Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 6:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao amin’ireto mpanafika an’i Tsiôna: «Mikapà hazo hanaovana tovon-tany mba hamelezana an’i Jerosalema.» Iharan-tsazy io tanàna io fa feno fampahoriana ao aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Fa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Kapao ny hazo, ary manandrata tovon-tany hamelezana an’i Jerosalema; io ilay tanàna hovaliana, fa feno fampahoriana ny ao anatiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao amin’ireto mpanafika an’i Tsiôna: «Mikapà hazo hanaovana tovon-tany mba hamelezana an’i Jerosalema.» Iharan-tsazy io tanàna io fa feno fampahoriana ao aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Kapao ny hazony; manaova tovon-tany hamelezana an’i Jerosalema; io no tanàna hovaliana, fa tsy misy afa-tsy faharatsiana ao anatiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Fa izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro; Kapao ny hazo, Ary manandrata tovon-tany hamelezana an’i Jerosalema; Io ilay tanàna hovaliana, Feno fampahoriana ny ao anatiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Fa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro; Kapao ny hazo, ary manandrata tovon-tany hamelezana an'i Jerosalema; Io ilay tanàna hovaliana, feno fampahoriana ny ao anatiny.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 Fa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Kapao ny hazo, ary manandrata tovon-tany hamelezana an’i Jerosalema; io ilay tanàna hovaliana, fa feno fampahoriana ny ao anatiny.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 6:6
15 Rohy Ifampitohizana  

Izao kosa no lazain’ny TOMPO ny amin’ny mpanjakan’i Asiria: ‹Tsy hiditra amin’ity tanàna ity izy, na handefa zana-tsipîka hamelezana azy na hiady aminy ombàn’ny ampinga na hanangana tovon-tany hanafihana azy.


Fa isaky ny tsy maintsy miteny aho, dia voatery miantso vonjy ary mihorakoraka hoe: Herisetra sy famoretana e! Satria ny fampitako ny teninao, TOMPO ô, no anakorana sy ihomehezana ahy isan’andro.


Fa ianao kosa tsy nijery afa-tsy ny tombontsoanao, ianao kosa tsy nieritreritra afa-tsy ny hamono ny tsy manan-tsiny ho faty ary ny hanao famoretana sy herisetra.»


Indro mandroso hatrany izao ny Babilônianina amin’ny fanaovana fahirano ny tanàna ka hahafaka azy; eny, hatolotra ho eo an-tanan’ny Babilônianina izy, ka hasiany amin’ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana. Hitanao tsara izao fa tanteraka izay nambaranao.


Fa ity tanànan’i Jerosalema ity dia efa nampahavinitra sy nampahatezitra Ahy hatramin’ny nanorenana azy ka mandraka androany, hany ka hoesoriko tsy ho eo anatrehako intsony.


Izaho TOMPO Andriamanitr’i Israely dia milaza ny amin’ireo trano eto an-tanàna sy ny lapan’ny mpanjakan’i Joda fa rava avokoa ireo. Ny amin’ny tovon-tany fanafihana sy ny ady kosa dia izao: Tsy ilaina ny hanoherana ny Babilônianina fa hahafeno faty eto an-tanàna izany noho ny olona naripaky ny fahatezerako amam-pahavinirako. Fa ny haratsiana rehetra nataon’ny mponin’i Jerosalema no nahatonga Ahy tsy niraharaha ny tanànany.


Tamin’ny volana fahafolo, taona fahasivy nanjakàn’i Tsedekià mpanjakan’i Joda, dia tonga i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna sy ny tafiny manontolo ka nanao fahirano ny tanànan’i Jerosalema.


Koa tsy hirotsaka an-tsehatra hamely ireny olona ireny ve Aho, ka hamaly faty ny firenena toy izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO?


Koa tsy hirotsaka an-tsehatra hamely ireny olona ireny ve Aho, ka hamaly faty ny firenena toy izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO?


Asehoy fa voan’ny fahirano izy amin’ny fametrahana hady fanafihana sy tovon-tany ary tobim-pamelezana sy kanontabe manodidina azy.


«Izaho Tompo ANDRIANANAHARY dia manambara hoe: «Izany no hanjo an’i Jerosalema izay tanàna napetrako eo anivon’ny hafa firenena sy voahodidin’ny tanin’ireo.


Ary ho avy ny mpanjaka ao avaratra hanangana tovon-tany hamelezana tanànamimanda iray sy hahazoana azy; ary ny tafiky ny ao atsimo, na dia hisy miaramila voafantina aza, dia tsy hanan-kery hanoheram-panafihana.


Lozan’i Jerosalema ilay tanàna mpikomy, feno fahalovana sy fampahoriana!


Fa ho avy aminao ny andro hananganan’ny fahavalonao tovon-tany manodidina anao, ka hanaovany fahirano anao sy hanereny anao hatraiza hatraiza.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra