ary ny nonenany tany atsinanana, dia hatrany akaikin’ny efitra, izay miantomboka any amin’ny ony Eofrata, fa betsaka ny andiam-biby fiompiny tany Galaada.
Josoa 22:8 - Baiboly Katolika ka nanao taminy hoe: «Hody eny an-dainareo ianareo, mitondrà harena be, biby fiompy sesehena, volafotsy, volamena, varahina, sy vy ary fitafiana be dia be, koa zarao amin’ny rahalahinareo ny babo azo avy tamin’ny fahavalonareo». Baiboly Protestanta Malagasy 2011 sady nilazany hoe: Modia ho any amin’ny tranolainareo avy ianareo, mitondra harena be, omby aman’ondry be mihitsy, volafotsy, volamena, varahina, vy ary fitafiana be dia be; ary iombony amin’ny rahalahinareo ny babo azo tamin’ny fahavalonareo. Baiboly Protestanta Malagasy ka nilazany hoe: Modia ho any amin’ny lainareo avy hianareo, mitondra harena be sy omby aman-ondry be indrindra sy volafotsy sy volamena sy varahina sy vy ary fitafiana be dia be; ary iombony amin’ny rahalahinareo ny babo azo tamin’ny fahavalonareo. Malagasy Bible ka nilazany hoe: Modia ho any amin'ny lainareo avy ianareo, mitondra harena be sy omby aman'ondry be indrindra sy volafotsy sy volamena sy varahina sy vy ary fitafiana be dia be; ary iombony amin'ny rahalahinareo ny babo azo tamin'ny fahavalonareo. La Bible en Malgache sady nilazany hoe: Modia ho any amin’ny tranolainareo avy ianareo, mitondra harena be, omby aman’ondry be mihitsy, volafotsy, volamena, varahina, vy ary fitafiana be dia be; ary iombony amin’ny rahalahinareo ny babo azo tamin’ny fahavalonareo. |
ary ny nonenany tany atsinanana, dia hatrany akaikin’ny efitra, izay miantomboka any amin’ny ony Eofrata, fa betsaka ny andiam-biby fiompiny tany Galaada.
Koa nohamafisin’i Iaveh teo an-tanany ny fanjakana ary nitondran’i Jodà rehetra fanatitra i Jôsafata, ka nanan-karena amam-boninahitra be.
Nanan-karena amam-boninahitra be i Ezekiasa. Nahatonga rakitra miavosa izy, dia volafotsy, volamena, vato soa, zava-manitra, ampinga ary zavatra mahate hanana isan-karazany.
Andro lava iainana no eo an-tanany ankavanana, harena amam-boninahitra no eo an-tanany ankavia.
ka zarao ny babo ho an’ny mpiady nandeha tany an-tafika sy ho an’ny fiangonana rehetra.
Koa amin’izany, ry havako malala, aoka ianareo hiorina mafy, tsy hiova, hahefa be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, fa fantatrareo fa tsy foana ao amin’ny Tompo tsy akory ny fisasaranareo.
nataony harena be lavitra noho ny zava-tsoan’i Ejipta ny fijalian’i Kristy, satria nijery ny valisoa izy.
Nony nitarika azy izy, dia indreo ny Amalesita, miely eran’ny tany, mihinana sy misotro, ary mandihy, fa nahazo babo betsaka tamin’ny tanin’ny Filistinina sy ny tanin’i Jodà.
Ka iza no hanaiky anareo amin’izany raharaha izany? Tsy maintsy atao sahala ny anjaran’izay nidina hiady, sy ny an’izay nijanona tamin’ny entana: hiara-mizara daholo».