Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 7:28 - Baiboly Katolika

28 Ka dia izao no holazaiko azy ireo: «Ity no firenena tsy nihaino ny feon’i Iaveh Andriamaniny, sady tsy nety nino anatra; very ny fahamarinana, fa tsy eo am-bavany intsony.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

28 Koa lazao aminy hoe: Ity no firenena tsy mihaino ny feon’NY TOMPO Andriamaniny sady tsy mino anatra; very ny fahamarinana fa tsy eo am-bavany intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

28 Koa ambarao aminy hoe: «Ianareo no firenena tsy mba mihaino ny feon’ny TOMPO Andriamaniny sady tsy mety mandray anatra. Efa very teo aminareo ny toetra mahatoky ary efa niala teo am-bavanareo izany.»

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

28 Koa ambarao aminy hoe: «Ianareo no firenena tsy mba mihaino ny feon’ny TOMPO Andriamaniny sady tsy mety mandray anatra. Efa very teo aminareo ny toetra mahatoky ary efa niala teo am-bavanareo izany.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

28 Koa lazao aminy hoe: Ity no firenena tsy mihaino ny feon’i Jehovah Andriamaniny Sady tsy mino anatra; Very ny fahamarinana, Fa afaka tamin’ny vavany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

28 Koa lazao aminy hoe: Ity no firenena tsy mihaino feon'i Jehovah Andriamaniny sady tsy mino anatra; Very ny fahamarinana, fa afaka tamin'ny vavany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

28 Koa lazao aminy hoe: Ity no firenena tsy mihaino ny feon’NY TOMPO Andriamaniny sady tsy mino anatra; very ny fahamarinana fa tsy eo am-bavany intsony.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 7:28
21 Rohy Ifampitohizana  

Vonjeo, ry Iaveh ô! fa mihafongotra ny tia vavaka: mihafoana tsy ho eo amin’ny zanak’olombelona ny mahatoky.


izay ianao olona mankahala fifehezana, sy manifika ny teniko any ivohonao?


Ny fahatahorana an’i Iaveh no fiandohan’ny fahendrena; fa ny adala manamavo ny fahendrena amam-pianarana.


Satria izy dia firenem-pikomiana zanaka miodina, zanaka mandà, tsy mihaino ny lalàn’i Iaveh.


Fa izy ireo niverina ho amin’ny heloky ny razany, izay nandà tsy hihaino ny teniko; ka lasa nanaraka ireo andriamani-kafa, mba hanompo ireny. Samy nivadika ny fanekena nataoko tamin’ny razany, ny taranak’i Israely sy ny taranak’i Jodà.»


Nefa izy ireny tsy nihaino, na nanongilan-tsofina; fa nanamafy ny hatony, mba tsy hihaino, sy tsy handray ny fampianarana.


Ny nikapohako ny zanakareo, foana; fa tsy nahazo anatra tamin’izany akory izy ireo; ny zavatrareo nandevona ny mpaminaninareo, hoatra ny liona mpandripaka.


Ny lamosiny no natodiny Ahy, fa tsy ny tavany; ary nony mba nampianatra azy Aho, nampianatra azy hatramin’ny vao maraina, dia tsy nihaino izy, mba hahazoany ny fampianarana.


Tetezo ny lalana ao Jerosalema, ka jereo, fotory; savao eny amin’ny kianjany raha sendra mahita olona iray ao ianareo, raha misy iray monja aza, mba manao ny rariny sy mitady ny hitsiny, dia hamindra fo amin’ny tanàna aho.


Ry Iaveh ô, tsy ny fo mahatoky va no tadiavin’ny masonao? Nikapoka azy Ianao, fa tsy nalahelo izy; nandripaka azy Ianao, fa tsy nety nino anatra izy; nohamafisiny mihoatra noho ny vatolampy ny tavany, tsy nety nibebaka izy.


«Nametraka mpitily teo anilanareo Aho: Ka tandremo ny feon’ny anjomara!» Kanjo namaly izy nanao hoe: «Tsy hotandremanay izany!»


Mpiodina raha samy mpiodina izy rehetra; mamafy fanendrikendrehana; varahina sy vy izy ireo; ary samy efa simba avokoa.


Mihatsarà ianao, ry Jerosalema fandrao ialàn’ny fanahiko ianao, ka ataoko zary efitra, tany tsy onenana.


Henoy ny tenin’i Iaveh, ry zanak’i Israely, fa manana ady amin’ny mponin’ny tany i Iaveh, satria tsy misy intsony na ny fahamarinana na ny fiantrana na ny fahalalana an’Andriamanitra ao amin’ny tany.


Tsy nisy feo nohenoiny akory, tsy nandray anatra izy, tsy niankina tamin’i Iaveh, tsy nanatona an’Andriamaniny.


Hoy aho: Hatahotra Ahy ahay ianao, handray ny anatra; dia tsy ho rava ny fonenany, araka izay rehetra notapahiko ny aminy. Kanjo vao mainka nirotoroto izy ireo hanimba ny asa rehetra ataony.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra