Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Jeremia 50:46 - Baiboly Katolika

46 Mihorohoro ny tany, rehefa re fa hoe azo i Babela, ka misy antso re any amin’ny firenena.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

46 Noho ny antsoantso hoe: Efa azo i Babilona, dia mihorohoro ny tany ary ny fitarainana dia re any amin’ny firenena.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

46 Mihorohoro ny tany mandre ny vaovao hoe: «Azo i Babilôna» Ary horakoraka no manako any amin’ireo firenena.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

46 Mihorohoro ny tany mandre ny vaovao hoe: «Azo i Babilôna» Ary horakoraka no manako any amin’ireo firenena.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

46 Noho ny antsoantso hoe: ,Efa afaka Babylona,’ dia mihorohoro ny tany, Ary ny fitarainana dia re any amin’ny firenena.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

46 Noho ny antsoantso hoe: "Efa afaka Babylona", dia mihorohoro ny tany, ary ny fitarainana dia re any amin'ny firenena.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 50:46
14 Rohy Ifampitohizana  

Ory an’i Moaba ny foko; efa mby ao Segôra sahady ny mpiaro azy, efa ao Eglata-Selisiah. eny, mitomany izy no miakatra ny fiakarana Lohita; eny amin’ny lalan’i Hôrônaima, manao antsom-pahoriana ny olona.


Fa ny taranak’i Israely, no tanimboalobok’i Iavehn’ny tafika, ary ny olona any Jodà, no voly nolalainy; hitsiny no nantenainy taminy, kanjo ra latsaka no niseho; ny fahamarinana no nantenainy, kanjo fitarainam-pahoriana no hita.


Fa i Iaveh kosa dia tena Andriamanitra tokoa; Izy dia Andriamanitra velona, sy Mpanjaka mandrakizay; ny tany mihorohoro amin’ny fahatezerany; ary ny firenena tsy mahatanty ny fahavinirany.


Ren’ny firenen-tsamihafa ny henatrao; manenika ny tany ny fikiakiakanao; fa ny samy mahery no mifandona; ka samy lavo izy roa tonta.


Indro izy, miakatra sahala amin’ny liona avy ao an-kirihitralan’i Jordany izay misy vilona mandrakariva; ka hampandosiriko tampoka hiala ao Edôma, dia ilay voafidiko no hapetrako ao. Fa iza moa no tahaka Ahy? Zovy no hihantsy Ahy? ary iza moa no mpiandry ondry hifanandrina amiko?


Mihorohoro ny tany, azon’ny fiezinezin’ny fianjerany, re hatrany amin’ny Ranomasina Mena ny feony miantsoantso.


Mihorohoro ny tany, mihefikefika izy, fa mandroso ho tanteraka ny hevitr’i Iaveh hamely an’i Babela, mba hanova ny tanin’i Babela ho tany mampatahotra, tsy misy mponina.


Injany misy horakoraka manako any amin’i Babela any: loza lehibe any amin’ny Kaldeanina!


Kanjo, ankehitriny, hangovitra ny nosy, amin’ny andro hianjeranao, ary ny nosy eo amin’ny ranomasina, dia ho raiki-tahotra amin’ny iafaranao.


Amin’ny fidradradradran’ny mpitondra sambonao ny morontsiraka hihorohoro.


Nataoko nihorohoro ny firenena, tamin’ny fiezinezin’ny fianjerany, tamin’ny namarinako azy ho any amin’ny Seoly, miaraka amin’ireo midina any an-davaka. Nianina tany ambanin’ny tany ny hazon’i Edena rehetra, ny tsara tarehy sy kanto indrindra tany Libàna, dia izay rehetra bobo-drano.


Hataoko talanjona noho ny aminao ny firenena maro; hihena velona, noho ny aminao, ny mpanjakany, rehefa ampandihiziko eo imasony ny sabatro; ary hanjònitra lava izao izy amin’ny andro haharavanao, samy manahy ny ainy avy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra