Isaia 28:15 - Baiboly Katolika15 Ianareo manao hoe: «Efa nanao fanekena tamin’ny fahafatesana izahay; efa nanao fifanarahana tamin’ny Seoly izahay, ka dia handalo ho lasa ny loza manafotra fa tsy hahatratra anay, fa efa nanao ny lainga ho fialofana izahay, ary ny fitaka ho fierena.» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201115 Satria miteny ianareo hoe: Efa nanao fanekena tamin’ny fahafatesana izahay ary efa nanao fifanarahana tamin’ny fitoeran’ny maty; koa na dia ho avy aza ny loza manafotra dia tsy hihatra aminay izany, satria ny lainga no nataonay ho fialofana ary ny fitaka no ho fierena. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA15 Ianareo manao hoe: «Efa nanao fifanekena tamin’ny fahafatesana izahay ary efa nifanaraka tamin’ny toeran’ny maty; koa na ho avy aza ny loza, dia tsy hahatratra anay, fa ny lainga no ataonay fiarovana ary ny fitaka no ataonay fierena.» Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara15 Ianareo manao hoe: «Efa nanao fifanekena tamin’ny fahafatesana izahay ary efa nifanaraka tamin’ny toeran’ny maty; koa na ho avy aza ny loza, dia tsy hahatratra anay, fa ny lainga no ataonay fiarovana ary ny fitaka no ataonay fierena.» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy15 Satria hianareo manao hoe: Efa nanao fanekena tamin’ny fahafatesana izahay Ary efa nanao fifanarahana tamin’ny fiainan-tsi-hita, Ka na dia ho avy aza ny loza manafotra, dia tsy hihatra aminay izany, Fa ny lainga no nataonay ho fiarovana, Ary ny fitaka ho fierena,– Jereo ny tokoMalagasy Bible15 Satria ianareo manao hoe: Efa nanao fanekena tamin'ny fahafatesana izahay ary efa nanao fifanarahana tamin'ny fiainan-tsi-hita ka na dia ho avy aza ny loza manafotra, dia tsy hihatra aminy izany, fa ny lainga no nataonay ho fiarovana, ary ny fitaka ho fierena, Jereo ny toko |
Fa ny teny rehetra naloakan’ny vavany, dia tsy maintsy tanterahinay tokoa tokoa, amin’ny fanaterana emboka manitra amin’ny Mpanjaka vavin’ny lanitra, amin’ny fandraràhana fanatitra araraka ho azy, araka ny efa nataonay, dia izahay sy ny razanay ary ny mpanjakany ama-mpifehy anay tany amin’ny tanin’i Jodà sy teny an-dalamben’i Jerosalema. Tamin’izay, izahay voky hanina, niadana ary tsy nahita loza.