Ka ity trano ity izay efa voasandratra avo erỳ, hanjary fitalanjonan’izay rehetra handalo azy, sy hataony hoe: Naninona re no dia nataon’i Iaveh toy izao ity tany sy ity trano ity?
Jeremia 51:41 - Baiboly Katolika Manao ahoana no nahafahana an’i Sesàka, sy nahazoana an’ilay fireharehan’ny tany rehetra? Nanao ahoana no nahatongavany ho zavatra fampitahorana, i Babela, eo amin’ny firenena? Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Endre! Azo i Sesaka! Ary azo ilay fideran’ny tany rehetra, endre! Tonga figagana any amin’ny firenena i Babilona. DIEM PROTESTANTA Andray! Nalaza eran-tany ny tanànan’i Sesàka nefa azo sy voatazona izy izao! Andray! Tonga toerana mahonena i Babilôna eo anivon’ny firenena maro! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Andray! Nalaza eran-tany ny tanànan’i Sesàka nefa azo sy voatazona izy izao! Andray! Tonga toerana mahonena i Babilôna eo anivon’ny firenena maro! Baiboly Protestanta Malagasy Endrey! afaka Sesaka! Ary azo ilay fidèran’ny tany rehetra, Endrey! tonga figagana any amin’ny firenena Babylona. Malagasy Bible Endrey! afaka Sesaka! Ary azo ilay fidèran'ny tany rehetra, Endrey! tonga figagana any amin'ny firenena Babylona. La Bible en Malgache Endre! Azo i Sesaka! Ary azo ilay fideran’ny tany rehetra, endre! Tonga figagana any amin’ny firenena i Babilona. |
Ka ity trano ity izay efa voasandratra avo erỳ, hanjary fitalanjonan’izay rehetra handalo azy, sy hataony hoe: Naninona re no dia nataon’i Iaveh toy izao ity tany sy ity trano ity?
Ary i Babilôna, ilay ravaky ny fanjakana maro, haingon’ny Kaldeanina be rehareha, dia hanahaka an’i Sôdôma sy i Gômôra izay noravan’Andriamanitra. Tsy hisy mponina intsony ao aminy,
dia hoventesinao izao hira faniniana izao, ny amin’ny mpanjakan’i Babilôna, ka hataonao hoe: «Akory ity niafaran’ilay mpanjaka manao jadona, ary nitsaharan’ny fampahoriana?
ny mpanjaka rehetra any avaratra, na ny akaiky na ny lavitra, na ity na itsy mbamin’ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao, etỳ ambonin’ny tany; ary ny mpanjakan’i Sesàka no hisotro manaraka ireo.
Zary haolo manao ahoana re ilay tanàna be voninahitra ilay tanànam-pahafinaretana sy fifaliana.
Ahoana re no naharava sy montsana ilay fampohazan’ny tany rehetra? Ahoana i Babela no zary zavatra maharikoriko, eo afovaon’ny firenena?
Mihorohoro ny tany, rehefa re fa hoe azo i Babela, ka misy antso re any amin’ny firenena.
Ary i Babela dia ho korontam-bato, ho fieren’amboadia, ho fampitahorana sy fanesoana, tsy hisy mponina.
Ny mponina rehetra amin’ny nosy, talanjona noho ny aminao; ny mpanjakany raiki-tahotra; ny tarehiny niova endrika.
ka hanjary figagan’ny olona sy fanao angano amam-pihomehezana ianao, any amin’izay vahoaka rehetra hitondran’i Iaveh anao any.