Ho maro ny mpitondratenany, mihoatra noho ny fasika eny an-dranomasina. Hitondra mpandringana ho ao aminy Aho, ao amin’ny renin’ny mpiady tanora amin’ny mitataovovonana. Hataoko mirotsaka aminy tampoka ny ahiahy mafy sy ny vadi-po.
Jeremia 48:8 - Baiboly Katolika Ho tonga hamely ny tanàna rehetra ny mpandringana, ka tsy hisy ho afaka aminy izy ireo na iray aza; ny lohasaha, hosimbana; ary ny tanety, horobaina, araka ny voalazan’i Iaveh. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ho tonga ao amin’ny tanàna rehetra ny mpandringana ka tsy hisy tanàna tsy ho azo; ho simba koa ny lohasaha, ary ho rava ny tany lemaka, araka izay nolazain’NY TOMPO. DIEM PROTESTANTA Mitety ny tanàna rehetra ireo mpandrava; ary tsy misy tanàna hidifiany. Simba avokoa ny lohasaha ary ripaka ny lembalemba. Izany no voalazan’ny TOMPO. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Mitety ny tanàna rehetra ireo mpandrava; ary tsy misy tanàna hidifiany. Simba avokoa ny lohasaha ary ripaka ny lembalemba. Izany no voalazan’ny TOMPO. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny mpandringana ho tonga ao amin’ny tanàna rehetra, Ka tsy hisy tanàna tsy ho afaka; Ny lohasaha koa ho simba, Ary ny tany lemaka ho rava, Araka izay nolazain’i Jehovah. Malagasy Bible Ary ny mpandringana ho tonga ao amin'ny tanàna rehetra, ka tsy hisy tanàna tsy ho afaka; Ny lohasaha koa ho simba, ary ny tany lemaka ho rava, araka izay nolazain'i Jehovah. La Bible en Malgache Ary ho tonga ao amin’ny tanàna rehetra ny mpandringana ka tsy hisy tanàna tsy ho azo; ho simba koa ny lohasaha, ary ho rava ny tany lemaka, araka izay nolazain’NY TOMPO. |
Ho maro ny mpitondratenany, mihoatra noho ny fasika eny an-dranomasina. Hitondra mpandringana ho ao aminy Aho, ao amin’ny renin’ny mpiady tanora amin’ny mitataovovonana. Hataoko mirotsaka aminy tampoka ny ahiahy mafy sy ny vadi-po.
dia indro ampanalaiko ny foko rehetra any avaratra, - teny marin’i Iaveh, - hoentiko amin’i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna, mpanompoko; ary hataoko tonga izy ireo hamely an’ity tany ity mbamin’ny mponina eo aminy sy ny firenena rehetra amin’ny manodidina, ka hataoko anatema izy, hataoko tany lao, zavatra fandatsa, ary rava mandrakizay.
Mietre amin’ny voninahitrao dia mipetraha amin’ny tany, ry mponina, zanaka vavin’i Dibôna; fa tafakatra hamely anao ny mpandringana an’i Moaba, ny mandanao efa voazerany.
Satria tonga namely azy ny mpandrava, - namely an’i Babela; - voasambotra ny mpiady maheriny; tapatapaka ny tsipìkany; fa Andriamanitry ny famaliana i Iaveh, dia hamaly marina tokoa izy!
Ry zanaka vavin’ny vahoakako, misikìna lamba malailay; mihosena amin’ny lavenona; manaova fisaonana, toy ny fisaonana zanaka lahy tokana; midradradradrà mafy fa tonga tampoka amintsika ny mpandringana.
noho izany dia indro hotatahako ny lanivoan’i Moaba, hatrany amin’ny tanàna, hatrany amin’ny tanànany, hatrany amin’ny faritry ny taniny, tabihan’ny tany, i Betjesimôta, i Beelmeôna, i Kariataìna.
i Hesebona sy ny tanànany rehetra amin’ny tany lemaka, Dibôna, Bamôta-Baala, Bety-Baala-Maona,
ny tanàna rehetra amin’ny tany lemaka sy ny fanjakana rehetra an’i Sehôna mpanjakan’ny Amôreana, izay nanjaka tao Hesebona, fa resin’i Môizy izy sy ireo andrian’i Madiàna, dia i Evì, i Rekema, i Sora, i Hora, ary i Rebe, mpandoa hetra amin’i Sehôna, monina amin’ny tany.
hatrany Arôera eo amoron’ny ranon-driaka Arnôna, sy ny tanàna eo afovoan’ny lohasaha, ny tany lemaka Medabà rehetra hatrany Dibôna,