Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 6:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Mitsangàna isika mba haka azy an-keriny amin’ny alina; aoka horavantsika ireo lapany tsara tarehy!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Mitsangàna ka andeha isika hanao latsaka alina ary aoka horavantsika ny lapany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Mitsangàna isika mba haka azy an-keriny amin’ny alina; aoka horavantsika ireo lapany tsara tarehy!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Mitsangàna andeha hanaovantsika latsaka alina, dia horavantsika ny lapany!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Mitsangàna, ka andeha isika hanao latsak’alina, Ary aoka horavantsika ny trano-beny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Mitsangàna, ka andeha isika hanao latsak'alina, ary aoka horavantsika ny trano-beny.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Mitsangàna ka andeha isika hanao latsaka alina ary aoka horavantsika ny lapany.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 6:5
12 Rohy Ifampitohizana  

Nodoran’ny Babilônianina koa ny tranon’Andriamanitra, ary noravany ny mandan’i Jerosalema; notselarany afo ny lapa rehetra ary nosimbany ny fanaka sarobidy isan-karazany tao an-tanàna.


Tsara fideza ny tendrombohitra Tsiôna sady fifalian’ny vahoaka eran-tany: tendrombohitra fonenan’ny Tompo, tanànan’ilay Mpanjaka lehibe.


Nilaozana ny lapan’ny mpanjaka, nangina ilay tanàna naresaka; ny faritr’i Hôfela sy ny tilikambo fitiliana dia nanjary toera-malalaka lalandava izay fikarenjen’ny borikidia sy firaofan’ny andiam-biby fiompy.


Fa raha tsy mihaino Ahy kosa ianareo ka tsy manokana ny andro sabata ho Ahy fa mbola mitondra entana mandalo amin’ireo vavahadin’i Jerosalema ireo amin’ny andro sabata ihany, dia handrehetako afo ao anaty tanàna; ka handevona ireo tranony tsara tarehy izany afo izany sady tsy ho faty.»


Izy no nandoro ny tranon’ny TOMPO sy ny lapan’ny mpanjaka ary ireo trano tao an-tanàna, indrindra ny an’ny olona ambony rehetra.


dia nisy noloahan’ireo Babilônianina ny mandan’ny tanàna. Koa nony alina dia nitsoaka nandositra ny miaramila jodeanina rehetra. Na dia voahodidin’ny Babilônianina aza ny tanàna, dia niala tao Jerosalema ihany ireo, ka nandalo ny vavahady tanelanelan’ny manda roa sady takaikin’ny sahan’ny mpanjaka, ary nihazo ny lalana mankany amin’ny lohasahan’i Jôrdàna.


Ambarao kosa, ry Jeremià, izao teny hentitry ny TOMPO izao: «Eny amin’ny tany eny no miampatrampatra ny fatin’olona, toy ny zezika aparitaka eny an-tanimboly; tahaka ny amboara voajinja sady efa nilaozan’ny mpijinja saingy tsy misy olona mpanangona.»


«Nanangan-dapa maro i Israely, ka nanadino ny Mpanao azy. I Joda koa etsy an-daniny dia nampitombo tanànamimanda; nefa handefasako afo ny tanànany ka holevonin’izany ny lapany.


Handefasako afo ny tanin’i Joda ka ho levon’izany koa ireo lapa ao Jerosalema.»


Nisehoam-pahitana i Hôbadià, ka izao no voalazan’ny Tompo ANDRIANANAHARY ny amin’i Edôma. Nisy iraka nalefa ho any amin’ny hafa firenena, ka renay nanambara filazana avy amin’ny TOMPO hoe: «Mitsangàna ianareo! Aoka isika hiara-mitsangana hanafika an’i Edôma!»


Vohay ny varavaranao, ry Libano ô! ary aoka ny afo handevona ny sederanao!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra