Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Josoa 4:21 - Baiboly Katolika

21 ka hoy izy tamin’ny zanak’i Israely: Rehefa hanontany an-drainy ny zanakareo indray andro any hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

21 Dia hoy izy tamin’ny Zanak’Israely: Raha manontany ny rainy ny taranakareo any amin’ny andro ho avy hoe: Inona no anton’ireo vato ireo?

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

21 avy eo dia hoy izy tamin’ny vahoaka israelita: –Any aoriana any, rehefa hanontanian’ny zanakareo ny anton’ireto vato ireto ianareo,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

21 avy eo dia hoy izy tamin’ny vahoaka israelita: –Any aoriana any, rehefa hanontanian’ny zanakareo ny anton’ireto vato ireto ianareo,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

21 Dia niteny tamin’ny Zanak’Isiraely izy ka nanao hoe: Raha manontany ny rainy ny taranakareo any amin’ny andro ho avy hoe: Inona no anton’ireo vato ireo?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

21 Dia niteny tamin'ny Zanak'Isiraely izy ka nanao hoe: Raha manontany ny rainy ny taranakareo any amin'ny andro ho avy hoe: Inona no anton'ireo vato ireo?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

21 Dia hoy izy tamin’ny Zanak’Israely: Raha manontany ny rainy ny taranakareo any amin’ny andro ho avy hoe: Inona no anton’ireo vato ireo?

Jereo ny toko dika mitovy




Josoa 4:21
6 Rohy Ifampitohizana  

Ary indray andro raha avy izay hanontanian’ny zanakao anao hilaza hoe: ‹Inona no hevitr’izao?› Dia hovalianao hoe: ‹Tamin’ny tanany mahery no namoahan’i Iaveh anay tany Ejipta, tamin’ny trano fanandevozana.


Natsangan’i Jôsoe teo Galgalà, ny vato roa ambin’ny folo nalain’izy ireo tao Jordany,


«Inona no hevitr’ireo vato ireo? dia atoroy ny zanakareo ataovy hoe: Nandia tany maina i Israely nita io Jordany io.


mba ho famantarana eo afovoanareo izany. Raha manontany anareo ny zanakareo indray andro any, manao hoe: Inona, hoy ianareo, no hevitr’ireo vato ireo?


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra