Nampanaovan’i Jôiadà fanekena tamin’i Iaveh sy ny mpanjaka ary ny vahoaka, ny tsy maintsy haha-vahoakan’i Iaveh azy ireo. Ary nampanaoviny fanekena koa ny mpanjaka sy ny vahoaka.
Jeremia 34:8 - Baiboly Katolika Teny avy amin’i Iaveh natao tamin’i Jeremia taorian’ny nanaovan’i Sedesiasa mpanjaka fanekena tamin’ny vahoaka rehetra tao Jerosalema, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izao no teny tonga tamin’i Jeremia avy tamin’NY TOMPO, rehefa nanao fanekena tamin’ny vahoaka rehetra izay tany Jerosalema i Zedekia mpanjaka mba hitory fanafahana aminy DIEM PROTESTANTA Ary izao indray no teny tonga ho an’i Jeremià avy amin’ny TOMPO. Izany moa dia taorian’ny nanaovan’i Tsedekià mpanjaka sy ny mponina rehetra tao Jerosalema fifanekena ampahibemaso fa samy hanambara ny fahafahan’ny andevony avy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary izao indray no teny tonga ho an’i Jeremià avy amin’ny TOMPO. Izany moa dia taorian’ny nanaovan’i Tsedekià mpanjaka sy ny mponina rehetra tao Jerosalema fifanekena ampahibemaso fa samy hanambara ny fahafahan’ny andevony avy. Baiboly Protestanta Malagasy Izao no teny tonga tamin’i Jeremia avy tamin’i Jehovah, rehefa nanao fanekena tamin’ny vahoaka rehetra izay tany Jerosalema Zedekia mpanjaka hitory fanafahana aminy, Malagasy Bible Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah, rehefa nanao fanekena tamin'ny vahoaka rehetra izay tany Jerosalema Zedekia mpanjaka hitory fanafahana aminy, La Bible en Malgache Izao no teny tonga tamin’i Jeremia avy tamin’NY TOMPO, rehefa nanao fanekena tamin’ny vahoaka rehetra izay tany Jerosalema i Zedekia mpanjaka mba hitory fanafahana aminy |
Nampanaovan’i Jôiadà fanekena tamin’i Iaveh sy ny mpanjaka ary ny vahoaka, ny tsy maintsy haha-vahoakan’i Iaveh azy ireo. Ary nampanaoviny fanekena koa ny mpanjaka sy ny vahoaka.
Nampanaovin’i Jôiadà fanekena ny vahoaka sy ny mpanjaka mbamin’ny tenany, fa tsy maintsy ho vahoakan’i Iaveh izy ireo.
Ka tapa-kevitra ankehitriny aho ny hanao fanekena amin’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, mba hialan’ny fahatezerany mirehitra amintsika.
Tsy izao va no fifadiana tiako kokoa: dia ny manapaka ny famatorana tsy an-drariny, ny mamaha ny fehezan’ny jioga, ny mandefa ny ampahoriana ho afaka; ny manapatapaka ny jioga rehetra isan-karazany?
Ato amiko ny fanahin’i Iaveh, Tompo, satria voahosotr’i Iaveh aho; nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny mahantra, hamehy ny ferin’ireo torotoro fo; hampandre ny babo fa afaka sy ny ao an-tranomaizina fa alefa;
Koa izao no lazain’i Iaveh: Tsy nihaino Ahy ianareo fa tsy nitory fahafahana ho an’ny rahalahiny sy ho an’ny namany avy; koa indro Izaho kosa mitory fahafahana ho anareo. - teny marin’i Iaveh. - Halefako ianareo ho amin’ny sabatra sy ny pesta ary ny mosary, sady hataoko zavatra fampitahorana any amin’ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany.
Ary ankamasino ny taona fahadimampolo, ataovy antso avo ny fahafahana ho an’ny mponina rehetra amin’ny tany. Fa jobily ho anareo izany, ka samia ianareo mody amin’ny taniny avy, samia mody ao amin’ny fianakaviany avy.
Raha mivaro-tena aminao ny iray amin’ny rahalahinao hebrio na lahy izany na vavy, dia hanompo anao enin-taona izy; amin’ny taona fahafito, dia hovotsoranao ho afaka aminao izy.