Ho voaozona anie ny fahatezerany, fa nasiaka izany; ary koa ny fahavinirany, fa loza izany. Hizarazara azy amin’i Jakôba aho, ary hampihahaka azy amin’i Israely.
Josoa 21:3 - Baiboly Katolika Dia izao no tanàna sy ny tany manodidina azy, nomen’ny zanak’i Israely, avy amin’ny lovany, ho an’ny Levita, araka ny didin’i Iaveh. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Avy tamin’ny lovany no nanomezan’ny Zanak’Israely ny levita ireny tanàna ireny sy ny tany manodidina azy avy, araka ny didin’NY TOMPO. DIEM PROTESTANTA Dia samy tamin’ny zarataniny avy no nanomezan’ny Israelita ireto tanàna ireto mbamin’ny kijàna manodidina azy mba ho an’ny Levita, araka ny baikon’ny TOMPO. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia samy tamin’ny zarataniny avy no nanomezan’ny Israelita ireto tanàna ireto mbamin’ny kijàna manodidina azy mba ho an’ny Levita, araka ny baikon’ny TOMPO. Baiboly Protestanta Malagasy Dia avy tamin’ny lovany no nanomezan’ny Zanak’Isiraely ny Levita izao tanàna izao sy ny tany manodidina azy avy araka ny didin’i Jehovah. Malagasy Bible Dia avy tamin'ny lovany no nanomezan'ny Zanak'Isiraely ny Levita izao tanàna izao sy ny tany manodidina azy avy araka ny didin'i Jehovah. La Bible en Malgache Avy tamin’ny lovany no nanomezan’ny Zanak’Israely ny levita ireny tanàna ireny sy ny tany manodidina azy avy, araka ny didin’NY TOMPO. |
Ho voaozona anie ny fahatezerany, fa nasiaka izany; ary koa ny fahavinirany, fa loza izany. Hizarazara azy amin’i Jakôba aho, ary hampihahaka azy amin’i Israely.
ka niteny tamin’izy ireo, tao Silô, amin’ny tany Kanaana, nanao hoe: «Didy nomen’i Iaveh an’i Môizy ny hanomezana tanàna honenanay sy ny tany manodidina azy ho an’ny bibinay.»
Ny fianakavian’ny Kaatita aloha no nanaovana ny loka, ka tanàna 13 tamin’ny fokon’i Jodà sy ny fokon’i Simeôna, ary ny fokon’i Benjamina no azon’ny taranak’i Aarôna, mpisorona, anisan’ny Levita, tamin’ny filokana,
Dia nomen’i Iaveh an’i Israely avokoa izany, ny tany rehetra nianianany homena ny razany, ka nalain’izy ireo ho fananany sy nonenany.