Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Josoa 15:10 - Baiboly Katolika

Avy eo Baala ny faritry ny tany dia niolaka miankandrefana mankany amin’ny tendrombohitra Jarima, dia i Keslôna izany, nidina mankany Bety-Samesa nihazo an’i Tamà.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

niolaka hatrany Baala andrefana hatrany amin’ny tendrombohitra Seìra, nandroso hatrany amin’ny ilany avaratry ny tendrombohitra Jearima na Kesalona, nidina hatrany Bety-Semesy, nandroso hatrany Timna,

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

dia miolaka miankandrefana ho amin’ny tendrombohitra Sehira, mandalo ny ilany avaratry ny tendrombohitra Jeharima izay antsoina koa hoe Kesalôna, midina ho any Bety-Semesa, ary mandalo any Timnà.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

dia miolaka miankandrefana ho amin’ny tendrombohitra Sehira, mandalo ny ilany avaratry ny tendrombohitra Jeharima izay antsoina koa hoe Kesalôna, midina ho any Bety-Semesa, ary mandalo any Timnà.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

dia niolaka hatrany Bala andrefana ka hatramin’ny tendrombohitra Seïra ka nandroso hatramin’ny ilany avaratry ny tendrombohitra Jearima (Kesalona izany), dia nidina hatrany Beti-semesy ka nandroso hatrany Timna.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

dia niolaka hatrany Bala andrefana ka hatramin'ny tendrombohitra Seira ka nandroso hatramin'ny ilany avaratry ny tendrombohitra Jearima (Kesalona izany), dia nidina hatrany Beti-semesy ka nandroso hatrany Timna.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

niolaka hatrany Baala andrefana hatrany amin’ny tendrombohitra Seìra, nandroso hatrany amin’ny ilany avaratry ny tendrombohitra Jearima na Kesalona, nidina hatrany Bety-Semesy, nandroso hatrany Timna,

Jereo ny toko



Josoa 15:10
12 Rohy Ifampitohizana  

Dia nitsangana i Davida ka niainga izy narahin’ny vahoaka rehetra izay tafavory manodidina azy, ka nankany Baala-Jodà mba hampiakatra avy any ny Fiaran’Andriamanitra izay fiantsoana ilay Anarana, ny Anaran’i Iavehn’ny tafika, izay mipetraka eo ambonin’ny Kerobima.


Tsy nihaino azy anefa i Amasiasa, ka dia niakatra i Jôasa mpanjakan’i Israely, ary nifankahita nifanatrika tao Bethsamesa izay an’i Jodà izy sy i Amasiasa mpanjakan’i Jodà.


Ny Filistinina niely teny amin’ny tanàna eny amin’ny Sefelà sy ny Negeban’i Jodà; azony avokoa i Betsamesa, i Aialôna, i Gaderôta, i Sôkô sy ny tanàna momba azy, i Tamnà sy ny tanàna momba azy, i Gamzô sy ny tanàna momba azy, dia nonenany.


Ny faritry ny tany nipaka amin’ny kisolosolo avaratr’i Akarôna, ary nizotra ny faritry ny tany mankany Sekrôna, nihazo amin’ny tendrombohitra Baala ary nipaka amin’i Jebneela ary nihatra amin’ny ranomasina.


i Akaïna, i Gabaà, i Tamnà: tanàna folo sy ny zana-bohiny;


i Jerôna, i Magdalela, i Hôrema, Bet-Anata, ary Bety-Samesy; tanàna 19 sy ny zana-bohiny.


i Aina sy ny manodidina azy, i Jeta sy ny manodidina azy, i Betsamesy sy ny manodidina azy, tanàna sivy no azy amin’ireo foko roa ireo.


Ary nidina nankany Tamnà i Samsôna, ka nahita vehivavy anankiray tamin’ireo zanakavavin’ny Filistinina tany Tamnà.


Dia nidina nankany Tamnà i Samsôna, niaraka tamin’ny ray aman-dreniny. Nony tonga teo amin’ny tanimboalobok’i Tamnà izy dia indro nisy vanton-diona nierona nandroso hifanehatra aminy.


Dia araho maso izy, ka raha miakatra amin’ny lalana mankany amin’ny tanànany, ho any Bety-Samesy izy, dia i Iaveh no nahatonga izao loza lehibe izao tamintsika, fa raha tsy izany kosa, dia ho fantatsika fa tsy ny tanany no namely antsika, fa sendrasendra no nahatongavan’izany tamintsika.»