Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Apokalipsy 8:11 - Baiboly Katolika

11 Imangidy no anaran’io kintana io, ka tonga mangidy ny ampahatelon’ny rano, ary maro ny olona matin’ny rano, noho izy tonga mangidy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Ny anaran’ilay kintana dia atao hoe Zava-mangidy; tonga mangidy ny ampahatelon’ny rano ary maro ny olona no matin’ny rano satria nangidy izany.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

11 Ny anaran’ilay kintana dia atao hoe Ipoizimangidy; ka tonga mangidy sady voapoizina ny ampahatelon’ny rano rehetra, ary maro ny olona maty noho ny fisotroana rano voapoizina.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Ny anaran’ilay kintana dia atao hoe Ipoizimangidy; ka tonga mangidy sady voapoizina ny ampahatelon’ny rano rehetra, ary maro ny olona maty noho ny fisotroana rano voapoizina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 ary ny anaran’ilay kintana dia atao hoe Zava-mangidy; dia tonga mangidy ny ampahatelon’ny rano; ary maro ny olona no matin’ny rano, satria efa nangidy izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 ary ny anaran'ilay kintana dia atao hoe Zava-mangidy; dia tonga mangidy ny ampahatelon'ny rano; ary maro ny olona no matin'ny rano, satria efa nangidy izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Apokalipsy 8:11
17 Rohy Ifampitohizana  

Nony tonga tao Marà izy ireo tsy nahasotro ny rano tao Marà fa nangidy ny rano, ka izany no niantsoana io fitoerana io hoe Marà.


Nefa ny farany mangidy toy ny absinta, maranitra toy ny sabatra roa lela.


Noho izany, izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, ny amin’ny mpaminany: Dia efa hampihinana zava-mangidy azy ireo Aho, sy hampisotro rano voaisy poizina azy! Satria avy amin’ny mpaminanin’i Jerosalema no nivoahan’ny faharatsiana ho any amin’ny tany rehetra.


Haeliko any amin’ny firenen-tsamihafa, izay tsy fantatr’izy ireo na ny razany akory, ary halefako hamely azy ny sabatra mandra-pandringako azy.»


Tsarovinao ny fahoriako amam-pijaliako, ny absinta aman’afero!


Nanorina izay hamelezany ahy izy; notemerany ny mangerokeroka sy mahasorisorena aho.


Ovany ho abisinta ny hitsiny, ary azerany amin’ny tany ny rariny!


Moa ny vatolampy ihazakazahan’ny soavaly, na ampiasana ny omby va izany? no dia navadikareo ho poizina ny hitsiny, ary ho abisinta ny vokatry ny rariny.


Amin’ny tany rehetra, - teny marin’i Iavehn’ny tafika, - ny androatokony haringana ho faty, ary ny ampahatelony sisa, havela ho ao ihany.


Fa io ampahatelony io hampidiriko ao amin’ny afo, hodioviko toy ny fandio volafotsy, haofana toy ny fanofana volamena. Izy hiantso ny Anarako; ary Izaho hamaly azy. Izaho hanao hoe: «Oloko izy!» Ary izy hilaza hoe: «Andriamanitro i Iaveh!»


Aoka tsy hisy amin’izay mandre ny tenin’ity fianianana ity, hihambo anakampony manao hoe: Hiadana ihany aho, na dia mandeha manaraka ny ditran’ny foko aza; ka dia ho voatariky ny efa leony izay mangetaheta.


Tandremo fandrao misy manary ny fahasoavan’Andriamanitra; aza avela hisy faka mangidy maniry, sao manakorontana sy mandoto ny maro.


Nofinaokany tamin’ny rambony ny ampahatelon’ny kintan’ny lanitra ka nazerany tamin’ny tany. Dia nijoro teo anoloan-dRavehivavy hiteraka izy mba handrapaka ny Zanany, raha vao teraka.


Dia nitsoka ny trômpetra ny Anjely voalohany, ka nisy havandra sy afo miharo ra nalatsaka tamin’ny tany, ary may ny ampahatelon’ny tany, may ny ampahatelon’ny hazo, may koa ny ahi-maitso rehetra.


Dia novahana ireo Anjely efatra izay efa voaoman-drahateo ho amin’ny ora sy andro ary volana sy taona voatendry, hamono ny ampahatelon’ny olona;


Ary ireo loza telo nivoaka tamin’ny vavany ireo, dia ny afo sy ny setroka ary ny solifara, no nahafaty ny ampahatelon’ny olona;


Dia hoy izy tamin’ireo: «Aza atao hoe Nôemì intsony aho, fa ataovy hoe Marà, fa nataon’i Iaveh safotry ny mangidy aho.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra