Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 28:19 - Baiboly Katolika

19 Satria naetrin’i Iaveh i Jodà, noho ny amin’i Akaza mpanjakan’i Israely izay nampitombo ny fitondran-tena ratsy teo amin’i Jodà sy nanao heloka tamin’i Iaveh.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 Fa NY TOMPO nampietry ny Joda noho i Ahaza, mpanjakan’ny Israely, satria efa nanaram-po nanao izay ratsy teo amin’i Joda i Ahaza ka nivadika tamin’NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

19 Nampietren’ny TOMPO toy izany ny fanjakàn’i Joda noho i Ahaza mpanjakany efa nitaona ny Jodeanina hiala amin’ny TOMPO sy hanimbazimba Azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 Nampietren’ny TOMPO toy izany ny fanjakàn’i Joda noho i Ahaza mpanjakany efa nitaona ny Jodeanina hiala amin’ny TOMPO sy hanimbazimba Azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Fa Jehovah nampietry ny Joda noho Ahaza, mpanjakan’ny Isiraely, satria Ahaza efa nanaram-po nanao ratsy teo amin’ny Joda ka nivadika tamin’i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Fa Jehovah nampietry ny Joda noho Ahaza, mpanjakan'ny Isiraely, satria Ahaza efa nanaram-po nanao ratsy teo amin'ny Joda ka nivadika tamin'i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 28:19
20 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy i Iaveh Andriamanitra: «Moa nihinana tamin’ny hazo norarako tsy hihinananao va ianao?»


Nisokatra ny mason’izy mivady, ary fantany fa nitanjaka izy; ka nanjaitra ravin’aviavy izy ireo nataony sikina.


Hanolotra an’i Israely izy noho ny fahotan’i Jerôbôama, izay nataon’ny tenany sy izay nampanaoviny an’i Israely.»


Namaly i Elia nanao hoe: «Tsy izaho no mpanakorontana an’i Israely, fa ianao indrindra sy ny fianakavian-drainao, amin’ny nandaozanareo ny didin’i Iaveh sy nandehananareo manaraka an’i Baala.


Nanan-drahalahy zanak’i Jôsafata koa i Jôrama, dia i Azariasa, i Jahiela, i Zakariasa, i Azariasa, i Mikaela, ary i Safatiasa; zanak’i Jôsafata mpanjakan’i Jodà avokoa ireo.


Ary 20 taona i Akaza fony vao nanjaka, ary 16 taona no nanjakany teo Jerosalema. Tsy nanao izay mahitsy eo anatrehan’i Iaveh tahaka an’i Davida rainy izy,


Nanatitra sorona aman-java-manitra teny amin’ny fitoerana avo sy ny havoana ary teny ambany hazo maitso rehetra teny izy.


Ka dia i Manase no tonga nampania an’i Jodà mbamin’ny mponina ao Jerosalema, ka nandroso nanao ratsy izy ireo mihoatra noho ireo firenena naringan’i Iaveh, teo anoloan’ny zanak’i Israely.


Aforeto amin’ny fijerinao fotsiny ny mpiavonavona; montsàny eo am-pitoerany ny ratsy fanahy.


Dia hitan’i Môizy fa nanarana tsy voafehy intsony ny vahoaka satria nampanaranin’i Aarôna tsy voafehiny, ka efa namela azy ho zary fihomehezan’ny fahavalony izy.


Ny fahamarinana manandratra ny firenena; ny fahotana kosa fahafaham-baraka amin’ny vahoaka.


Ny avonavon’ny olona, mamarina amin’ny fietrena; fa ny manetry tena ao am-po mahazo voninahitra.


ampahorîna sy torotoroin’ny fitsarana i Efraima satria ninia nanaraka ny sampy tsinontsinona izy.


Sorona fanonerana izany; tena meloka teo anatrehan’i Iaveh izany olona izany.


Mitandrina ny fitsipik’i Amrì ny olona, mbamin’ny fanaon’ny taranak’i Akaba rehetra, ary mandeha araka ny toroheviny ianareo, mba hanolorako anareo amin’ny fandringanana, ary ny mponina amin’ny tany, ho amin’ny fisitrisìrana, ka hivesaranareo ny latsan’ny vahoakako.


Ny vahiny monina eo aminao hisondrotra hatrany ho ambony noho ianao; fa ianao kosa hietry mandrakariva ho ambany;


Indro, avy toy ny mpangalatra Aho. Sambatra izay miambina sy mitana ny fitafiany, fandrao mandeha miboridana izy ka ho hita ny fahamenarany. -


I Iaveh no mampahantra sy mampanan-karena. Izy no mampietry sy manandratra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra