Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 6:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: «Tangosy hatramin’ny farany toy ny fitango voaloboka ireo olona sisa amin’i Israely; averimbereno eny amin’ny rantsany madinika toy ny an’ny mpioty voaloboka ny tananao!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Hotsimponina tsirairay toy ny fitsimpona voaloboka izay sisa amin’ny Israely; avereno ho amin’ny rantsany indray ny tananao, toy ny an’ny mpioty voaloboka.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: «Tangosy hatramin’ny farany toy ny fitango voaloboka ireo olona sisa amin’i Israely; averimbereno eny amin’ny rantsany madinika toy ny an’ny mpioty voaloboka ny tananao!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Hotsimponina hoatra ny fitsimpona voaloboka, izay sisa amin’i Israely. Averimbereno eo ny tananao, toy ny ataon’ny mpioty amin’ny rantsam-boaloboka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Hotsimponina fatratra toy ny fitsimpona voaloboka izay sisa amin’ny Isiraely; Avereno ho amin’ny sakeliny ny tànanao Toy ny mpioty voaloboka.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Hotsimponina fatratra toy ny fitsimpona voaloboka izay sisa amin'ny Isiraely; Avereno ho amin'ny sakeliny ny tananao toy ny mpioty voaloboka.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Hotsimponina tsirairay toy ny fitsimpona voaloboka izay sisa amin’ny Israely; avereno ho amin’ny rantsany indray ny tananao, toy ny an’ny mpioty voaloboka.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 6:9
7 Rohy Ifampitohizana  

Tsy hisy sisa velona amin’ny mponin’i Hanatôta amin’ny taona hirotsahako an-tsehatra hamely azy ka handefasako loza aminy.


Hoy ny teny hentitry ny TOMPO: «Haniraka mpanarato maro Aho mba hanarato azy; avy eo dia haniraka mpihaza betsaka koa Aho mba hihaza azy eny amin’ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra ary hatrany an-tsefatsefaky ny harambato.


Koa raha tonga any aminareo ny mpioty voaloboka, dia tsy hamela sampahony hotsimponina izy. Raha avy alina ny mpangalatra, dia handrava mandra-pahafapony.


Ary ny sisa tavela rehetra amin’izao taranaka ratsy izao, ka mbola velona any amin’ny toerana izay nanelezako azy any, dia haniry kokoa ny ho faty toy izay ny ho velona. Izany no teny hentitr’ilay TOMPOn’izao rehetra izao.


Ary nisy anjely anankiray hafa koa nipoitra avy teo amin’ny alitara, dia anjely manam-pahefana amin’ny afo. Niantso tamin’ny feo mahery izy ka nanao tamin’ilay anjely manana antsy maranitra fijinjana hoe: «Ampiasao ny antsy fijinjànao ka otoazy ny sampahom-boaloboka eny amin’ny tany; fa masaka tsara ny voalobony.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra