Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Levitikosy 25:10 - Baiboly Katolika

10 Ary ankamasino ny taona fahadimampolo, ataovy antso avo ny fahafahana ho an’ny mponina rehetra amin’ny tany. Fa jobily ho anareo izany, ka samia ianareo mody amin’ny taniny avy, samia mody ao amin’ny fianakaviany avy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Ary hamasino ny taona fahadimampolo ka miantsoa fanafahana amin’ny tany ho an’ny mponina rehetra ao aminy; Jobily ho anareo izany ka samia mody any amin’ny taninareo sy any amin’ny fokonareo avy ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

10 Izany no hanambarànareo fa voatokana ho Ahy ny taona fahadimampolo sy hiantsoanareo fanafahana ho an’ny mponina rehetra ao amin’ilay tany. Jobily ho anareo io taona io, ka samia mody amin’ny taninareo sy amin’ny fianakavianareo avy ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Izany no hanambarànareo fa voatokana ho Ahy ny taona fahadimampolo sy hiantsoanareo fanafahana ho an’ny mponina rehetra ao amin’ilay tany. Jobily ho anareo io taona io, ka samia mody amin’ny taninareo sy amin’ny fianakavianareo avy ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Ary hamasino ny taona fahadimam-polo, ka miantsoa fanafahana amin’ny tany ho an’ny mponina rehetra ao aminy; Jobily ho anareo izany, ka samia mody any amin’ny taninareo avy hianareo sy any amin’ny mpianakavinareo avy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Ary hamasino ny taona fahadimam-polo, ka miantsoa fanafahana amin'ny tany ho an'ny mponina rehetra ao aminy; Jobily ho anareo izany, ka samia mody any amin'ny taninareo avy ianareo sy any amin'ny mpianakavinareo avy.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 25:10
30 Rohy Ifampitohizana  

Ka iza aminareo no vahoakany? Homba azy anie ny Andriamaniny, ary aoka hiakatra any Jerosalema any Jodà izy, ka hanao ny tranon’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, dia ilay Andriamanitra izay ao Jerosalema.


Manome rariny an’izay ampahorîna, manome hanina an’izay noana; i Iaveh manafaka an’izay voababo;


«Izaho no Iaveh Andriamanitrao, izay namoaka anao tany amin’ny tany Ejipta, tany amin’ny trano fanandevozana.


hilaza amin’izay lasan-ko babo hoe: ‹Mivoaha!› sy amin’izay ao anatin’ny aizina hoe: ‹Mankanesa atỳ amin’ny mazava;› hahazo hiraotra izy ireo manaraka ny lalana, ary ny vilon-kohaniny dia eny amin’ny havoana rehetra;


Satria andro famaliana no tato am-poko; ary efa tonga ny taom-panavotana.


Samy nanaiky avokoa ny mpanapaka sy ny vahoaka niditra tamin’izany fanekena izany, ny handefa ny ankizy lahiny aman’ankizy vaviny ho afaka ka tsy hitana azy ao amin’ny fanompoana intsony, sady nanaiky izy ireo no nandefa tokoa.


Teny avy amin’i Iaveh natao tamin’i Jeremia taorian’ny nanaovan’i Sedesiasa mpanjaka fanekena tamin’ny vahoaka rehetra tao Jerosalema,


Fa raha ny iray amin’ny mpanompony kosa no tolorany fanomezana avy amin’ny lovany, dia ho an’ny mpanompo ihany izany fanomezana izany, mandra-pahatongan’ny taona fahafahana; fa rehefa afaka izany, dia hiverina amin’ny mpifehy indray izany, ka ny zanany ihany no hanana ny lovany.


Jobily ho anareo ny taona fahadimampolo: tsy hamafy ianareo, tsy hijinja izay maniry ho azy amin’ny tany; ary tsy hioty ny voaloboka tsy norantsanana,


Amin’izany taona Jobily izany, samia ianareo mody amin’ny taninareo avy.


Amin’io dia ho afaka izy mbamin’ny zanany miaraka aminy, ka hody any amin’ny fianakaviany sy hiverina amin’ny fananan-drazany indray.


Raha tsy misy hanavotana azy akory, dia ho afaka amin’ny taona Jobily izy mbamin’ny zanany miaraka aminy.


fahafahana amin’ny tanan’ny fahavalontsika, mba hanompoantsika Azy tsy aman-tahotra,


Ary tsy iza izany Fanahy izany fa ny Tompo; ary izay itoeran’ny Fanahin’ny Tompo no misy ny fahafahana.


(satria Agara no fiantso ny tendrombohitr’i Sinai any Arabia), ary i Agara dia ohatra amin’i Jerosalema ankehitriny, fa samy andevo izy sy ny taranany.


Efa voaantso ho amin’ny fahafahana ianareo, ry kristianina havana; kanefa aoka tsy hoentinareo manaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa samia milatsa-tenany amim-pitiavana ho mpanompon’ny namany avy.


Olona afaka ianareo, nefa aoka ny fahafahana tsy hoenti-manarona ny ratsy, fa manaova toy ny mpanompon’Andriamanitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra