Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 25:4 - Baiboly Katolika

Nirahin’i Iaveh taminareo avokoa, ny mpaminany mpanompony, sady nirahiny hatramin’ny maraina; kanefa tsy nihaino ianareo, na nanongilan-tsofina hihaino akory, Hoy izy:

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary NY TOMPO naniraka ny mpaminany mpanompony rehetra ho any aminareo, eny, nifoha vao maraina Izy ka naniraka, nefa tsy nihaino ianareo, na nanongilan-tsofina hihaino hoe:

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Tsy nitsahatra naniraka ny mpaminany mpanompony tany aminareo ny TOMPO nefa tsy nihaino na niraharaha akory ianareo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Tsy nitsahatra naniraka ny mpaminany mpanompony tany aminareo ny TOMPO nefa tsy nihaino na niraharaha akory ianareo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Jehovah naniraka ny mpaminany mpanompony rehetra ho any aminareo, eny, nifoha maraina koa Izy ka naniraka–nefa tsy nihaino hianareo, na nanongilan-tsofina hihaino–hoe:

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Jehovah naniraka ny mpaminany mpanompony rehetra ho any aminareo, eny, nifoha maraina koa Izy ka naniraka nefa tsy nihaino ianareo, na nanongilan-tsofina hihaino hoe:

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary NY TOMPO naniraka ny mpaminany mpanompony rehetra ho any aminareo, eny, nifoha vao maraina Izy ka naniraka, nefa tsy nihaino ianareo, na nanongilan-tsofina hihaino hoe:

Jereo ny toko



Jeremia 25:4
24 Rohy Ifampitohizana  

Naniraka mpaminany tany amin’izy ireo i Iaveh hampiverina azy ireo aminy indray, ka nitsangana ho vavolombelona nanohitra azy ireo ireny, nefa tsy nohenoiny.


Niteny tamin’i Manase sy ny vahoakany i Iaveh; nefa tsy nasian’izy ireo raharaha akory izany.


Ianareo indray nanao ratsy mihoatra noho ny razanareo aza; ka indro fa samy manaraka ny haratsian’ny fo ratsinareo ianareo, mba tsy hihaino Ahy.


Nefa izy ireny tsy nihaino, na nanongilan-tsofina; fa nanamafy ny hatony, mba tsy hihaino, sy tsy handray ny fampianarana.


Izy ireo anefa manao hoe: ‹Tsinontsinona izany! Izahay dia hanaraka ny hevitray ihany, sy hanao araka ny ditran’ny fo ratsinay avy ihany.› »


«Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Indro hataoko mihatra amin’ity tanàna ity, sy amin’ny tanàna rehetra momba azy, ny loza rehetra nolazaiko hamelezana azy, noho izy ireo nanamafy ny hatony tsy hihainoany ny teniko.»


Efa niteny taminao Aho, fony ianao mbola niadana nefa hoy ianao: Tsy hihaino aho! Fanaonao hatry ny fony mbola tanora izany: tsy nihaino ny feoko ianao!


Hatramin’ny taona faha-13 nanjakan’i Josiasa zanak’i Amôna, mpanjakan’i Jodà, ka mandrak’androany, dia efa 23 taona izay, no nahatongavan’ny tenin’i Iaveh tamiko, sy nitenenako taminareo ka niteny taminareo hatramin’ny maraina aho; kanefa tsy nihaino ianareo.


Tsy nihaino ahy anefa ianareo, - teny marin’i Iaveh - ho fampahatezerana Ahy tamin’ny asan-tananareo, ary ho loza ho anareo.


tsy mihaino ny tenin’ny mpaminany mpanompoko, irahiko ho any aminareo, sady nirahiko hatramin’ny vao maraina, kanefa tsy nohenoinareo,


satria izy ireo tsy nihaino ny teniko, - teny marin’i Iaveh, - nefa naniraka ny mpaminany mpanompoko tamin’izy ireo Aho, naniraka azy hatramin’ny vao maraina, nefa tsy nohenoinareo, - teny marin’i Iaveh. -


Ny lamosiny no natodiny Ahy, fa tsy ny tavany; ary nony mba nampianatra azy Aho, nampianatra azy hatramin’ny vao maraina, dia tsy nihaino izy, mba hahazoany ny fampianarana.


Hafotitro hamely azy mbamin’ny taranany sy ny mpanompony rehetra, ny helony; ary hataoko mihatra aminy, sy amin’ny mponina ao Jerosalema, ary amin’ny olona amin’i Jodà, ny loza rehetra nolazaiko taminy, fa tsy nohenoiny Aho.»


«Nametraka mpitily teo anilanareo Aho: Ka tandremo ny feon’ny anjomara!» Kanjo namaly izy nanao hoe: «Tsy hotandremanay izany!»


Aza manaraka ny razanareo, izay nitorian’ny mpaminany taloha hoe: Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Miverena ianareo, mialà amin’ny lalan-dratsinareo, sy amin’ny asa ratsinareo! nefa tsy nihaino sy tsy nasiany raharaha akory Aho, - teny marin’i Iaveh. -


Tandremo fandrao mandà izay miteny ianareo; fa na ry zareo nandà izay niteny teto an-tany aza tsy afa-nandositra, ka mainka isika raha mandà Ilay miteny amintsika avy any an-danitra,