Eo akaikin’izay rehetra miantso Azy I Iaveh, dia izay rehetra miantso Azy amin’ny fony tokoa.
Jeremia 33:3 - Baiboly Katolika Antsoy Aho dia hamaly anao, haneho zava-dehibe aminao, zava-tsy takatry ny saina izay tsy fantatrao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Antsoy Aho, dia hovaliko ianao ka hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao. DIEM PROTESTANTA Antsoy Aho, dia hamaly anao sady hampianatra anao zava-dehibe izay tsy takatry ny saina sady tsy mbola fantatrao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Antsoy Aho, dia hamaly anao sady hampianatra anao zava-dehibe izay tsy takatry ny saina sady tsy mbola fantatrao. Baiboly Protestanta Malagasy Antsoy Aho, dia hovaliako hianao Ka hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao. Malagasy Bible Antsoy Aho, dia hovaliako ianao ka hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao. La Bible en Malgache Antsoy Aho, dia hovaliko ianao ka hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao. |
Eo akaikin’izay rehetra miantso Azy I Iaveh, dia izay rehetra miantso Azy amin’ny fony tokoa.
Ny fifankazarana amin’i Iaveh dia anjaran’ny matahotra Azy. Hampahafantariny azy ny fanambinana avy amin’ny fanekem-pihavanany.
Antsoy amin’ny andron’ny fahoriana Aho, dia hamonjy anao; ka hanome voninahitra Ahy ianao.
Hiantso Ahy izy, ary hamaly azy Aho; homba azy amin’ny andron’ny fahoriana Aho. Hanafaka sy hanome voninahitra azy Aho.
Homeko anao ny rakitra miafina, sy ny harena voalevona, mba hahafantaranao fa Izaho no Iaveh, Andriamanitr’i Israely, izay niantso anao tamin’ny anaranao.
Efa nandre izany ianao; jereo fa tanteraka avokoa izy; fa ianareo kosa, tsy hanambara izany va ianareo? Ankehitriny mampandre anao zava-baovao Aho, dia zava-miafina mbola tsy fantatrao.
Izao no ifampilazanareo aminareo isany, sy amin’ny havanareo avy: «Ahoana no navalin’i Iaveh?» ary: «Ahoana, hoy i Iaveh?»
«Eny iky, ry Iaveh Tompo ô, Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany, tamin’ny hery lehibe sy ny sandrinao nahinjitra, tsy misy zavatra tsy hainao atao.
Fa tsy manao na inona na inona ny Tompo Iaveh, raha tsy efa nanambara ny heviny miafina tamin’ny mpaminany mpanompony.
Toy ny tamin’ny andro nivoahanao avy any amin’ny tany Ejipta, haneho zava-mahagaga aminy Aho.
mba ho tanteraka ny tenin’ny mpaminany manao hoe: «Hiloa-bava hilaza fanoharana aho, ary hanambara zavatra izay miafina hatramin’ny nanaovana an’izao tontolo izao.»
mamangy ny Eglizin’Andriamanitra any Kôrinty, dia ireo mpino nohamasinina ao amin’i Jesoa Kristy, olona voaantso sady masina, mbamin’izay rehetra miantso ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika, na aiza na aiza misy azy:
Ary ho an’Ilay mahay manao mihoatra lavitra noho izay angatahintsika sy saintsainintsika, araka ny heriny miasa ato amintsika,
Any ianao hitady an’i Iaveh Andriamanitrao, ka hahita Azy ianao raha mitady Azy amin’ny fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo.
Fa iza tokoa moa no firenen-dehibe hanana andriamanitra akaiky azy, tahaka ny maha-akaikintsika an’i Iaveh Andriamanitsika isaky ny iantsoantsika azy?
Izay manan-tsofina aoka hihaino ny lazain’ny Fanahy amin’ny Eglizy. Izay mandresy dia homeko mana miafina, sady homeko vato fotsy misy anaram-baovao voasoratra tsy misy mahalala afa-tsy izay mandray azy ihany.