Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Joda 1:16 - Baiboly Katolika

Olona mpimonjomonjo lava izy ireo, tsy mionona amin’ny anjarany na oviana na oviana, manaraka ny danin’ny kibony hatrany hatrany, miavonavom-piteny izaitsizy, ary mandoka ny sasany mba hahazoany vola.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ireo dia mpimonomonona sy mpimenomenona, olona mandeha araka ny filany; ny vavany dia manao teny miavonavona tafahoatra, ary mandoka olona mba hahazoany zavatra.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ireo mpampianatra sandoka ireo dia mpimonomonona sy mpimoimoy lava, sady miaina araka ny filàndratsiny no miavonavom-piteny, ka mandoka olona mba hahazoany tombon-tsoa.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ireo mpampianatra sandoka ireo dia mpimonomonona sy mpimoimoy lava, sady miaina araka ny filàndratsiny no miavonavom-piteny, ka mandoka olona mba hahazoany tombon-tsoa.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ireo dia mpimonomonona sy mpimoimoy, mandeha araka ny filany (ary ny vavany manao teny miavonavona loatra) ka mandoka olona mba hahazoany zavatra.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ireo dia mpimonomonona sy mpimoimoy, mandeha araka ny filany (ary ny vavany manao teny miavonavona loatra) ka mandoka olona mba hahazoany zavatra.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ireo dia mpimonomonona sy mpimenomenona, olona mandeha araka ny filany; ny vavany dia manao teny miavonavona tafahoatra, ary mandoka olona mba hahazoany zavatra.

Jereo ny toko



Joda 1:16
38 Rohy Ifampitohizana  

Tsy mba hizaha tavan’olona aho, na handoka olona na iza na iza;


izay tsy mba mizaha tavan’olona amin’ny lehibe, ary tsy mijery ny manan-karena noho ny mahantra, satria samy asa tanany avokoa izy rehetra.


Nimonomonona tao an-dainy, ary tsy nanaiky ny feony izy ireo.


Ny voaheloka no mendrika halàm-baraka eo imasony; fa ny matahotra an’i Iaveh kosa omeny voninahitra. Raha manao fianianana mamono antoka azy izy, tsy ivadihany izany.


Tandremany tsy hidiran’ny indrafo ny fony, sady miloa-bava manao teny miavonavona izy ireo.


Mamazivazy izy, miresaka haratsiana sy halozana, manonona teny an’avona.


Tsy mety ny mizaha tavan’olona, fa sombi-mofo monja, dia mahatonga ho olo-meloka.


Aza manao ny tsy rariny amin’ny fitsarana: ny mahantra aza ananana tombom-pitia, ny manan-karena aza ananana fankasitrahana, fa ny rariny ihany no hitsaranao ny namanao.


Ireo lehilahy nirahin’i Môizy hisafo ny tany, ka nampimonomonona ny fiangonana rehetra taminy nony tafaverina, fa nanao laza ratsy ny tany,


Izany no hiraisanareo tetika hiodina amin’i Iaveh, ianao sy ny tarikao rehetra! Ary i Aarôna moa no inona, no izy no imonomononanareo?»


ka nimonjomonjo ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna nanao hoe: «Ilay ity mandray ny mpanota sy miara-mihinana aminy.»


Ary nony nahita izany ny olona, dia nimonomonona nanao hoe: «Lasa niditra any an-tranon’ny mpanota Izy.»


Nimonjomonjo ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna ka nanao tamin’ny mpianany hoe: «Nahoana no miara-mihinana sy misotro amin’ny Poblikanina sy ny mpanota ianareo?»


Dia nimonomonona taminy ny Jody satria Izy nanao hoe: «Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra.»


Betsaka tamin’ny mpianany nony nandre izany no nanao hoe: «Sarotra izany teny izany, ka iza no mahahaino izany?»


ary aoka ianareo tsy himonjomonjo tahaka ny sasany tamin’ireny, ka matin’ny Anjely mpandringana izy ireny.


Izao àry no lazaiko: mandehana ara-panahy, dia tsy hanatanteraka ny filan’ny nofo ianareo.


izay an’i Kristy Jesoa dia efa namàntsika ny nofony mbamin’ny faniriana amam-pilàn-dratsiny tamin’ny Hazofijaliana.


Nimonomonona tany an-dainareo ianareo, nanao hoe: Ny fankahalan’i Iaveh antsika no nitondrany antsika nivoaka tany amin’ny tany Ejipta mba hanolorany antsika ho eo an-tanan’ny Amôreana, sy handringanany antsika.


Ataovy tsy amim-pimonjomonjoana sy tsy amim-pisalasalana ny zavatra rehetra,


fa tsy amin’ny filàn-dratsin’ny nofo araka ny fanaon’ny Jentily izay tsy mahalala an’Andriamanitra,


fifanoherana tsy misy farany, fanaon’ny olona efa ratsy saina sy nialan’ny fahamarinana, ka manao ny fivavahana ho filan-karena.


Fa ho avy ny andro tsy hahazakàn’ny olona ny fampianarana marina intsony; fa mpampianatra araka ny filàny no hovoriny ho azy sy hahalian-tsofina azy;


Aoka ho zanaka manaiky ianareo, ka tsy hanaraka ny filàn-dratsinareo intsony, toy ny nataonareo fahiny tamin’ny andron’ny tsy fahalalanareo;


Ry malala, mamporisika anareo hifady ny fanirian’ny nofo izay manohitra ny fanahy aho, noho ny maha-vahiny sy mpivahiny anareo.


mba tsy handaniany ny andro sisa hiainany amin’ny nofo, araka ny danin’ny kibon’olombelona intsony, fa araka ny sitrapon’Andriamanitra.


indrindra fa ireo manaram-po amin’ny filàn-dratsin’ny nofo, sy manamavo ny Fahandrianana. Sahy zavatra sy mirehareha loatra izy ireo, fa tsy matahotra ny hiteny ratsy ireo Voninahitra akory,


Teny manodòka sy tsy misy heviny no itarihany an’izay vao nandao ny olon-dratsy hevitra, hanaraka ny fanirian-dratsin’ny nofo sy ny fahalotoana.


Fantaro tsara aloha fa any am-parany any, dia hisy mpaniratsira fetsy ratsy, izay hanaraka ny danin’ny kibony,


hitsara ny olona tsy an-kanavaka: hampiharihary ny halozan’ny asa ratsy rehetra nataon’ny ratsy fanahy, sy ny haratsian’ny teny rehetra nanevatevan’ny mpanota mankahala ny fivavahana an’Andriamanitra»


izay nanambara taminareo fa amin’ny andro farany dia hisy olona mpamitaka, handeha araka ny filàn-dratsiny mahamenatra,