Josoa 16:1 - Baiboly Katolika Ny an’ny taranak’i Josefa araka ny filokana: Ny any atsinanana dia niantomboka avy eo amin’i Jordany ao Jerikô; avy eo dia tonga amin’ny efitra izay miakatra avy any Jerikô hatramin’i Betela mihazo ny tendrombohitra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny faritry ny tany azon’ny taranak’i Josefa tamin’ny antsapaka dia hatrany Jordana tandrifin’i Jeriko, dia tao amin’ny ranon’i Jeriko atsinanana, hatrany amin’ny tany efitra izay fiakarana avy any Jeriko, mamakivaky ny tany be havoana any Betela, DIEM PROTESTANTA Izao no zaratany navoakan’ny antsapaka ho an’ny taranak’i Jôsefa. Ny sisiny atsimo dia manomboka hatreo Jôrdàna akaikin’i Jerikao, eo atsinanan’ny loharanon’ny tanàna. Avy eo Jerikao dia mihazo ilay taniefitra miakatra ho any amin’ny tendrombohitr’i Betela. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izao no zaratany navoakan’ny antsapaka ho an’ny taranak’i Jôsefa. Ny sisiny atsimo dia manomboka hatreo Jôrdàna akaikin’i Jerikao, eo atsinanan’ny loharanon’ny tanàna. Avy eo Jerikao dia mihazo ilay taniefitra miakatra ho any amin’ny tendrombohitr’i Betela. Baiboly Protestanta Malagasy ARY ny faritry ny tany azon’ny taranak’i Josefa tamin’ny filokana dia hatrany Jordana tandrifin’i Jeriko, dia tao amin’ny ranon’i Jeriko atsinanana, ka hatramin’ny efitra izay fiakarana avy any Jeriko, mamaky ny tany havoan’i Betela, Malagasy Bible Ary ny faritry ny tany azon'ny taranak'i Josefa tamin'ny filokana dia hatrany Jordana tandrifin'i Jeriko, dia tao amin'ny ranon'i Jeriko atsinanana, ka hatramin'ny efitra izay fiakarana avy any Jeriko, mamaky ny tany havoan'i Betela, La Bible en Malgache Ny faritry ny tany azon’ny taranak’i Josefa tamin’ny antsapaka dia hatrany Jordana tandrifin’i Jeriko, dia tao amin’ny ranon’i Jeriko atsinanana, hatrany amin’ny tany efitra izay fiakarana avy any Jeriko, mamakivaky ny tany be havoana any Betela, |
Manolotra ny sisin-tanin’i Manase, hatramin’ny faritra atsinanana ka hatramin’ny faritra andrefana: anjara iray ho an’i Efraima.
Amin’ny lafiny avaratra ny faritry ny taniny dia nanomboka eo Jordany dia niakatra ny faritra nianavaratra amin’ny kisolosolon’i Jerikô, dia niakatra indray tamin’ny tendrombohitra any andrefana, ary nipaka tamin’ny efitra Bety-Avena.
Hozarainy fito toko ny tany; i Jodà hitoetra amin’ny faritaniny ao atsimo, ary ny taranak’i Josefa hitoetra amin’ny faritaniny ao avaratra.
Nody resy teo anoloan’izy ireo i Jôsoe sy i Israely rehetra, ka nandositra tamin’ny lalana mankany an’efitra.
Naniraka hisafo an’i Betela, tanàna nantsoina fahiny hoe Lozy, ny fianakavian’i Josefa.