Handalo mamaky ny tany Ejipta Aho amin’io alina io, ka ny lahy matoa rehetra amin’ny tany Ejipta hovonoiko, hatramin’ny olona ka hatramin’ny biby, ary misy fitsarana hoefaiko momba ny andriamanitr’i Ejipta rehetra: fa Izaho no Iaveh.
Jeremia 51:18 - Baiboly Katolika Zava-poana ireny, asa mamitaka foana; ho levona izy, amin’ny andro fanasaziana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Zava-poana ireny, dia asa mahatsikaiky foana; amin’ny andro hamaliana azy dia ho levona izy. DIEM PROTESTANTA Zava-poana sy asa mahatsikaiky ireny; fa amin’ny andro hamaizana azy, no hahalevona ny sarivongan-tsampy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Zava-poana sy asa mahatsikaiky ireny; fa amin’ny andro hamaizana azy, no hahalevona ny sarivongan-tsampy. Baiboly Protestanta Malagasy Zava-poana ireny, dia asa mahatsikaiky foana; Amin’ny andro hamaliana azy dia ho levona izy. Malagasy Bible Zava-poana ireny, dia asa mahatsikaiky foana; Amin'ny andro hamaliana azy dia ho levona izy. La Bible en Malgache Zava-poana ireny, dia asa mahatsikaiky foana; amin’ny andro hamaliana azy dia ho levona izy. |
Handalo mamaky ny tany Ejipta Aho amin’io alina io, ka ny lahy matoa rehetra amin’ny tany Ejipta hovonoiko, hatramin’ny olona ka hatramin’ny biby, ary misy fitsarana hoefaiko momba ny andriamanitr’i Ejipta rehetra: fa Izaho no Iaveh.
Faminaniana ny amin’i Ejipta. Indro i Iaveh, mitaingin-drahona maivana miditra any Ejipta. Ka ny sampin’i Ejipta, mangovitra eo anatrehany, ary ny fon’i Ejipta mihonaka ao anatiny.
Mirodana i Bela, miletsy i Nebô; ataingina eo ambony biby, eo ambony biby mpitondra entana ny sariny. Ireo sampy izay nentinao dia ataingina toy ny entana mavesatra, eo ambony biby sasatra.
Izao no holazainareo amin’ireny: Ireo andriamanitra tsy mba nanao ny lanitra sy ny tany, dia hofongorana eto an-tany sy atỳ ambanin’ny lanitra.
Ketrina avokoa ny olona na iza na iza, sady very hevitra; menatra noho ny amin’ny sampiny koa ny mpanao azy, fa fitaka foana ny sary anidina nataony, tsy manam-pofon’aina akory ireny.
Fa ny oloko kosa efa nanadino Ahy; ny tsinontsinona no tolorany emboka manitra, ka avezivezin’ny sampy izy ireo eny amin’ny lalany, dia amin’ny lalana fahataloha, handehanany amin’ny sakeli-dalana, dia amin’ny lalana tsy voasoritra;
Hoy i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Indro, hovangiako avokoa i Amôna any Nô, sy i Faraôna sy i Ejipta, ireo andriamaniny sy ny mpanjakany, ary i Faraôna mbamin’ireo natoky azy.
Fa noho ianao nitoky tamin’ny asan-tananao aman-drakitrao, dia ho lasan’ny hafa koa ianao; ary indray ho lasan-ko babo i Kamosy mbamin’ny mpisorona amam-pilohany rehetra.
Ambarao any amin’ny firenena, torio izao, manangàna saina, ka torionareo izao; aza afeninareo fa lazao hoe: Azo i Babilôna. Mangaihay i Bela! Voazera i Merodàka! mangaihay ny sampiny, voazera ny andriamanitra tsy izy ao.
Na aiza na aiza onenanareo, ny tanàna ho lao, ny fitoerana avo horavàna; mba ho rava sy lao koa ny ôtelinareo, ho montsana sy levona ny sampinareo, hazera ny andrinareo ho an’ny masoandro ary ho fongotra ny asanareo.
Raha reraka tao anatiko ny fanahiko, dia nahatsiaro an’i Iaveh aho; ka tonga hatrany aminao ny fivavahako, hatrany an-tempolinao masina.
Ho fampatahorana mafy ho azy i Iaveh, fa hofoanany ireo andriamanitra rehetra ambonin’ny tany; ary hiankohoka eo anatrehany samy any amin’izay misy azy avy, ny mponina amin’ny nosim-pirenena rehetra.