Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 6:8 - DIEM PROTESTANTA

8 Minoa anatra ianao, ry Jerosalema; raha tsy izany, dia hihatahako ianao, ka hataoko tanàna lao sy tany tsy honenana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Minoa anatra ianao, ry Jerosalema, fandrao hiala aminao ny fanahiko, ary fandrao hataoko tany lao ianao, dia tany tsy azo onenana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Minoa anatra ianao, ry Jerosalema; raha tsy izany, dia hihatahako ianao, ka hataoko tanàna lao sy tany tsy honenana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Mihatsarà ianao, ry Jerosalema fandrao ialàn’ny fanahiko ianao, ka ataoko zary efitra, tany tsy onenana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Minoa anatra hianao, ry Jerosalema, Fandrao miombotra miala aminao ny fanahiko, Ary fandrao hataoko tany lao hianao, Dia tany tsy honenana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Minoa anatra ianao, ry Jerosalema, fandrao miombotra miala aminao ny fanahiko, ary fandrao hataoko tany lao ianao, dia tany tsy honenana.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Minoa anatra ianao, ry Jerosalema, fandrao hiala aminao ny fanahiko, ary fandrao hataoko tany lao ianao, dia tany tsy azo onenana.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 6:8
23 Rohy Ifampitohizana  

Koa misehoa ho hendry, ianareo mpanjaka; ary minoa anatra, ry mpitsara ny tany.


ianareo izay mpankahala anatra sy mpanipy ny teniko any ivoho?


Sambatra ny olona anarinao, Tompo ô, ka ampianarinao amin’ny lalànanao!


Henoy ny torohevitra ary raiso ny anatra mba hahatonga anao ho hendry any aoriana.


Tano mafy izay nanabeazana anao ka aza avela. Tehirizo izany fa foto-piainanao.


Nefa tsy nihaino izy na nampandry sofina fa nanamafy hatoka; eny, tsy nihaino izy fa nandà ny fampitandremako.


Tahaka ny fieron’ny biby masiaka no fandrahonan’ireo azy; ka nahatonga ny taniny ho lao sy nandorana ny tanànany ho tsy azo onenana.


Eny, niodina taminao izahay nefa anenenanay kosa izany. Nampahafantarinao anay ny fahadisoanay, ka mandondon-tratra izahay ankehitriny. Menatra sady mangaihay ny tenanay; manala baràka anay ny fahatanoranay ka hozakainay ny vokany.›


Toy izay hanatrika Ahy izy, dia vao mainka niamboho Ahy. Tsy nisy nanaiky sy nihaino ny fampianarako ireo, na dia tsy nitsahatra nampianatra azy aza Aho.


Diovy hiala amin’ny ratsy ny fonao, raha te ho afaka ianao, ry Jerosalema. Mandra-pahoviana ny hevi-dratsy no hitoetra ao anatinao?


Noho izany dia izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Indro ny fahatezerako amam-pahavinirako hatobako amin’ity tanàna ity amin’ny olona sy ny biby fiompy, ary amin’ny hazo eny an-tsaha sy amin’ny vokatry ny tany; ka ho toy ny afo tsy mety maty izany.


Koa ambarao aminy hoe: «Ianareo no firenena tsy mba mihaino ny feon’ny TOMPO Andriamaniny sady tsy mety mandray anatra. Efa very teo aminareo ny toetra mahatoky ary efa niala teo am-bavanareo izany.»


Ary eny an-tanàn-dehiben’i Joda sy eny an-dalamben’i Jerosalema dia hatsahatro ny kotabam-pifaliana amin’ny fety sy ny horakora-piravoana ary ny hiran’ireo mpanambady satria ho lao ny tany.


Mba misy olon-kendry anankiray ve mba afaka hahatakatra izao? Raha nitenenan’ny TOMPO izy, dia aoka mba hanambara izay antony nahasimba ny tany sy nahavoadoro azy ho tahaka ny taniefitra ka tsy andalovan’olona intsony.


Niseho ampahibemaso ho vehivavy janga izy ary nampiseho ny fitanjahany; ka narikoriko azy aho tahaka izay namparikoriko ahy tamin’ny rahavaviny.


Fandrao hampitanjahiko izy ka hampihanjahanjaiko toy ny tamin’ny andro nahaterahany. Hovako toy ny taniefitra sy toy ny tany karankaina izy, ary hataoko matin-ketaheta.


Na dia misy mitaiza zanaka aza izy, dia hoesoriko aminy ireny, ka tsy hisy miangana. Eny, hahita loza koa izy amin’ny handaozako azy.


«Amin’izany ny taninareo hahazo fitsaharana mandritra ny taona rehetra hahafoana azy rehefa any amin’ny tanin’ny fahavalonareo any ianareo; amin’izay tokoa ny taninareo no hiala sasatra ka hahazo fitsaharana.


Dia hoy Aho anakampoko: Raha manaja Ahy i Jerosalema ary mandray ny fampitandremako, dia tsy horavako ny fonenany araka ny fandrahonana nataoko taminy! Kanefa vao mainka nilomay hanao ratsy ihany izy iray tanàna.


Raha mba hendry ireo dia ho nahalala izao sy ho nahafantatra ny hiafarany:


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra