Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 14:1 - Baiboly Katolika

1 Ary nidina nankany Tamnà i Samsôna, ka nahita vehivavy anankiray tamin’ireo zanakavavin’ny Filistinina tany Tamnà.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Ary nidina nankany Timna i Samsona ka nahita vehivavy iray tao, avy tamin’ny zanakavavin’ny Filistina.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

1 Ary nidina nankany Timnà i Samsôna ka nahatsikaritra tovovavy filistinina iray tao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Ary nidina nankany Timnà i Samsôna ka nahatsikaritra tovovavy filistinina iray tao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 ARY Samsona nidina nankany Timna ka nahita vehivavy tao avy amin’ny zanakavavin’ny Filistina.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Ary Samsona nidina nankany Timna ka nahita vehivavy tao avy amin'ny zanakavavin'ny Filistina.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Ary nidina nankany Timna i Samsona ka nahita vehivavy iray tao, avy tamin’ny zanakavavin’ny Filistina.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 14:1
12 Rohy Ifampitohizana  

dia hitan’ireo zanak’Andriamanitra fa tsara tarehy ny zanakavavin’ny olombelona, ka naka vady tamin’izy ireo izy, dia tamin’izay rehetra tiany.


Indray hariva raha ilay avy niarina avy teo am-pandriana iny i Davida ka nitsangantsangana teo amin’ny tafon-tranon’ny mpanjaka, dia tazany avy eo ambony tafon-trano ity vehivavy anankiray nandro, ary tsara tarehy erỳ ravehivavy io.


Efa fanekena nataoko tamin’ny masoko, ka hataoko ahoana no fanopy maso hijery virjiny?


Avilio tsy hahita izay zava-poana ny masoko; ataovy velona ao amin’ny lalànao aho.


Avy eo Baala ny faritry ny tany dia niolaka miankandrefana mankany amin’ny tendrombohitra Jarima, dia i Keslôna izany, nidina mankany Bety-Samesa nihazo an’i Tamà.


i Elôna, i Temnà, i Akrôna,


Satria ny zavatra rehetra amin’izao tontolo izao, ny filàn’ny nofo, ny fitiavan’ny maso, ny rehaka amin’izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray, fa avy amin’izao tontolo izao.


Dia nanomboka nitaona azy ho any Makaneha-Dana anelanelan’i Saraà sy i Estaola ny fanahin’i Iaveh.


Nony tafakatra indray izy, dia nilaza tamin-drainy aman-dreniny hoe: «Nahita vehivavy anankiray tamin’ireo zanakavavin’ny Filistinina aho, tany Tamnà, ka ankehitriny mba alaovy ho vadiko izy.»


Ary nankany Gazà i Samsôna ka nahita vehivavy janga tao, dia niditra tao aminy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra