Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 25:26 - Baiboly Katolika

26 ny mpanjaka rehetra any avaratra, na ny akaiky na ny lavitra, na ity na itsy mbamin’ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao, etỳ ambonin’ny tany; ary ny mpanjakan’i Sesàka no hisotro manaraka ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

26 ny mpanjaka rehetra any avaratra, na ny lavitra na ny akaiky, na iza na iza, ary ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao, izay etỳ ambonin’ny tany; ary ny mpanjakan’i Sesaka koa dia hisotro rehefa avy misotro ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

26 –ireo mpanjaka rehetra any avaratra, na ny lavitra na ny akaiky. Izany hoe ny fanjakana rehetra teto amin’izao tontolo izao, manerana ny velaran-tany, dia samy tsy maintsy nisotro tsirairay tamin’izany tsangambava feno ny divaim-pahatezeran’ny Tompo izany; ary ny mpanjakan’i Sesàka no nisotro namarana azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

26 –ireo mpanjaka rehetra any avaratra, na ny lavitra na ny akaiky. Izany hoe ny fanjakana rehetra teto amin’izao tontolo izao, manerana ny velaran-tany, dia samy tsy maintsy nisotro tsirairay tamin’izany tsangambava feno ny divaim-pahatezeran’ny Tompo izany; ary ny mpanjakan’i Sesàka no nisotro namarana azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

26 ary ny mpanjaka rehetra any avaratra, na ny lavitra na ny akaiky, na iza na iza, ary ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao, izay etỳ ambonin’ny tany; ary ny mpanjakan’i Sesaka koa dia hisotro manaraka ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

26 ary ny mpanjaka rehetra any avaratra, na ny lavitra na ny akaiky, na iza na iza, ary ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao, izay etỳ ambonin'ny tany; ary ny mpanjakan'i Sesaka koa dia hisotro manaraka ireo.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 25:26
12 Rohy Ifampitohizana  

Hataoko eo an-tanan’ny mpanenjika anao izany, dia amin-dry zareo nanao taminao hoe: «Miondreha handehananay!» Dia ny lamosinao no nataony toy ny tany, sy toy ny lalam-be ho an’ny mpandeha!


Rehefa tapitra izany 70 taona izany, dia hampamoahiko ny amin’ny fahotany kosa ny mpanjakan’i Babilôna sy izany firenena izany, - teny marin’i Iaveh, - ary koa ny tanin’ny Kaldeanina, ary hataoko tany lao mandrakizay izany.


dia indro ampanalaiko ny foko rehetra any avaratra, - teny marin’i Iaveh, - hoentiko amin’i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna, mpanompoko; ary hataoko tonga izy ireo hamely an’ity tany ity mbamin’ny mponina eo aminy sy ny firenena rehetra amin’ny manodidina, ka hataoko anatema izy, hataoko tany lao, zavatra fandatsa, ary rava mandrakizay.


Manao ahoana no nahafahana an’i Sesàka, sy nahazoana an’ilay fireharehan’ny tany rehetra? Nanao ahoana no nahatongavany ho zavatra fampitahorana, i Babela, eo amin’ny firenena?


Menatra izahay, fa nandre ny fanalam-baraka; safo-kenatra ny tarehinay, fa ny hafa firenena no tonga, nanevateva ny fitoerana masina, ao an-tranon’i Iaveh.


Ao ny andrian’ny Avaratra, dia izy rehetra mbamin’ny Sidonianina rehetra; niara-nidina tamin’ny voatrobaky izy ireo, na dia efa nampatahotra aza izy, na dia mahery fo aza, dia efa mangaihay! Miampatra ireo tsy voafora amin’izay voatrobaky ny sabatra, ary mitondra ny fahafaham-barakany miaraka amin’ny midina any an-davaka.


Henatra no nivokisanao fa tsy voninahitra; misotroa koa ianao, ka asehoy ny tsy mahavoafora anao; havadika hirotsaka aminao ny kapoaka ao an-tanana ankavanan’i Iaveh; ho sarona fahafaham-baraka ny voninahitrao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra