Josoa 8:18 - Baiboly Katolika Ary hoy i Iaveh tamin’i Jôsoe: «Atsory mankany Haia ny lefona eny an-tananao, fa efa natolotro ho eo ambany fahefanao izy.» Dia natondron’i Jôsoe ny tanàna ny lefona teny an-tanany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hoy NY TOMPO tamin’i Josoa: Atondroy an’i Ay ny lefona izay eny an-tananao fa hatolotro eo an-tananao i Ay. Dia natondron’i Josoa ny tanàna ny lefona izay teny an-tanany. DIEM PROTESTANTA Dia hoy ny TOMPO tamin’i Josoa: –Ambano amin’ny lefona eny an-tananao i Hay satria hatolotro eo an-tananao izy. Dia nanambanan’i Josoa ny tanàna ilay lefona teny an-tanany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hoy ny TOMPO tamin’i Josoa: –Ambano amin’ny lefona eny an-tananao i Hay satria hatolotro eo an-tananao izy. Dia nanambanan’i Josoa ny tanàna ilay lefona teny an-tanany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Jehovah tamin’i Josoa: Atondroy an’i Ay ny lefona izay eny an-tànanao; fa hatolotro eo an-tànanao Ay. Dia natondron’i Josoa ny tanàna ny lefona izay teny an-tànany. Malagasy Bible Ary hoy Jehovah tamin'i Josoa: Atondroy an'i Ay ny lefona izay eny an-tananao; fa hatolotro eo an-tananao Ay. Dia natondron'i Josoa ny tanàna ny lefona izay teny an-tànany. La Bible en Malgache Ary hoy NY TOMPO tamin’i Josoa: Atondroy an’i Ay ny lefona izay eny an-tananao fa hatolotro eo an-tananao i Ay. Dia natondron’i Josoa ny tanàna ny lefona izay teny an-tanany. |
Ianao manainga ny tehinao sy maninjira ny tananao eo ambonin’ny ranomasina dia hampisaraka roa azy; ary ny zanak’i Israely kosa hamaky eo afovoany mandia tany maina,
Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Lazao amin’i Aarôna hoe: Ahinjiro eo ambonin’ny renirano sy ny lakan-drano ary ny farihy ny tananao mitana ny tehinao, ka ampiakaro ho eo amin’ny tany Ejipta ny sahona.»
Ka hoy i Môizy tamin’i Faraôna: «Lazao amiko àry izay sitraponao: Ho amin’ny fotoana inona no hanaovako fivavahana ho anao sy ho an’ny mpanomponao amam-bahoakanao, mba hanalaviran’i Iaveh ny sahona aminao sy amin’ny tranonao, ka tsy hisiany intsony, afa-tsy ao amin’ny ony ihany.» Dia hoy izy:
Ny sandrin’ny mpanjakan’i Babilôna, hohatanjahiko; ny sandrin’i Faraôna kosa hianjera; ary ho fantatry ny olona fa Iaveh Aho, rehefa ataoko eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna ny sabatro; ka hoentiny mamely ny tany Ejipta.
Tsy nisy lehilahy sisa tao Haia sy tao Betela fa nivoaka nanenjika an’i Israely izy rehetra. Navelany nivoha ny tanàna, ka lasa nanenjika an’i Israely izy.
Vao nanatsotra ny tanany izy, dia niroatra faingana avy eo amin’izay nitoerany ny otrika, ka nihazakazaka niditra ny tanàna sy naka azy, ka nodorany faingana ny tanàna.
Tsy nahemotr’i Jôsoe ny tanany natsotrany sy ny lefona mandra-panaovany anatema ny mponina rehetra tao Haia.
Amin’izay kosa ianareo dia hivoaka avy ao amin’ny fanotrehanareo, ka haka ny tanàna; hatolotr’i Iaveh Andriamanitrareo eo an-tananareo izy.
Nanatona an’i Davida tsikelikely ity Filistinina, nialohàn’ny lehilahy nitondra ny ampingany.
Fa hoy kosa ny navalin’i Davida an’ilay Filistinina: «Ianao manatona ahy amin’ny sabatra aman-defona sy lefom-pohy, fa izaho kosa manatona anao amin’ny anaran’i Iavehn’ny tafika, ny Andriamanitry ny foloalindahin’i Israely, izay notsiratsirainao.