Levitikosy 16:10 - Baiboly Katolika10 Fa ny osilahy iray niharan’ny loka ho an’i Azazela kosa, hapetrany velona eo anatrehan’i Iaveh, hanaovana ny fanorenana ao aminy, dia halefany any an’efitra ho an’i Azazela. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201110 Fa ny osilahy izay niharan’ny antsapaka ho an’i Azazela kosa dia hapetraka velona eo anatrehan’NY TOMPO hanaovana fanavotana eo amboniny mba handefasana azy hankany an-tany efitra ho an’i Azazela. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA10 Fa ny osilahy voatendrin’ny antsapaka ho osy mikarenjy kosa dia ampiasaina hanatontosana ny fombam-pivavahana famelan-keloka: hapetraka velona eo anatrehan’ny TOMPO aloha ilay osilahy, vao horoahina ho osy mikarenjy any an-taniefitra. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara10 Fa ny osilahy voatendrin’ny antsapaka ho osy mikarenjy kosa dia ampiasaina hanatontosana ny fombam-pivavahana famelan-keloka: hapetraka velona eo anatrehan’ny TOMPO aloha ilay osilahy, vao horoahina ho osy mikarenjy any an-taniefitra. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy10 Fa ny osilahy izay niharan’ny filokana ho an’i Azazela kosa dia hapetraka velona eo anatrehan’i Jehovah hanaovana fanavotana ho azy, mba handefasana azy hankany an-efitra ho an’i Azazela. Jereo ny tokoMalagasy Bible10 Fa ny osilahy izay niharan'ny filokana ho an'i Azazela kosa dia hapetraka velona eo anatrehan'i Jehovah hanaovana fanavotana ho azy, mba handefasana azy hankany an-efitra ho an'i Azazela. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache10 Fa ny osilahy izay niharan’ny antsapaka ho an’i Azazela kosa dia hapetraka velona eo anatrehan’NY TOMPO hanaovana fanavotana eo amboniny mba handefasana azy hankany an-tany efitra ho an’i Azazela. Jereo ny toko |