Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 6:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Mampiboiboika ny faharatsiany toy ny fantsakana mamoaka rano izy. Herisetra sy famoretana no mba re ao. Ratra sy fijaliana no hitako ao mandrakariva.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Toy ny loharano mampiboiboika ny ranony no ampiboiboihany ny faharatsiany; herisetra sy fandravana no re ao aminy; eo anatrehako mandrakariva ny faharariana sy ny faharatrana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Mampiboiboika ny faharatsiany toy ny fantsakana mamoaka rano izy. Herisetra sy famoretana no mba re ao. Ratra sy fijaliana no hitako ao mandrakariva.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Toy ny fantsakana mampiboiboika ny ranony izy, mampiboiboika ny faharatsiany. An-keriny amam-pandravana no hàny re ao; fery aman-dratra no eo anatrehako eo mandrakariva.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Toy ny loharano mampiboiboika ny ranony No ampiboiboihany ny faharatsiany; An-keriny sy fandravana no re ao aminy; Eo anatrehako mandrakariva ny faharariana sy ny faharatrana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Toy ny loharano mampiboiboika ny ranony no ampiboiboihany ny faharatsiany; An-keriny sy fandravana no re ao aminy; Eo anatrehako mandrakariva ny faharariana sy ny faharatrana.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Toy ny loharano mampiboiboika ny ranony no ampiboiboihany ny faharatsiany; herisetra sy fandravana no re ao aminy; eo anatrehako mandrakariva ny faharariana sy ny faharatrana.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 6:7
24 Rohy Ifampitohizana  

Tandremo izay eritreretin’ny fonao fa izany no iankinan’ny fiainanao.


Hatrany am-paladia ka hatrany an-tampon-doha dia tsy misy tsy marary: ratra, dian-kapoka, fery vao, tsy mbola nisy nanadio na namehy na nanisy diloilo.


Fa ny olon-dratsy kosa dia toy ny ranomasina misamboaravoara sady tsy afaka mitoetra milamina; fa mamoaka loto sy fotaka ny ranony.


Fa isaky ny tsy maintsy miteny aho, dia voatery miantso vonjy ary mihorakoraka hoe: Herisetra sy famoretana e! Satria ny fampitako ny teninao, TOMPO ô, no anakorana sy ihomehezana ahy isan’andro.


Izao no lazain’ny Tompo: «Tsy azom-panafana ny fahavoazanao, tsy azo sitranina ny ratranao.


Tsy misy olona mihevitra ny ferinao ho mbola mety hotsaboina; fa tsy misy fanafodiny intsony.


Nahoana no itarainanao ny fahavoazanao sy ny fanaintainanao tsy azo tonena? Ny halehiben’ny helokao sy ny hamaroan’ny otanao no nampiharako izany taminao.


Fa ity tanànan’i Jerosalema ity dia efa nampahavinitra sy nampahatezitra Ahy hatramin’ny nanorenana azy ka mandraka androany, hany ka hoesoriko tsy ho eo anatrehako intsony.


Moa tsy misy balisama mampitony na dokotera ve any Gilehada? Nahoana no tsy mety sitrana ny ratran’ny fireneko?


Koa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Mampahatsiaro Ahy tsy tapaka ny helokareo ianareo amin’ireo fikomianareo an-karihary; ary ny asa rehetra nataonareo no mampiseho ny fahotanareo. Noho ianareo nanao izay hahatsiarovana anareo toy izany, dia hosamborin’ny fahavalo tokoa ianareo!›


Eny, mbola ao an-tanàna ny ra izay nalatsany; teo ambony vato mangadihady no nandrarahany azy, fa tsy naidiny teo amin’ny tany kosa mba ho voatototry ny vovoka.


Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: «Tafahoatra loatra ny nataonareo, ry printsy filohan’i Israely. Koa ialao ny herisetra sy ny fitondrana jadona, manaova ny rariny sy ny hitsiny, atsaharo ny fandrobanareo ny vahoakako. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.


Ny herisetra dia toy ny tsorakazo arangaranga hanafaizana ny haratsiana; koa tsy hisy tavela intsony eo aminareo na ny hamaroanareo na ny harenareo na ny zava-kantonareo.


Manamboara rojo fandrohizana fa feno vonoan’olona ny tany ary feno herisetra ny tanàna.


Lozan’i Jerosalema ilay tanàna mpikomy, feno fahalovana sy fampahoriana!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra