Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 34:7 - Baiboly Katolika

7 Tamin’izany ny tafiky ny mpanjakan’i Babilôna niady tamin’i Jerosalema sy tamin’ny tanànan’i Jodà rehetra izay mbola nahatohitra ihany, tamin’i Lakisa sy tamin’i Azeka, fa ireo no hany sisa tamin’ny tanànan’i Jodà, tamin’ny tanàna mimanda.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 fony mbola namely an’i Jerosalema sy ny tanànan’ny Joda sisa rehetra, dia i Lakisy sy i Azeka, ny miaramilan’ny mpanjakan’i Babilona: fa ireo ihany no tanàna mimanda sisa tamin’ny tanànan’ny Joda.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

7 Tamin’izay fotoana izay ny tafiky ny mpanjakan’i Babilôna dia namely an’i Jerosalema sy ireo tanànamimanda hafa tany Joda izay mbola sisa nijoro, dia i Lakisy sy i Hazekà.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Tamin’izay fotoana izay ny tafiky ny mpanjakan’i Babilôna dia namely an’i Jerosalema sy ireo tanànamimanda hafa tany Joda izay mbola sisa nijoro, dia i Lakisy sy i Hazekà.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 fony ny miaramilan’ny mpanjakan’i Babylona mbola namely an’i Jerosalema sy ny tanànan’ny Joda sisa rehetra, dia Lakisy sy Azeka: fa ireo ihany no tanàna mimànda sisa tamin’ny tanànan’ny Joda.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 fony ny miaramilan'ny mpanjakan'i Babylona mbola namely an'i Jerosalema sy ny tanànan'ny Joda sisa rehetra, dia Lakisy sy Azeka: fa ireo ihany no tanàna mimanda sisa tamin'ny tanànan'ny Joda.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 fony mbola namely an’i Jerosalema sy ny tanànan’ny Joda sisa rehetra, dia i Lakisy sy i Azeka, ny miaramilan’ny mpanjakan’i Babilona: fa ireo ihany no tanàna mimanda sisa tamin’ny tanànan’ny Joda.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 34:7
18 Rohy Ifampitohizana  

Nisy firaisan-tetika hikomy taminy, tany Jerosalema, ka nandositra nankany Lakisa izy, nefa nisy olona nirahina hanaraka azy any Lakisa ka novonoina tany izy;


Dia lasa niverina ny mpandroso divay ambony indrindra ka nihaona tamin’ny mpanjakan’i Asiria niady tany Lobnà, fa efa reny ny nialan’ny tompony avy tao Lakisa.


Nanao tanàna teny amin’ny tendrombohitr’i Jodà izy, mbamina trano mimanda sy tilikambo tany an’ala.


Ary nirahin’ny mpanjakan’i Asiria ny lehiben’ny mpandroso divay aminy nitondra miaramila maro, avy ao Lakisa ho any Jerosalema, amin’i Ezekiasa mpanjaka; nijanona teo amin’ny lakan-drano amin’ny kamory ambony, eo amin’ny lalana mamkamin’ny sahan’ny Mpamotsy lamba, ny lehiben’ny mpandroso divay.


Dia hiainga ny tanànan’i Jodà sy ny mponina ao Jerosalema hiantso an’ireo andriamanitra nefa ireo andriamanitra ireo tena tsy hahavonjy azy akory, amin’ny andron’ny fahoriany.


Teny avy amin’i Iaveh, tonga tamin’i Jeremia, fony i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna mbamin’ny tafiny rehetra, ny fanjakana rehetra amin’ny tany nanoa azy ho mpanapaka, ary ny firenena rehetra, niady tamin’i Jerosalema mbamin’ny tanàna rehetra momba azy, teny nanao hoe:


Torio any Jodà, ary ambarao any Jerosalema, lazao, mitsofa anjomara ao amin’ny tany, ary manaova antso avo, ka lazao hoe: Mivoria ianareo, ary andao hiditra amin’ny tanàna mimanda!


Nahoana isika no mitomoe-poana? Mivoria ianareo, andeha isika ho ao an-tanàna mimanda, dia aoka ho faty ao; satria i Iaveh Andriamanitsika mandevona antsika, sy mampisotro antsika rano misy poizina, noho ny nanotantsika tamin’i Iaveh!...


Afehezo amin’ny kalesy ny soavaly, ry kala mponina ao Lakisa; fiandohan’ny fahotana ho an’ny zanaka vavin’i Siôna, no nahitana ny helok’i Israely ao aminao.


Hataony fahirano ianao, anatin’ny vavahadinao rehetra, mandra-paharavan’ny manda avo sy mafy amin’ny taninao, izay nitokianao. Hataony fahirano ianao ao amin’ny vavahadinao rehetra sy amin’ny tany rehetra, izay nomen’i Iaveh Andriamanitrao anao.


I Adônisedeka, mpanjakan’i Jerosalema dia nampitondra teny tamin’i Ohama mpanjakan’i Hebrôna, sy i Farama mpanjakan’i Jerimota, sy tamin’i Jofià mpanjakan’i Lakisa, ary tamin’i Dabira mpanjakan’i Eglôna, nanao hoe:


Dia niangona ny mpanjakan’ny Amôreana dimy lahy, ny mpanjakan’i Jerosalema, ny mpanjakan’i Hebrôna, ny mpanjakan’i Jerimota, ny mpanjakan’i Lakisa ary ny mpanjakan’i Eglôna, ka niakatra niaraka tamin’ny mpiantafika rehetra, ary nanorina ny tobiny teo akaikin’i Gabaôna sy nanao fahirano azy.


ny mpanjakan’i Jerimota, iray; ny mpanjakan’i Lakisa, iray;


i Jerimota, i Odolama, i Sôfoaha, i Enaima,


i Lakisa, i Baskata, i Eglôna,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra