Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 33:3 - DIEM PROTESTANTA

3 Antsoy Aho, dia hamaly anao sady hampianatra anao zava-dehibe izay tsy takatry ny saina sady tsy mbola fantatrao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Antsoy Aho, dia hovaliko ianao ka hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Antsoy Aho, dia hamaly anao sady hampianatra anao zava-dehibe izay tsy takatry ny saina sady tsy mbola fantatrao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 Antsoy Aho dia hamaly anao, haneho zava-dehibe aminao, zava-tsy takatry ny saina izay tsy fantatrao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Antsoy Aho, dia hovaliako hianao Ka hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Antsoy Aho, dia hovaliako ianao ka hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 Antsoy Aho, dia hovaliko ianao ka hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 33:3
29 Rohy Ifampitohizana  

Ny TOMPO eo akaikin’izay rehetra miantso Azy, dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa.


Ireo mpanaja ny TOMPO no anehoany ny tsiambaratelony, satria ampahafantariny azy tokoa izay raketin’ny fanekempihavanany.


Dia antsoy amin’ny andro mahory Aho, fa hanafaka anareo ka homenareo voninahitra.


Raha miantso vonjy amiko izy, dia hovaliako; raha azom-pahoriana izy, dia ho eo anilany Aho; hafahako izy sy homeko voninahitra.


Homeko anao ny raki-tsoany napetrany tao amin’ny toerana maizina sy ny harena nafeniny ao amin’ny mangingina, mba hahafantaranao fa Izaho no TOMPO Izay miantso anao amin’ny anaranao; Izaho no Andriamanitr’i Israely.


Efa renareo izay nambarako mialoha ka hitanareo fa tanteraka avokoa; moa tsy hotantarainareo ve izany? Manomboka androany àry dia hampandre anareo zava-baovao Aho, dia zavatra nafenina mbola tsy fantatrareo.


Mbola tsy miantso akory izy, dia efa hamaly azy Aho; ary mbola tsy tapi-miteny izy, dia efa azoko ny tiany holazaina.


Izay tokony hifanontanianareo dia ny hoe: «Inona no navalin’ny TOMPO?» na «Inona no voalazan’ny TOMPO?»


Amin’izay raha miantso Ahy ianareo ka mivavaka amiko, dia hihaino anareo Aho.


–Indrisy, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, Ianao no namorona ny lanitra sy ny tany tamin’ny herinao lehibe sy tamin’ny fahefànao, ka tsy misy zava-mahagaga tsy vitanao.


–Izaho no TOMPO Andriamanitry ny miaina rehetra, ka moa misy zavatra tsy vitako va?


ary nangatahiny izy telo lahy mba hitalaho ny famindrampon’ilay Andriamanitry ny lanitra momba ity zava-miafina ity, ka mba tsy haringana miaraka amin’ireo olon-kendrin’i Babilôna sisa i Daniela sy ny namany.


Izy no mampiseho ny zavatra lalina sy miafina sady mahalala izay misy ao amin’ny maizina, satria ny mazava no miara-mitoetra aminy.


Misaotra sy midera Anao aho, ry Andriamanitry ny razako ô, satria nomenao fahendrena sy hery. Ary ankehitriny nampahafantarinao ahy izay zavatra nangatahinay taminao, ka nambaranao anay ilay nofin’ny mpanjaka.


Satria tsy manao zavatra ny Tompo ANDRIANANAHARY, raha tsy efa mampahafantatra ny fikasany amin’ireo mpaminany mpanompony.


«–Toy ny tamin’ny andro nialan’ny vahoakako tany Ejipta, dia hanao zava-mahagaga ho azy Aho.–»


hany ka tanteraka ilay voalazan’ny Tompo tamin’ny alalan’ny mpaminany hoe: «Fanoharana no hitenenako; zavatra nafenina hatramin’ny nahariana izao tontolo izao no hambarako.»


Ary izay rehetra hiantso ny anaran’ny Tompo dia ho voavonjy!»


Ary ho an’Andriamanitra Izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay angatahintsika na heverintsika aza, araka ny heriny miasa ato amintsika,


Kanefa any ianareo no hitady an’ilay TOMPO Andriamanitrareo ka hahita Azy, raha mitady Azy amin’ny fonareo manontolo sy amin’ny fanahinareo manontolo.


Fa aiza no misy firenena, na dia lehibe aza, manana andriamanitra akaiky azy, tahaka ny maha akaiky antsika ny TOMPO Andriamanitsika, Izay mamaly isaky ny antsoina?


«Izay manan-tsofina, aoka hihaino izay lazain’ny Fanahy Masina amin’ireo Fiangonana. «Izay maharesy dia homeko mana miafina sady homeko vato fotsy; ary eo amin’io vato io dia misy anaram-baovao voasoratra, izay tsy fantatr’olona afa-tsy izay mandray azy ihany.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra