Ianareo manao hoe: «Efa nanao fanekena tamin’ny fahafatesana izahay; efa nanao fifanarahana tamin’ny Seoly izahay, ka dia handalo ho lasa ny loza manafotra fa tsy hahatratra anay, fa efa nanao ny lainga ho fialofana izahay, ary ny fitaka ho fierena.»
Izy ireo manao amin’ny mpahita hoe: «Aza mahita»; sy amin’ny mpaminany hoe: «Aza maminany ny zava-marina aminay, fa zava-mahafinaritra no lazao aminay; hevi-dravina no vinanio.
Tsy misy mitory olona ara-drariny, na mandahatra momba ny adiny araka ny hitsiny; fa ny tsy izy no iankinany, ny lainga no alahany; torontoronina hevi-dratsy ny olona ka miteraka heloka.
Ny mpaminany, maminany lainga, ny mpisorona, mitondra araka izay sitrak’ireo mpaminany ireo; ary ny vahoakako mankasitraka izany! Ka inona no hataonareo hiafaran’izany rehetra izany?»
Noho izany, dia homeko ny hafa ny vadiny, ary ny sahany homeko ny tompo hafa; satria hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra, samy manao filàna tsy marina avokoa; ary hatramin’ny mpaminany ka hatramin’ny mpisorona, samy mpamitaka avokoa.