Jeremia 6:8 - Baiboly Katolika Mihatsarà ianao, ry Jerosalema fandrao ialàn’ny fanahiko ianao, ka ataoko zary efitra, tany tsy onenana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Minoa anatra ianao, ry Jerosalema, fandrao hiala aminao ny fanahiko, ary fandrao hataoko tany lao ianao, dia tany tsy azo onenana. DIEM PROTESTANTA Minoa anatra ianao, ry Jerosalema; raha tsy izany, dia hihatahako ianao, ka hataoko tanàna lao sy tany tsy honenana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Minoa anatra ianao, ry Jerosalema; raha tsy izany, dia hihatahako ianao, ka hataoko tanàna lao sy tany tsy honenana. Baiboly Protestanta Malagasy Minoa anatra hianao, ry Jerosalema, Fandrao miombotra miala aminao ny fanahiko, Ary fandrao hataoko tany lao hianao, Dia tany tsy honenana. Malagasy Bible Minoa anatra ianao, ry Jerosalema, fandrao miombotra miala aminao ny fanahiko, ary fandrao hataoko tany lao ianao, dia tany tsy honenana. La Bible en Malgache Minoa anatra ianao, ry Jerosalema, fandrao hiala aminao ny fanahiko, ary fandrao hataoko tany lao ianao, dia tany tsy azo onenana. |
Henoy ny fanoroana, ary raiso ny fampianarana; mba ho hendry ianao amin’ny andro sisa hiainanao.
Nefa izy ireny tsy nihaino, na nanongilan-tsofina; fa nanamafy ny hatony, mba tsy hihaino, sy tsy handray ny fampianarana.
Mierona hamely azy ny liona tanora, sy miloa-peo mafy, ka mahatonga ny taniny ho lao. Voadotry ny afo ny tanànany, ka tsy misy mponina intsony.
Fa nony efa nivily aho, dia nanenina; ary nony efa nahalala aho, dia nisafo sirana sady menatra sy nangaihay, satria mitondra ny fahafaham-barakan’ny fahatanorako aho.»
Ny lamosiny no natodiny Ahy, fa tsy ny tavany; ary nony mba nampianatra azy Aho, nampianatra azy hatramin’ny vao maraina, dia tsy nihaino izy, mba hahazoany ny fampianarana.
Ry Jerosalema ô, diovy ho afaka amin’ny ratsy ny fonao, mba hovonjena ianao; mandra-pahoviana no hitoeran’ny hevi-dratsinao ao am-ponao?
Koa izao no lazain’i Iaveh Tompo: «Indro haidina amin’ity tany ity, ny hatezerako amam-pahavinirako, dia amin’ny olona sy ny biby, amin’ny hazo eny an-tsaha sy ny vokatry ny tany; ary hirehitra izany, ka tsy ho faty.»
Ka dia izao no holazaiko azy ireo: «Ity no firenena tsy nihaino ny feon’i Iaveh Andriamaniny, sady tsy nety nino anatra; very ny fahamarinana, fa tsy eo am-bavany intsony.»
Hataoko mitsahatra eo an-tanànan’i Jodà, sy eny an-dalamben’i Jerosalema ny feo fifaliana sy ny feo firavoravoana, ny hiran’ny mpampakatra sy ny ampakarina; fa hanjary efitra ny tany.
Iza no olon-kendry izay mba hahafantatra izao, izay efa nitenenan’ny vavan’i Iaveh, mba hampahalala izao? Nahoana no rava ny tany sy kila tahaka ny efitra, tsy misy olo-mandalo akory?
Nasehony miharihary ny fijangajangany, nasehony ny fitanjahany; ka nadikidiky taminy ny fanahiko, toy ny efa nahadikidiky ny fanahiko tamin’ny rahavaviny.
fandrao izy hampihanjahanjaiko hataoko toy ny tamin’ny andro nahaterahany, hampanjariko toy ny efitra, hataoko toy ny tany karankaina, ary hataoko matin’ny hetaheta.
Na hitaiza ny zanany aza izy, hoesoriko aminy alohan’ny hahatongavany ho lehilahy ireny; satria loza ho azy ireo, raha ihatahako izy!
Amin’izany, hanana ny sabatany ny tany, mandritra ny fotoana hahafoana azy, rehefa any amin’ny tanim-pahavalonareo ianareo, amin’izany, dia hitsahatra ny tany, ary hanana ny sabatany.
Hoy aho: Hatahotra Ahy ahay ianao, handray ny anatra; dia tsy ho rava ny fonenany, araka izay rehetra notapahiko ny aminy. Kanjo vao mainka nirotoroto izy ireo hanimba ny asa rehetra ataony.