjara loka bebe kokoa, ny vitsy isa homenareo anjara lova kelikely kokoa; ka izay ho azony amin’ny filokana no ho anjarany avy; horaisinareo ho fanananareo araka ny fokom-pianakavianareo avy izany.