Jeremia 4:26 - Baiboly Katolika Mijery aho, ka ny sahan-kazo mamoa zary efitra; ary ny tanànany rehetra, rava avokoa eo anatrehan’i Iaveh. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nojereko ka indro, Karmela aza dia tonga tany efitra, ary ny tanànany rehetra dia rava teo anatrehan’NY TOMPO, teo anoloan’ny firehetan’ny fahatezerany. DIEM PROTESTANTA Nojereko ity tany izay saha nahavokatra ka tonga taniefitra sisa, fa rava avokoa ny tanànany. Noho ny nataon’ny TOMPO izany, noho ny fahatezerany mirehitra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nojereko ity tany izay saha nahavokatra ka tonga taniefitra sisa, fa rava avokoa ny tanànany. Noho ny nataon’ny TOMPO izany, noho ny fahatezerany mirehitra. Baiboly Protestanta Malagasy Nojereko, ka, indro, ny saha mahavokatra aza efa tonga efitra, Ary ny tanànany rehetra dia rava teo anatrehan’i Jehovah, Dia teo anoloan’ny firehetan’ny fahatezerany. Malagasy Bible Nojereko, ka, indro, ny saha mahavokatra aza efa tonga efitra, ary ny tanànany rehetra dia rava teo anatrehan'i Jehovah, dia teo anoloan'ny firehetan'ny fahatezerany. La Bible en Malgache Nojereko ka indro, Karmela aza dia tonga tany efitra, ary ny tanànany rehetra dia rava teo anatrehan’NY TOMPO, teo anoloan’ny firehetan’ny fahatezerany. |
Vao nanambana Ianao, ry Andriamanitr’i Jakôba, dia nitsatoka tsy nahahetsika ny kalesy aman-tsoavaly.
Vary no nafafiny, fa tsilo no jinjainy; nandany ny herim-pony, fa aim-bery foana izany. Menàra amin’ny vokatra azonareo; avy amin’ny firehetan’ny hatezeran’i Iaveh izany.
Mandra-pahoviana no hisaonan’ny tany, sy hahalazo ny ahitra eo amin’ny saha rehetra? Noho ny haratsian’izay monina eo dia maty avokoa ny biby amam-borona, fa hoy izy ireo: «Tsy hahita ny hiafarantsika izy!»
Ity tany rehetra ity ho tany lao, hanompo ny mpanjakan’i Babilôna, mandritra ny 70 taona.
Hataoko mitsahatra eo an-tanànan’i Jodà, sy eny an-dalamben’i Jerosalema ny feo fifaliana sy ny feo firavoravoana, ny hiran’ny mpampakatra sy ny ampakarina; fa hanjary efitra ny tany.
Ary i Jerosalema hataoko korontam-bato, sy fieren’amboadia; ny tanànan’i Jodà koa hataoko lao, tsy misy mponina.
Nanjary sosotra tamin’ny ôteliny ny Tompo sy madikidiky amin’ny fitoerany masina. Natolony ho eo an-tanan’ny fahavalo ny mandan’ny lapany; dia nisy nihorakoraka toy ny amin’ny andro fety tao an-tranon’i Iaveh.
Ny tanànanareo hampanjariko efitra, ny fitoerana masinareo horavako, ary ny hanitra ankasitrahinareo avy amin’ny zava-manitrareo tsy hamboloiko intsony.
Koa noho ny aminareo, i Siôna hanjary saha asaina, i Jerosalema ho tonga antontam-bato, ary ny tendrombohitra misy ny Tempoly ho fitoerana avo misy hazo!
Tsy hisy hahavonjy azy na ny volafotsiny na ny volamenany, amin’ny andron’ny fisafoahan’i Iaveh; holevonin’ny fahasaro-piarony avokoa ny tany; fa hataony rava tsy misy miangana, ataony fongotra tampoka, ny mponina rehetra amin’ny tany.