Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 29:10 - Baiboly Katolika

10 Ka tapa-kevitra ankehitriny aho ny hanao fanekena amin’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, mba hialan’ny fahatezerany mirehitra amintsika.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Koa efa ato am-poko ny hanao fanekena amin’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, mba hiala amintsika ny fahatezerany mirehitra.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

10 Koa nanapa-kevitra aho ny hanao fanekempihavanana amin’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely mba hiala amintsika ny fahatezerany mirehitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Koa nanapa-kevitra aho ny hanao fanekempihavanana amin’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely mba hiala amintsika ny fahatezerany mirehitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Ka dia efa mby ato am-poko ny hanao fanekena amin’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, mba hiala amintsika ny fahatezerany mirehitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Ka dia efa mby ato am-poko ny hanao fanekena amin'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, mba hiala amintsika ny fahatezerany mirehitra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Koa efa ato am-poko ny hanao fanekena amin’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, mba hiala amintsika ny fahatezerany mirehitra.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 29:10
19 Rohy Ifampitohizana  

Kanefa tsy nionona i Iaveh tamin’ny firehetan’ny fahatezerany mafy, satria nirehitra tamin’i Jodà ny fahatezerany, noho ny fihatsiana nampahatezeran’i Manase Azy.


Nitsangana teo amin’ny lampihazo ny mpanjaka, ka nanao ny fanekem-pihavanana teo anatrehan’i Iaveh, nanaiky hanaraka an’i Iaveh sy hitandrina ny didy amam-pitsipiny ary ny lalàny, amin’ny fony rehetra sy amin’ny fanahiny rehetra, amin’ny fankatoavana ny tenin’izany fanekena izany, izay voasoratra ao amin’io boky io. Ary nankatò izany koa ny vahoaka rehetra.


Nampanaovin’i Jôiadà fanekena ny vahoaka sy ny mpanjaka mbamin’ny tenany, fa tsy maintsy ho vahoakan’i Iaveh izy ireo.


Koa aza manamafy ny hatokareo, toy ny nataon’ny razanareo, fa atolory an’i Iaveh ny tananareo, tongava ao amin’ny fitoerany masina, izay nohamasininy ho mandrakizay, ary manompoa an’i Iaveh Andriamanitrareo, mba hialan’ny afon’ny fahatezerany aminareo.


ka aoka ny lehibenay no hijanona eto ho solon’ny fiangonana rehetra, dia izay rehetra namponina vehivavy hafa firenena ao aminy, any an-tanànany, no hankatỳ amin’izay fotoana homena azy, miaraka amin’ny loholona sy ny mpitsara isan-tanàna avy, mandra-pamily hiala amintsika ny firehetan’ny fahatezeran’ny Andriamanitsika, ny amin’io raharaha io.»


Aoka hanao amin’ny Andriamanitsika izahay izao, fa horoahinay mban-janany ireo vehivavy rehetra ireo, araka ny torohevitry ny tompoko sy ireo matahotra eo anoloan’ny didin’Andriamanitsika; dia aoka hatao araka ny lalàna izany.


Nisaotra an’i Iaveh Andriamanitra lehibe i Esdrasa, dia nanandra-tanana ny vahoaka rehetra namaly hoe: «Amen, Amen!» Sady niondrika sy niankohoka tamin’ny tany teo anatrehan’i Iaveh izy ireo.


Koa mandehana, ary ireto teny ireto ataovy amin’ny feo avo, amin’ny lafiny avaratra ka lazao hoe: Miverena, ry Israely mpiodina, - teny marin’i Iaveh - Tsy sitrako ny hanenjan-tava aminareo, fa mamindra fo Aho - teny marin’i Iaveh - ka tsy mitahiry fahatezerana mandrakizay.


Izany no lazainao, nefa mbola manao ratsy ihany ianao, sady mahatanteraka izany.»


Fa ianareo kosa androany efa nody, ka nanao izay mahitsy eo imasoko tamin’ny nitorianareo fahafahana samy handefa ny namany avy; efa nanao fanekena teo imasoko ianareo tao amin’ny trano iantsoana ny Anarako.


Ary ireo olona nivadika ny fanekena fa tsy nanatanteraka ny tenin’ny fanekena nataony teo anatrehako, hataoko tahaka ny vantotr’ombalahy nosasahina roa handehanany eo anelanelan’ny tapany avy,


Hanontany ny amin’i Siôna Izy, dia hitodika manatrika azy. «Avia ianareo, ka miraiketa amin’i Iaveh isika, amin’ny fanekena mandrakizay, tsy hohadinoina na oviana na oviana.»


Koa dia sady nahatò ny fanantenanay izy no nitolo-tena amin’ny Tompo aloha, vao taminay koa, noho ny fahasoavan’Andriamanitra.


ary nanangana antontam-bato lehibe teo ambonin’i Akàna ny olona, ka mbola maharitra ao mandraka androany izany. Dia nitony i Iaveh tamin’ny firehetan’ny fahatezerany. Noho izany zava-nitranga izany no iantsoana io toerana io mandraka androany hoe Lohasaha Akora.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra