Ry Andriamanitra ô, nanary anay Ianao, nampihahaka anay, efa tezitra Ianao: ataovy mahita fitia aminao indray izahay.
Jeremia 9:15 - Baiboly Katolika Haeliko any amin’ny firenen-tsamihafa, izay tsy fantatr’izy ireo na ny razany akory, ary halefako hamely azy ny sabatra mandra-pandringako azy.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Haeliko any amin’izay Jentilisa tsy fantany na fantatry ny razany izy; ary hampanenjehiko azy ny sabatra ambara-pandaniko azy. DIEM PROTESTANTA Haeliko any amin’ny firenen-kafa izay tsy fantany na fantatry ny razany izy, ka hoenjehiko amin’ny ady any ambara-pahalany ritra azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Haeliko any amin’ny firenen-kafa izay tsy fantany na fantatry ny razany izy, ka hoenjehiko amin’ny ady any ambara-pahalany ritra azy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary haeliko any amin’izay jentilisa Tsy fantany na fantatry ny razany izy; Ary hampanenjehiko azy ny sabatra Ambara-pandaniko azy. Malagasy Bible Ary haeliko any amin'izay jentilisa tsy fantany na fantatry ny razany izy; Ary hampanenjehiko azy ny sabatra ambara-pandaniko azy. La Bible en Malgache Haeliko any amin’izay Jentilisa* tsy fantany na fantatry ny razany izy; ary hampanenjehiko azy ny sabatra ambara-pandaniko azy. |
Ry Andriamanitra ô, nanary anay Ianao, nampihahaka anay, efa tezitra Ianao: ataovy mahita fitia aminao indray izahay.
Torotoron’ny latsa ny foko, ka marary aho, miandry horaka, fa tsy nisy; ary mpanony, fa tsy nahita iray akory.
Ry Iaveh Andriamanitry ny tafika, mandra-pahoviana no mbola ho tezitra amin’ny fivavahan’ny vahoakanao Ianao?
Ny reharehan’ny olona, haongana, ary ny avonavon’ny olombelona, haetry, fa i Iaveh no hasandratra, dia Izy irery ihany, amin’izany andro izany.
Koa atsaharo ny fitoky amin’olombelona, izay tsy misy afa-tsy fofon’aina kely foana eo am-bavorony; ka hatao inona izy?
Noho izany, izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, ny amin’ny mpaminany: Dia efa hampihinana zava-mangidy azy ireo Aho, sy hampisotro rano voaisy poizina azy! Satria avy amin’ny mpaminanin’i Jerosalema no nivoahan’ny faharatsiana ho any amin’ny tany rehetra.
Ary ny sabatra, ny mosary, ny pesta dia hirahiko hanjò azy, mandra-paharingana azy ireo tsy ho eo amin’ny tany, izay nomeko azy sy ny razany.»
Fa izao no nolazain’i Iaveh, Andriamanitr’i Israely tamiko: «Raiso ity kapoakan’ ny divaim-pahatezerako etỳ an-tanako ity, ka ampisotroy ny firenena rehetra hanirahako anao.
Indro Aho miambina azy ireo, hampidi-doza fa tsy soa amin’izy ireo, ka dia ho levon’ny sabatra sy ny mosary avokoa, ny lehilahy amin’i Jodà, mandra-paharingany.
Hampangovitra an’i Elama eo anoloan’ny fahavalony Aho, sy eo anoloan’izay mitady ny ainy. Hahatonga loza aminy Aho, dia ny afon’ny fahatezerako mirehitra, - teny marin’i Iaveh. - Ary handefa sabatra eo aorian’izy ireo Aho, mandra-pandringako azy.
Nahoana isika no mitomoe-poana? Mivoria ianareo, andeha isika ho ao an-tanàna mimanda, dia aoka ho faty ao; satria i Iaveh Andriamanitsika mandevona antsika, sy mampisotro antsika rano misy poizina, noho ny nanotantsika tamin’i Iaveh!...
Ny ampahatelon’ny zanakao, ho fatin’ny pesta na ho levon’ny mosary eo aminao; ny ampahatelony, ho lavon’ny sabatra eny manodidina anao rehetra eny; ary ny ampahatelony haeliko any amin’ny vazantany rehetra; sady hanatsoahako sabatra avy ato aoriana.
Ny ampahatelony dory amin’ny afo, eo afovoan’ny tanàna, rehefa tapitra ny andron’ny fahirano; ny ampahatelony, alao ka asio ny sabatra manodidina ny tanàna; ny ampahatelony aelezo ho amin’ny rivotra, fa hanatsoaka sabatra avy ao aoriana Aho.
Hampandehanin’i Iaveh ianao sy ny mpanjaka natsanganao ho lohanao, ho any amin’ny firenena tsy fantatrao sy tsy fantatry ny razanao, dia hanompo andriamani-kafa vato aman-kazo any ianao,
Aoka tsy hisy amin’izay mandre ny tenin’ity fianianana ity, hihambo anakampony manao hoe: Hiadana ihany aho, na dia mandeha manaraka ny ditran’ny foko aza; ka dia ho voatariky ny efa leony izay mangetaheta.
Imangidy no anaran’io kintana io, ka tonga mangidy ny ampahatelon’ny rano, ary maro ny olona matin’ny rano, noho izy tonga mangidy.