Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 8:21 - Baiboly Katolika

Mangana aho amin’ny hamanganan’ny zanaka vavin’ny oloko; misaona aho ary raiki-tahotra aho.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Torotoro aho noho ny fahatorotoroan’ny oloko zanakavavy; misaona aho, ary horohoro no mahazo ahy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Noho ny fahavoazan’ny vahoakako dia torotoro tanteraka aho; misaona aho, azon’alahelo mafy!

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Noho ny fahavoazan’ny vahoakako dia torotoro tanteraka aho; misaona aho, azon’alahelo mafy!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Torotoro aho noho ny fahatorotoroan’ny oloko zanakavavy; Misaona aho, ary horohoro no mahazo ahy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Torotoro aho noho ny fahatorotoroan'ny oloko zanakavavy; Misaona aho, ary horohoro no mahazo ahy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Torotoro aho noho ny fahatorotoroan’ny oloko zanakavavy; misaona aho, ary horohoro no mahazo ahy.

Jereo ny toko



Jeremia 8:21
14 Rohy Ifampitohizana  

Nivadi-po terỳ aho, ka namaly ny mpanjaka hoe: «Ho velona mandrakizay anie ny mpanjaka! Hataoko ahoana no tsy falahelo tarehy, kanefa ny tanàna nisy ny fasan-drazako rava ary ny vavahadiny levon’ny afo?»


Ary lazao azy ireo izao teny izao: Ny masoko handrotsa-dranomaso andro aman’alina tsy tapaka, fa ny virjiny zanaka vavin’ny vahoakako, dia efa hiharan-doza lehibe, sy fery mampanaintaina fatratra.


«Misaona i Jodà, miferinaina ny vavahadiny, mandry amin’ny tany izy efa rera-po, ary miakatra ny fitarainan’i Jerosalema.


Ary izaho tsy mba nandà tsy ho mpiandry manaraka anao; tsy mba naniry ny andron’ny loza, fantatrao izany; ny naloaky ny vavako, dia efa teo anatrehan’ny tavanao.


Ny kiboko re! ny kiboko re! mihatra amin’ny vololon’aiko ny fanaintainana! Mikorontana ny foko; tsy afa-mangina aho, fa renao, ry fanahiko, ny feon’anjomara, ny akoran’ady.


Lasa ny fararano, tapitra ny fampakaram-bokatra nefa isika ity tsy mbola voavonjy!


Iza no mba hampahita ahy, fialofan’ny mpandeha any an’efitra, handaozako ny fireneko, hihatahako amin’izy ireo, satria izy ireo mpijangajanga avokoa, fiangonan’olona mpivadika.


Izaho no ilay olona nahita ny fahoriana tamin’ny tsora-kazon’ny fahatezerany.


Eo anoloan’izy ireo ny firenena, mangovitra matahotra, ny tarehy mivaloarika avokoa.


Baboy ny volafotsy, baboy ny volamena! fa tsy hita lany ny hareny, mbamin’ny fanaka sarobidiny rehetra voaangony.


Ary nony mby akaiky Izy ka nahita an’i Jerosalema dia nitomany azy nanao hoe: