Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 34:17 - Baiboly Katolika

17 Koa izao no lazain’i Iaveh: Tsy nihaino Ahy ianareo fa tsy nitory fahafahana ho an’ny rahalahiny sy ho an’ny namany avy; koa indro Izaho kosa mitory fahafahana ho anareo. - teny marin’i Iaveh. - Halefako ianareo ho amin’ny sabatra sy ny pesta ary ny mosary, sady hataoko zavatra fampitahorana any amin’ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Koa izao no lazain’NY TOMPO: Tsy nihaino Ahy ianareo ka tsy nety nitory fanafahana ho an’ny rahalahinareo sy ny namanareo avy; dia indro, miantso fanafahana ho anareo kosa Aho, hoy NY TOMPO, nefa ho an’ny sabatra sy ny areti-mandringana ary ny mosary; hatolotro ho fampangovitana ny fanjakana rehetra amin’ny tany ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

17 Dia hoy ihany i Jeremià hoe: «Noho izany dia izao no lazain’ny TOMPO: Samy tokony ho nanambara fanafahana ho an’ny mpanompony avy ianareo, dia ho an’ny namany sady mpiray firenena aminy; nefa tsy nankatò Ahy ianareo. Koa Izaho TOMPO mihitsy no manambara sy miteny hentitra aminareo fa halefako hamely anareo ny ady sy ny areti-mandringana ary ny mosary; hany ka hataoko mampivarahontsana ianareo any amin’ny fanjakana rehetra eran-tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Dia hoy ihany i Jeremià hoe: «Noho izany dia izao no lazain’ny TOMPO: Samy tokony ho nanambara fanafahana ho an’ny mpanompony avy ianareo, dia ho an’ny namany sady mpiray firenena aminy; nefa tsy nankatò Ahy ianareo. Koa Izaho TOMPO mihitsy no manambara sy miteny hentitra aminareo fa halefako hamely anareo ny ady sy ny areti-mandringana ary ny mosary; hany ka hataoko mampivarahontsana ianareo any amin’ny fanjakana rehetra eran-tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 Koa izao no lazain’i Jehovah: Hianareo tsy nihaino Ahy ka tsy nety nitory fanafahana ho an’ny rahalahinareo sy ny namanareo avy; dia, indro, miantso fanafahana ho anareo kosa Aho, hoy Jehovah, nefa ho an’ny sabatra sy ny areti-mandringana ary ny mosary; ary hatolotro ho mpanjenjena any amin’ ny fanjakana rehetra amin’ny tany hianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 Koa izao no lazain'i Jehovah: Hianareo tsy nihaino Ahy ka tsy nety nitory fanafahana ho an'ny rahalahinareo sy ny namanareo avy; dia, indro, miantso fanafahana ho anareo kosa Aho, hoy Jehovah, nefa ho an'ny sabatra sy ny areti-mandringana ary ny mosary; ary hatolotro ho mpanjenjena any amin'ny fanjakana rehetra amin'ny tany ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

17 Koa izao no lazain’NY TOMPO: Tsy nihaino Ahy ianareo ka tsy nety nitory fanafahana ho an’ny rahalahinareo sy ny namanareo avy; dia indro, miantso fanafahana ho anareo kosa Aho, hoy NY TOMPO, nefa ho an’ny sabatra sy ny areti-mandringana ary ny mosary; hatolotro ho fampangovitana ny fanjakana rehetra amin’ny tany ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 34:17
26 Rohy Ifampitohizana  

Ary raha tahiny izy manao aminao hoe: Ho aiza anefa izahay? dia izao no holazainao aminy: Izao no tenin’i Iaveh: Ny ho amin’ny fahafatesana, ho any amin’ny fahafatesana; ny ho amin’ny sabatra, ho any amin’ny sabatra; ny ho amin’ny mosary, ho any amin’ny mosary; ny ho amin’ny fahababoana, ho any amin’ny fahababoana.


Hataoko zavatra maharikoriko halan’ny fanjakana rehetra amin’ny tany izy ireo noho ny amin’i Manase, zanak’i Ezekiasa, mpanjakan’i Jodà, dia noho ny nataony tany Jerosalema.


Manaraka izany, - teny marin’i Iaveh, - hatolotro i Sedesiasa mpanjakan’i Jodà, ny mpanompony, ny vahoaka, mbamin’izay rehetra sisa tsy matin’ny pesta sy ny sabatra ary ny mosary, amin’ity tanàna ity, ho eo an-tanan’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, sy ho eo an-tanan’ny fahavalony ama-mpitady ny ainy, ka hasiany amin’ny lelan-tsabatra, tsy hotsitsiny, tsy hananany antra na indrafo akory.


Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Efa halefako hamely an’ireo ny sabatra, ny mosary, ary ny pesta; hataoko toy ny aviavy ratsy tsy azo hanina, noho ny haratsiany loatra, izy.


Henjehiko amin’ny sabatra sy ny mosary mbamin’ny pesta ary hataoko fampitahorana any amin’ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany ho fanozona, figagàna, fihomehezana, fanala baraka eo amin’ny firenena rehetra nandroahako azy;


Indro ny tovon-tany hanafahana ny tanàna, efa mahatakatra azy, ary ny tanàna efa hatolotra eo an-tanan’ny Kaldeanina izay mamely azy, amin’ny sabatra, ny mosary sy ny pesta; dia tanteraka izay nolazainao, ka mahita izany Ianao.


Ary Ianao, ry Iaveh Tompo ô, nanao tamiko hoe: Vidio vola io saha io ho anao, ka asio vavolombelona; ary ny tanàna ity voatolotra eo an-tanan’ny Kaldeanina!...»


Koa ankehitriny, izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely ny amin’ity tanàna lazainareo hoe: «Hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna, amin’ny sabatra, ny mosary, ny pesta, izy.»


Teny avy amin’i Iaveh natao tamin’i Jeremia taorian’ny nanaovan’i Sedesiasa mpanjaka fanekena tamin’ny vahoaka rehetra tao Jerosalema,


«Izao no lazain’i Iaveh: Izay hitoetra amin’ity tanàna ity, ho fatin’ny sabatra sy ny mosary ary ny pesta; fa izay hivoaka hanatona ny Kaldeanina kosa, ho velona aina sy hahazo ny ainy ho babony, ka ho velona.


Nampitombo ny fahotany i Jerosalema, ka tonga zava-maloto; mamingavinga azy avokoa izay nanaja azy, fa nahita ny fitanjahany; mandefa feo mitoloko koa izy, sady miamboho.


fa araka ny fitsarana hataonareo no hitsarana anareo, ary araka ny famarana hamaranareo no hamarana ho anareo koa.


Aza diso hevitra ianareo, Andriamanitra tsy azo vazivazina,


dia ampiharo aminy izay nokendreny hatao amin’ny rahalahiny. Izany no hamongoranao ny ratsy eo aminao.


Hataon’i Iaveh resy eo anoloan’ny fahavalonao ianao, lalana iray no hivoahanao hiady aminy, fa lalana fito kosa no handosiranao eo anoloany, ary ho zavatra mahatsiravina ho an’ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany ianao.


Haelin’i Iaveh any amin’ny vahoaka rehetra hatrany amin’ny fara vazantany ianao, ary any dia hanompo andriamani-kafa vato aman-kazo tsy fantatrao na fantatry ny razanao akory.


Fa fitsarana tsy misy famindram-po no ho anjaran’izay tsy namindra fo; ary ny famindram-po no maharesy ny fitsarana.


Fa nandatsaka ny ran’ny olo-masina sy ny mpaminany izy ireo, ka tandrifiny raha ra kosa no nomenao hosotroiny.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra