Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Levitikosy 16:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Fa ny osilahy voatendrin’ny antsapaka ho osy mikarenjy kosa dia ampiasaina hanatontosana ny fombam-pivavahana famelan-keloka: hapetraka velona eo anatrehan’ny TOMPO aloha ilay osilahy, vao horoahina ho osy mikarenjy any an-taniefitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Fa ny osilahy izay niharan’ny antsapaka ho an’i Azazela kosa dia hapetraka velona eo anatrehan’NY TOMPO hanaovana fanavotana eo amboniny mba handefasana azy hankany an-tany efitra ho an’i Azazela.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Fa ny osilahy voatendrin’ny antsapaka ho osy mikarenjy kosa dia ampiasaina hanatontosana ny fombam-pivavahana famelan-keloka: hapetraka velona eo anatrehan’ny TOMPO aloha ilay osilahy, vao horoahina ho osy mikarenjy any an-taniefitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Fa ny osilahy iray niharan’ny loka ho an’i Azazela kosa, hapetrany velona eo anatrehan’i Iaveh, hanaovana ny fanorenana ao aminy, dia halefany any an’efitra ho an’i Azazela.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Fa ny osilahy izay niharan’ny filokana ho an’i Azazela kosa dia hapetraka velona eo anatrehan’i Jehovah hanaovana fanavotana ho azy, mba handefasana azy hankany an-efitra ho an’i Azazela.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Fa ny osilahy izay niharan'ny filokana ho an'i Azazela kosa dia hapetraka velona eo anatrehan'i Jehovah hanaovana fanavotana ho azy, mba handefasana azy hankany an-efitra ho an'i Azazela.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 16:10
12 Rohy Ifampitohizana  

Dia hofafazana impito amin’izany ra izany ilay diovina ho afaka amin’ny aretin-kodiny, ka hambaran’ny mpisorona hoe madio ilay olona; ary halefany hisidina any an-tsaha ilay vorona velona.


Dia hataon’i Aharôna antsapaka ireo osilahy ireo mba hahafantarana izay osilahy ho an’ny TOMPO sy izay osilahy ho osy mikarenjy.


Ary hatolotr’i Aharôna ny osilahy voatendrin’ny antsapaka ho an’ny TOMPO, ka hataony sorona fanalana ny ota.


Fa notendren’Andriamanitra ho sorom-panonerana ho an’ireo manam-pinoana i Kristy Jesoa Izay nahafoy ny rany: izany no maneho ny fomba aneken’Andriamanitra ny olombelona ho marina! Ireo heloka vitan’ny olombelona fahiny dia noleferin’Andriamanitra


Fa natolotra ho faty noho ny fahotantsika i Jesoa ary natsangana ho velona mba hahatonga antsika ho olo-marina eo imason’Andriamanitra.


Tsy mba nanota na oviana na oviana i Kristy, nefa ny otantsika dia nampitondrain’Andriamanitra Azy ho famonjena antsika, mba hahatonga antsika handray ny fahamarinana omen’Andriamanitra noho ny firaisana amin’i Kristy.


Izy no sorom-panonerana amelana ny fahotantsika; ary tsy ny antsika ihany, fa ny an’izao tontolo izao koa.


Izao no ahafantarantsika ny fitiavana: i Jesoa Kristy dia nahafoy ny ainy hamonjeny antsika; ary isika koa dia mba tokony hahafoy ny aintsika hamonjena ny namana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra