Avy tamin’ireo no iavian’ny vahoaka miely amin’ny nosim-pirenena any amin’ny taniny avy, samy araka ny fiteniny sy araka ny fianakaviany, araka ny fireneny avy.
Jeremia 46:1 - Baiboly Katolika Tenin’i Iaveh tonga tamin’i Jeremia mpaminany, ny amin’ireo firenena mpanompo sampy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny tenin’NY TOMPO izay tonga tamin’i Jeremia mpaminany ny amin’ny Jentilisa. DIEM PROTESTANTA Hafatra izay nampitondrain’ny TOMPO an’i Jeremià mpaminany momba ireo firenen-kafa. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hafatra izay nampitondrain’ny TOMPO an’i Jeremià mpaminany momba ireo firenen-kafa. Baiboly Protestanta Malagasy NY tenin’i Jehovah izay tonga tamin’i Jeremia mpaminany ny amin’ny jentilisa. Malagasy Bible Ny tenin'i Jehovah Izay tonga tamin'i Jeremia mpaminany ny amin'ny jentilisa. La Bible en Malgache Ny tenin’NY TOMPO izay tonga tamin’i Jeremia mpaminany ny amin’ny Jentilisa*. |
Avy tamin’ireo no iavian’ny vahoaka miely amin’ny nosim-pirenena any amin’ny taniny avy, samy araka ny fiteniny sy araka ny fianakaviany, araka ny fireneny avy.
ary indro aho anio manendry anao, ho eo amin’ny firenena amam-panjakana, hanongotra sy hanjera, hamery sy handrava, hamboly sy hanorina.»
Misy liona miantoraka avy eny an-kirihitrala fiereny, ary ny mpandrava firenena anankiray nangoron-day, niala tamin’ny fitoerany hampanjary efitra ny taninao; ka ho lao ny tanànanao, tsy hisy mponina intsony.
Ho avy izy, ka hamely ny tany Ejipta; ka izay ho amin’ny fahafatesana, matesa; izay ho amin’ny fahababoana, baboy; izay ho amin’ny sabatra, alavoin-tsabatra.
Tamin’ny taona faha-10, volana faha-10, andro faha-12n’ny volana, tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:
Tamin’ny taona faha-11, volana fahatelo, andro voalohan’ny volana, tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:
Tamin’ny taona faha-12, volana faha-12, tamin’ny andro voalohan’ny volana, tonga tamiko ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:
Hitohy mandrakariva va ny fandoarany ny ao amin’ny haratony, sy ny famonoany, tsy ananany antra, ny firenena?
ka hoy izy taminy hoe: «Mandehana faingana, milazà amin’io zatovo io, ataovy hoe: ‹Honenana toy ny tanàna tsy mimanda i Jerosalema, fa ho betsaka loatra ny olona sy ny biby ao aminy.
Fa eto an-tampon’ny vatolampy aho mahita azy, Ary eto ambony havoana aho mahatazana azy; Ka firenena manana fitoerana manokana izy, Fa tsy mba hampidirina amin’ny fanisana ny firenena.
Sa Andriamanitry ny Jody ihany Andriamanitra, fa tsy mba Andriamanitry ny Jentily koa? Eny, Andriamanitry ny Jentily koa izy;