Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Josoa 4:6 - Baiboly Katolika

mba ho famantarana eo afovoanareo izany. Raha manontany anareo ny zanakareo indray andro any, manao hoe: Inona, hoy ianareo, no hevitr’ireo vato ireo?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

mba ho famantarana eo aminareo izany. Raha manontany ny zanakareo amin’ny andro ho avy hoe: Inona no anton’ireo vato ireo aminareo?

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ireo vato ireo dia ho famantarana eo anivonareo; koa any aoriana any ianareo, rehefa hanontanian’ny zanakareo ny anton’ireo vato,

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ireo vato ireo dia ho famantarana eo anivonareo; koa any aoriana any ianareo, rehefa hanontanian’ny zanakareo ny anton’ireo vato,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

mba ho famantarana eo aminareo izany, raha manontany ny zanakareo amin’ny andro ho avy manao hoe: Inona no ataonareo ho anton’ireo vato ireo?

Jereo ny toko

Malagasy Bible

mba ho famantarana eo aminareo izany, raha manontany ny zanakareo amin'ny andro ho avy manao hoe: Inona no ataonareo ho anton'ireo vato ireo?

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

mba ho famantarana eo aminareo izany. Raha manontany ny zanakareo amin’ny andro ho avy hoe: Inona no anton’ireo vato ireo aminareo?

Jereo ny toko



Josoa 4:6
19 Rohy Ifampitohizana  

Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’ny taranak’i Kôre. Fihirana.


Mandra-pahatongako ho antitra sy fotsy volo, aza ilaozanao aho Andriamanitra, mba hampahafantarako ny herinao amin’ny taranaka ankehitriny, ary ny fahefanao amin’ny taranaka ho avy.


Hataonareo tsy very tadidy izany andro izany, fa hankalazainareo amin’ny fety hiderana an’i Iaveh, hankalazainareo amin’ny taranakareo mifandimby, ho zavatra nalahatra haharitra mandrakizay.»


Ary indray andro raha avy izay hanontanian’ny zanakao anao hilaza hoe: ‹Inona no hevitr’izao?› Dia hovalianao hoe: ‹Tamin’ny tanany mahery no namoahan’i Iaveh anay tany Ejipta, tamin’ny trano fanandevozana.


Ary ho anao dia ho toy ny famantarana mipetraka amin’ny tananao izany sy ho toy ny fahatsiarovana tsy hiala eo anelanelan’ny masonao, mba ho eo am-bavanao ny lalàn’i Iaveh; satria tamin’ny tanany mahery no namoahan’i Iaveh anao tany Ejipta.


«Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao amin’izy ireo hoe: Aza disoina ny fitandremana ny sabatako fa ho Ahy sy ianareo dia io no famantarana amin’ny taranakareo rehetra hahafantaranareo fa Izaho Iaveh no nanamasina anareo.


Fa ny velona dia ny velona ihany no mankalaza Anao tahaka izao ataoko anio izao; ny ray hampahalala ny zanany ny fahamarinanao.


Ny sipresy no haniry eo amin’izay misy tsilo, ary ny mirta no hipoitra eo amin’izay misy hery. Ho voninahitra ho an’i Iaveh izany, ary tsangam-bato mandrakizay tsy horavana.


Nomeko azy koa ny sabatako ho famantarana amiko sy amin’izy ireo, mba hahalalany fa Izaho no Iaveh manamasina azy.


ary ankamasino ny sabatako; ho famantarana amiko sy aminareo, mba hahalalanareo fa Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.


Satria ho anareo no nanaovana ny fampanantenana, sy ho an’ny zanakareo, ary ho an’izay rehetra any lavitra any, rehefa mety ho nantsoin’ny Tompo Andriamanitsika.»


Ampianaro ny zanakareo izany, resaho aminy izany, na mitoetra ao an-tranonao ianao, na mandeha amin’ny dia alehanao, na mandry ianao na miarina.


fa mba ho vavolombelona ho anay sy ianareo, sy ny fara mandimby antsika, fa izahay dia manompo an’i Iaveh eo anatrehany amin’ny sorona doranay, sy ny soronay, ary ny sorom-pihavananay, mba tsy hilazan’ny taranakareo amin’ny taranakay rahatrizay hoe: Tsy manana anjara amin’i Iaveh ianareo.


ka hoy izy tamin’ny zanak’i Israely: Rehefa hanontany an-drainy ny zanakareo indray andro any hoe:


ka nilazany hoe: «Mandehana eo alohan’ny fiaran’i Iaveh Andriamanitrareo, eo afovoan’i Jordany, ka samia maka vato iray avy, hatao an-tsoroka, araka ny isan’ny fokon’ny zanak’i Israely,