Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 28:18 - Baiboly Katolika

18 Ny Filistinina niely teny amin’ny tanàna eny amin’ny Sefelà sy ny Negeban’i Jodà; azony avokoa i Betsamesa, i Aialôna, i Gaderôta, i Sôkô sy ny tanàna momba azy, i Tamnà sy ny tanàna momba azy, i Gamzô sy ny tanàna momba azy, dia nonenany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Ary ny Filistina koa dia nanafika ny tanàna tany Sefela sy tany Negeva izay momba an’i Joda, dia nahafaka an’i Bety-Semesy, i Aialona, i Gederota, i Soko sy ny vohitra miankina aminy, i Timna sy ny vohitra miankina aminy ary i Gimzo koa sy ny vohitra miankina aminy; ary nonina tao izy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

18 Ary ny Filistinina koa nanafika ny tanàna tao Sefelà sy tao Negeba izay anisan’ny fanjakàn’i Joda, dia nahafaka an’i Bety-Semesy sy i Aialôna ary i Gederôta mbamin’i Sôkao sy i Timnà ary i Gimzao miaraka amin’ny tanàna kely manodidina azy avy; ka nonenan’ny Filistinina ireny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Ary ny Filistinina koa nanafika ny tanàna tao Sefelà sy tao Negeba izay anisan’ny fanjakàn’i Joda, dia nahafaka an’i Bety-Semesy sy i Aialôna ary i Gederôta mbamin’i Sôkao sy i Timnà ary i Gimzao miaraka amin’ny tanàna kely manodidina azy avy; ka nonenan’ny Filistinina ireny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Ary ny Filistina koa nanafika ny tanàna eny amin’ny tany lemaka amoron-tsiraka sy eny amin’ny tany atsimo momba an’i Joda, dia nahafaka an’i Beti-semesy sy Aialona sy Gederota sy Soko mbamin’ny zana-bohiny ary Timna sy ny zana-bohiny ary Gimzo koa sy ny zana-bohiny; ary nonina tao izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Ary ny Filistina koa nanafika ny tanàna eny amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka sy eny amin'ny tany atsimo momba an'i Joda, dia nahafaka an'i Beti-semesy sy Aialona sy Gederota sy Soko mbamin'ny zana-bohiny ary Timna sy ny zana-bohiny ary Gimzo koa sy ny zana-bohiny; ary nonina tao izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

18 Ary ny Filistina koa dia nanafika ny tanàna tany Sefela sy tany Negeva izay momba an’i Joda, dia nahafaka an’i Bety-Semesy, i Aialona, i Gederota, i Soko sy ny vohitra miankina aminy, i Timna sy ny vohitra miankina aminy ary i Gimzo koa sy ny vohitra miankina aminy; ary nonina tao izy.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 28:18
13 Rohy Ifampitohizana  

Nandresy ny Filistinina hatrany Gazà izy, ka nandrava ny taniny, hatramin’ny tilikambon’ny mpiambina, ka hatramin’ny tanàna mimanda.


i Saraà, i Aialôna ary i Hebrôna; tanàna mimanda ao amin’i Jodà sy i Benjamina ireo.


i Betsora, i Sôkô, i Odolama,


Satria tsy niverina amin’izay nikapoka azy ny vahoaka, ary tsy nitady an’i Iavehn’ny tafika izy ireo.


Ka indro, naninji-tanana taminao Aho: ny anjaranao nahenako; ianao, natolotro hianjadian’ny fahavalonao, dia ireo zanaka vavin’ny Filistinina izay menatra noho ny fitondran-tena ratsinao.


fony mbola tsy naharihary ny haratsianao; toy ny fony ianao nolatsain’ny zanaka vavin’i Siria mbamin’ny manodidina rehetra, sy novingavingain’ny zanaka vavin’ny Filistinina nanodidina anao.


Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Noho ny Filistinina nanampatra ny famaliana, sady namaly an-kalozana, tamin’ny fanesoana ao am-po, mba handringana izao rehetra izao noho ny fankahalany tsy misy farany,


Avy eo Baala ny faritry ny tany dia niolaka miankandrefana mankany amin’ny tendrombohitra Jarima, dia i Keslôna izany, nidina mankany Bety-Samesa nihazo an’i Tamà.


i Giderôta, i Bet-Dagôna, i Naamà, ary i Makedà: 16 ary ny zana-bohiny;


Ny tao amin’ny tendrombohitra dia: i Samira, i Jetera, i Sokôta.


Ary nidina nankany Tamnà i Samsôna, ka nahita vehivavy anankiray tamin’ireo zanakavavin’ny Filistinina tany Tamnà.


Ary namory ny miaramilany ny Filistinina mba hiantafika ka tafangona tao Sokao, izay an’i Jodà, dia nitoby tao Efasa-Domina anelanelan’i Sokao sy i Azeka.


Dia araho maso izy, ka raha miakatra amin’ny lalana mankany amin’ny tanànany, ho any Bety-Samesy izy, dia i Iaveh no nahatonga izao loza lehibe izao tamintsika, fa raha tsy izany kosa, dia ho fantatsika fa tsy ny tanany no namely antsika, fa sendrasendra no nahatongavan’izany tamintsika.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra