Vetivety foana dia maintin’ny rahona sy ny rivotra ny lanitra, dia latsaka ny ranonoram-be ary i Akaba nitaingina ny kalesy ka niverina tany Jezrahela.
Josoa 17:16 - Baiboly Katolika Fa hoy ny taranak’i Josefa: «Ny tendrombohitra dia tsy omby anay, nefa samy manan-kalesy vy avokoa ao amin’ny Kananeanina rehetra monina amin’ny tany lemaka, na ireo any Bety-Sàna sy ny tanàna momba azy, na ireo amin’ny lohasahan’i Jezraela.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hoy ny taranak’i Josefa: Tsy ampy ho anay ny havoana; sady manana kalesy vy fitondra miady ny Kananita rehetra izay monina any amin’ny tany lemaka, dia izay any Bety-Sana mbamin’ny vohitra miankina aminy ary izay any amin’ny tany lemaka Jezirela. DIEM PROTESTANTA Hoy kosa ny taranak’i Jôsefa hoe: –Tsy ampy ho anay tokoa ny havoana, kanefa manana kalesy vy ireo Kanahanita rehetra monina ao amin’ny tany lemaka, na izay any Bety-Seana sy amin’ireo tanàna kely miankina aminy na izay any amin’ny lohasahan’i Jizrehela. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hoy kosa ny taranak’i Jôsefa hoe: –Tsy ampy ho anay tokoa ny havoana, kanefa manana kalesy vy ireo Kanahanita rehetra monina ao amin’ny tany lemaka, na izay any Bety-Seana sy amin’ireo tanàna kely miankina aminy na izay any amin’ny lohasahan’i Jizrehela. Baiboly Protestanta Malagasy Dia hoy ny taranak’i Josefa: Tsy ampy ho anay ny tany havoana; ary manana kalesy vy ny Kananita rehetra, izay monina any amin’ny tany lemaka, dia izay any Beti-sana sy ny zana-bohiny ary izay any amin’ny tany lemaka Jezirela. Malagasy Bible Dia hoy ny taranak'i Josefa: Tsy ampy ho anay ny tany havoana; ary manana kalesy vy ny Kananita rehetra, izay monina any amin'ny tany lemaka, dia izay any Beti-sana sy ny zana-bohiny ary izay any amin'ny tany lemaka Jezirela. La Bible en Malgache Ary hoy ny taranak’i Josefa: Tsy ampy ho anay ny havoana; sady manana kalesy vy fitondra miady ny Kananita rehetra izay monina any amin’ny tany lemaka, dia izay any Bety-Sana mbamin’ny vohitra miankina aminy ary izay any amin’ny tany lemaka Jezirela. |
Vetivety foana dia maintin’ny rahona sy ny rivotra ny lanitra, dia latsaka ny ranonoram-be ary i Akaba nitaingina ny kalesy ka niverina tany Jezrahela.
Ary teo amin’i Elia ny tanan’i Iaveh ka nisikina izy, dia nihazakazaka teo alohan’i Akaba, hatrany amin’ny fidirana any Jezrahela.
Taorian’izany zavatra izany, tao Jezrahela kosa, dia nanana tanimboaloboka anankiray i Nabôta avy ao Jezrahela, ary teo akaikin’ny lapan’i Akaba mpanjakan’i Samaria izany.
I Jezabela koa, nasian’i Iaveh teny hoe: «Hohanin’ny alika eny akaikin’ny hadin’i Jezrahela i Jezabela.»
Banà, zanak’i Ahiloda; azy avokoa i Tanàka sy i Magedao ary i Betsàna rehetra, akaikin’i Sartàna, eo ambanin’i Jezraela, hatrany Betsàna, ka hatrany Abelmehôla, hatrany ambadik’i Jekimaana;
Hohanin’ny alika eo amin’ny sahan’i Jezrahela i Jezabela, ary tsy hisy olona handevina azy.» Dia novohan’ilay zatovo ny varavarana, ka lasa nandositra izy.
Noho izany, indro avy ny andro, - teny marin’i Iaveh, - hampikotrokotrohako ao Rabàn’ny taranak’i Amôna ny akoran’ady. Dia hanjary antontan-java-drava izy, ary ny zanany hodorana amin’ny afo; ary i Israely kosa handova ny an’ireo efa nandova ny azy, - teny marin’i Iaveh. -
Izao no lasan’i Manase tao amin’ny tanin’i Isakara sy i Asera: i Bety-Sàna sy ny tanàna momba azy, i Jeblaama sy ny tanàna momba azy, ny mponina ao Dôra sy ny tanàna momba azy, ny mponina ao Tenàka sy ny tanàna momba azy, ny mponina ao Magedao sy ny tanàna momba azy: ireo no faritan’i Havoan-telo.
Dia hoy i Jôsoe taminy: «Raha vahoaka be àry ianareo miakara any an’ala, ka miteveza any amin’ny tanin’ny Ferezeanina sy ny Refaima honenanareo, rehefa ety tsy omby anareo ny tendrombohitr’i Efraima.»
Izao no navalin’i Jôsoe ny fianakavian’i Josefa, dia i Efraima sy i Manase: «Vahoaka be ianao; ka be hery koa; dia tsy anjara iray ihany no anao;
fa ho anao koa ny tendrombohitra; ala izany ka dia hotevenao dia ho anao ny sisiny, satria horoahinao ny Kananeanina na manan-kalesy vy sy mahery aza azy.»
Nomba an’i Jodà i Iaveh ka lasany ny tendrombohitra; tsy voaroakany anefa ny mponina amin’ny tany lemaka; fa nanan-kalesy vy ireny.
ka nasainy nentina avy tany Harôseta-Gôïma ny kalesiny vy sivin-jato mbamin’ny vahoaka rehetra izay tao aminy, ho ao amin’ny ranon-driaka Sisaona.
Nitaraina tamin’i Iaveh ny zanak’i Israely fa nanan-kalesy vy sivin-jato i Jabìna, ary nampahory mafy ny zanak’i Israely hatramin’ny roapolo taona.
Ary nivory i Madiàna sy i Amaleka mbamin’ny zanaky ny Atsinanana rehetra, ka nita an’i Jordany izy, dia nitoby teo amin’ny tany lemaka Jezraela.
Ary namory ny miaramilany rehetra tao Afeka ny Filistinina, fa nitoby teo anilan’ny loharano ao Jezraela kosa i Israely.