Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 25:11 - Baiboly Katolika

11 Ity tany rehetra ity ho tany lao, hanompo ny mpanjakan’i Babilôna, mandritra ny 70 taona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Ary ity tany manontolo ity dia ho foana sy ho lao, fa ireto firenena rehetra ireto dia hanompo ny mpanjakan’i Babilona fitopolo taona.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

11 Ho rava sy hampahonena ny tany manontolo ary hanompo ny mpanjakan’i Babilôna mandritra ny fitopolo taona ny firenen-kafa rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Ho rava sy hampahonena ny tany manontolo ary hanompo ny mpanjakan’i Babilôna mandritra ny fitopolo taona ny firenen-kafa rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Ary ity tany rehetra ity dia ho foana sy lao, ary ireto firenena rehetra ireto hanompo ny mpanjakan’i Babylona fito-polo taona.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Ary ity tany rehetra ity dia ho foana sy lao, ary ireto firenena rehetra ireto hanompo ny mpanjakan'i Babylona fito-polo taona.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Ary ity tany manontolo ity dia ho foana sy ho lao, fa ireto firenena rehetra ireto dia hanompo ny mpanjakan’i Babilona fitopolo taona.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 25:11
23 Rohy Ifampitohizana  

Nentin’i Nabokodonozora ho babo tany Babilôna ny olona sisa tsy matin-tsabatra, ka tonga andevon’izy sy ny zanany ireny, mandra-panjakan’ny mpanjakan’i Persa.


Hataoko tany foana izy; ka tsy hohetezana na hasaina intsony; fa hanirian’ny hery aman-tsilo; ary handidy ny rahona aho, tsy handatsaka orana aminy intsony.


Rehefa tapitra izany 70 taona izany, dia hampamoahiko ny amin’ny fahotany kosa ny mpanjakan’i Babilôna sy izany firenena izany, - teny marin’i Iaveh, - ary koa ny tanin’ny Kaldeanina, ary hataoko tany lao mandrakizay izany.


Mandao ny fiereny toy ny liona mandao ny lobolobony izy; ny tanin’izy ireo efa hovana ho efitra, eo anoloan’ny hatezeran’ny mpandrava, eo anoloan’ny firehetan’ny hatezeran’i Iaveh.»


Hoentina any Babilôna koa ireo, sady hitoetra any, mandra-piavin’ny andro hamangiako azy, - teny marin’i Iaveh, - ka dia hampiakatra azy sy hampody azy amin’ity fitoerana ity indray Aho.


Hotompoin’ny firenena rehetra izy sy ny zanany aman-janaky ny zanany, mandra-pahatongan’ny fotoan’ny taniny indray kosa, ka hampanompoan’ny firenena maro ama-mpanjaka lehibe azy.


Satria izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Asio jioga vy ny vozon’ireo firenena rehetra ireo, mba hanekeny an’i Nabokodonozora, ka dia hanaiky azy izy ireo efa nomeko azy mbamin’ny biby any an-tsaha.»


Fa izao no lazain’i Iaveh: Rehefa tapitra ny fitopolo taona, ho an’i Babilôna, no hamangiako anareo sy hanatanterahako ny teniko tsara noho ny aminareo; ka hamerina anareo amin’ity fitoerana ity Aho.


Mijery aho, ka ny sahan-kazo mamoa zary efitra; ary ny tanànany rehetra, rava avokoa eo anatrehan’i Iaveh.


Fa izao no lazain’i Iaveh: Ho lao ny tany rehetra, kanefa tsy mba hofongorako avokoa izy.


dia lazao amin’izy ireo hoe: Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Indro Aho haniraka haka an’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna mpanompoko, sy hametraka ny seza fiandrianany eo ambonin’ireto vato nafeniko ireto; ary izy hamelatra ny karpetrany eo ambonin’ireo.


Tsy nahalefitra mihoatra noho izay intsony i Iaveh, noho ny haratsian’ny nataonareo, sy noho ny fahavetavetana notanterahinareo, ka dia zary efitra lao, voaozona, ary tsy misy mponina ny taninareo, araka izao hita anio izao.


Ary hilaza amin’ny vahoakan’ny tany ianao hanao hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh ny amin’ny mponina ao Jerosalema, ny amin’ny tanin’i Israely: Amin’ahiahy no hihinanan’izy ireo ny haniny, ary amim-pahoriana no hisotroany ny ranony, fa hofoanana tsy hisy izay rehetra ao amin’ny tany, noho ny fampahoriana afitsoka izay rehetra monina eo aminy.


Tsy hodiavin-tongotr’olona intsony eo; ary ny tongo-biby tsy handia azy, ary tsy hisy mponina eo, mandritra ny efapolo taona.


Haninji-tanana hamely azy ireo Aho, ka hataoko lao sy simba ny taniny, hatramin’ny efitra ka hatrany Diblah, dia ho fantany fa Iaveh Aho.


Hosimbako ny tany, ka ho talanjona ny fahavalonareo izay honina eo aminy.


Hanjary efitra ny tany, noho ny amin’ny mponina ao aminy: izany no vokatry ny asany.


Dia niteny ilay Anjelin’i Iaveh nanao hoe: Ry Iavehn’ny tafika ô, mandra-pahoviana Ianao no tsy hamindra fo amin’i Jerosalema sy ny tanànan’i Jodà, izay itezeranao efa hatramin’ny fitopolo taona?


«Mitenena ianao amin’ny vahoaka rehetra amin’ny tany mbamin’ny mpisorona, ka lazao amin’izy ireo hoe: ‹Raha nifady hanina sy nanao fisaonana ianareo, tamin’ny volana fahadimy sy fahafito, efa hatramin’ny fitopolo taona izay, moa ho Ahy va no nifadianareo hanina?


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra