Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 28:15 - Baiboly Katolika

15 Dia hoy i Jeremia mpaminany tamin’i Hananiasa mpaminany: «Henoy, ry Hananiasa: Tsy nirahin’i Iaveh ianao, ka nataonao izay itokian’ity vahoaka ity amin’ny lainga.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Dia hoy i Jeremia mpaminany tamin’i Hanania mpaminany: Mba henoy, ry Hanania: Tsy naniraka anao NY TOMPO; fa ianao dia mampitoky ity firenena ity amin’ny lainga.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

15 Avy eo dia hoy koa i Jeremià tamin’i Hananià mpaminany: –Henoy tsara aho, ry Hananià: Tsy naniraka anao ny TOMPO, fa ianao no nanosika ity vahoaka ity hiantehitra amin’ny lainga.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Avy eo dia hoy koa i Jeremià tamin’i Hananià mpaminany: –Henoy tsara aho, ry Hananià: Tsy naniraka anao ny TOMPO, fa ianao no nanosika ity vahoaka ity hiantehitra amin’ny lainga.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Dia hoy Jeremia mpaminany tamin’i Hanania mpaminany: Mba henoy, ry Hanania: Tsy naniraka anao Jehovah; fa hianao dia mampitoky ity firenena ity amin’ny lainga.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Dia hoy Jeremia mpaminany tamin'i Hanania mpaminany: Mba henoy, ry Hanania: Tsy naniraka anao Jehovah; fa ianao dia mampitoky ity firenena ity amin'ny lainga.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

15 Dia hoy i Jeremia mpaminany tamin’i Hanania mpaminany: Mba henoy, ry Hanania: Tsy naniraka anao NY TOMPO; fa ianao dia mampitoky ity firenena ity amin’ny lainga.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 28:15
20 Rohy Ifampitohizana  

Koa indro, i Iaveh nanisy fanahy mandainga eo am-bavan’ireo mpaminaninao rehetra eo ireo. Ary i Iaveh efa nanonona loza hanjò anao.»


Ary ianao, ry Fasora, mbamin’izay rehetra mitoetra ao an-tranonao, ho lasan-ko babo ianareo; ho any Babilôna ianao; ka any no hahafatesanao; any no handevenana anao, dia ianao mbamin’ny sakaizanao rehetra, izay naminanianao lainga.»


Izaho tsy naniraka ireo mpaminany; nefa nihazakazaka izy! Izaho tsy niteny taminy, nefa naminany izy!


Indro hiaviako ireo mpaminany ireo, - teny marin’i Iaveh, - izay mampipelipelika ny lelany manao hoe: «Teny marin’i Iaveh!»


Tsy naniraka azy ireo Aho, - teny marin’i Iaveh, - fa maminany lainga amin’ny Anarako izy, mba handroahako anareo, sy haharingana anareo, dia ianareo mbamin’ireo mpaminany maminany aminareo.


Sady hoy i Hananiasa, teo anatrehan’ny vahoaka rehetra: «Izao no lazain’i Iaveh: Tahaka izao no hanapahako ny jiogan’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, hiala eny am-bozon’ny firenena rehetra raha afaka roa taona.» Dia lasa niala i Jeremia mpaminany.


Satria namoafady tamin’i Israely izy ireo, nijangajanga tamin’ny vadin’ny namany, sy naminany lainga tamin’ny Anarako, izay tsy nandidiako azy, ary mahalala izany Aho, sy vavolombelona Aho, - teny marin’i Iaveh. -


Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Aza mety hofitahin’ny mpaminaninareo, izay eo aminareo, na ny mpanao fankatoavanareo; ary aza mihaino ny nofy alainareo ho nofy.


Kanefa ny itokianareo dia teny lainga, tsy mahasoa anareo velively akory!


Ny hitan’ny mpaminaninao ho anao, dia fahitana mpamitaka sy foana: Tsy naneho ny helokao taminao izy, mba hamily tsy hihatra aminao ny fahababoana, fa ny nolazainy taminao ho fahitana, dia teny mandainga sy mandrebireby.


Noho ianareo mampahory ny fon’ny marina amin’ny lainga, nefa Izaho kosa tsy nampahory azy; sy noho ianareo nankahery ny ratsy fanahy, mba tsy hiverenany avy amin’ny lalan-dratsiny hahavelona azy;


Fahitana tsy misy fotony ny azy, ary faminaniana mamitaka no an’ireo manao hoe: «Teny marin’i Iaveh»; nefa izy ireo tsy nirahin’i Iaveh, ary tsy mahazo manantena ny hahatanteraka ny teniny.


Ny tanako hamely an’ireo mpaminany mahazo fahitana tsy misy fotony, sy faminaniana lainga: tsy ho eo amin’ny mpanolo-tsaina ny vahoakako izy; na ho voasoratra amin’ny bokin’ny taranak’i Israely; ary tsy hiditra ao amin’ny tanin’i Israely; - dia ho fantatrareo fa Iaveh Tompo Aho, -


Ny mpaminany manarontsarona izany heloka rehetra izany, mahita fahitana zava-poana amam-paminaniana lainga, milaza hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh, nefa i Iaveh tsy niteny tsinona.


Ary raha misy mbola maminany ihany, dia hilazan’ny ray aman-dreniny niteraka azy hoe: «Tsy ho velona ianao, fa nilaza lainga, tamin’ny Anaran’i Iaveh!» Dia ny ray aman-dreniny niteraka azy ihany no handefona azy eo am-paminaniany eo.


Raha mitaona anao mangingina ny rahalahinao zanaky ny reninao, na ny zanakao lahy, na ny zanako vavy, na ny vehivavy izay am-pofoanao, na ny sakaiza toy ny ainao, ka manao hoe: Andeha isika hanompo andriamani-kafa, dia andriamanitra tsy fantatrao na ny razanao akory,


Fa ny mpaminany izay entim-piavonavonana kosa, ka manambara amin’ny Anarako ny teny tsy nodidiako holazainy, na miteny amin’ny anaran’andriamani-kafa, dia ho faty izany mpaminany izany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra