4 Aza mba toy ny razanareo izay nantsoin’ny mpaminany fahiny hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Mialà amin’ny lalan-dratsinareo sy amin’ny ratsy fanaonareo ianareo! Nefa tsy nankatò na nihaino Ahy izy, hoy NY TOMPO.
4 Aza mba toy ny razanareo izay nantsoin’ny mpaminany fahiny hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Mialà amin’ny lalan-dratsinareo sy amin’ny ratsy fanaonareo ianareo! Nefa tsy nankatò na nihaino Ahy izy, hoy NY TOMPO.
Dia nandeha ny mpihazakazaka nitondra ny taratasin’ny mpanjaka sy ny lehibe any amin’i Israely sy i Jodà rehetra, ka nilaza, araka ny didin’ny mpanjaka nanao hoe: «Ry zanak’i Israely ô, miverena amin’i Iaveh Andriamanitr’i Abrahama sy i Isaaka ary i Israely, dia hiverina amin’izay sisa Izy, dia aminareo izay afaka tsy latsaka eo an-tanan’ny mpanjakan’i Asiria.
«Mandehana ianareo, manontania amin’i Iaveh, ho ahy sy ho an’izay sisa amin’i Israely sy i Jodà, ny amin’ny teny amin’io boky vao hita io, fa lehibe ny fahatezeran’i Iaveh nirotsaka amintsika, satria ny razantsika tsy nitandrina ny tenin’i Iaveh amin’ny fanatanterahana izay rehetra voasoratra amin’io boky io.»
Hatramin’ny andron’ny razanay ka mandrak’androany, dia efa meloka loza erỳ izahay; ary noho ny helokay ihany no nanolorana anay mbamin’ny mpanjakanay sy ny mpisoronay, ho eo an-tanan’ny mpanjakan’ny tany hafa, ho matin-tsabatra, ho babo, horobaina, ary hangaihay tahaka ny amin’izao anio izao.
«Kanefa nikomy izy ireo sy niodina taminao, natsipiny any ivohony ny lalànao, novonoiny ireo mpaminaninao, vavolombelona nanohitra azy mba hamerina azy ho aminao, ka rafitra naniratsira Anao izaitsizy izy.
Dia mbola nandefitra taona maro ihany Ianao; ny fanahinao, ny vavan’ny mpaminaninao no nentinao ho vavolombelona namely azy, fa tsy nihaino izy. Tamin’izay dia natolotrao ho eo an-tanan’ny vahoakan’ny tany izy.
Raha nanatrika ny fisainako izy, dia ny teniko ho nambarany tamin’ny vahoakako; ka ho namerina azy hiala amin’ny lalan-dratsiny izy, sy amin’ny faharatsian’ny ataony.
Miverena, ry zaza mpiodina, - teny marin’i Iaveh, - fa Izaho no Tomponareo; ary halaiko ianareo, ny iray ao amin’ny tanàna iray, ary ny roa amin’ny fianakaviana iray; ka hoentiko any Siôna.
Raha te-hiverina ianao, ry Israely, - teny marin’i Iaveh - dia miverena amiko. Ka raha esorinao tsy ho eo anatrehako ny fahavetavetanao, dia tsy hirenireny foana intsony ianao!
Hoy Aho tamin’ny zanak’izy ireo tany an’efitra: Aoka ianareo tsy hanaraka ny fomban-drazanareo, na hitandrina ny fanaony, na handoto tena amin’ny sampin-dozany.
Lazao aminy hoe: «Velona Aho, - teny marin’ny Tompo Iaveh: - tsy ny fahafatesan’ny ratsy fanahy no sitrako, fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany, ka ho velona izy. Miverena! miverena! avy amin’ny lalan-dratsinareo! Fa nahoana no ho faty ianareo, ry taranak’i Israely?»
nefa ohatra ka misy tsy mety miraika akory, izay mandre ny feon’anjomara, ary tonga ny sabatra ka mahavoa azy tampoka, dia ho eo amin’ny lohany ihany ny rany;
Hofaizina i Samaria, fa niodina tamin’ny Andriamaniny; ho lavon-tsabatra izy ireo! hotorotoroina ny zanany madinika; ary hotatahana ny kibon’ireo vadiny bevohoka.
Moa tsy eo va ireo teny nolazain’i Iaveh tamin’ny vavan’ny mpaminany fahiny, fony mbola nonenana sy nandry feizay i Jerosalema, mbamin’ny zana-bohiny manodidina azy, sady mbola nonenana koa ny Negeba sy ny Sefelah?› »
fa nitory ny fibebahana sy ny fiverenana amin’Andriamanitra tany Damasy aloha, vao tany Jerosalema, sy eran’i Jodea manontolo, ary tamin’ny Jentily koa, mba hanaovany asa mendrika ny fibebahana.
satria fantatrareo fa ny nanavotana anareo, ho afaka tamin’ny fitondran-tena adala nentim-paharazana, dia tsy zavatra mety simba toy ny volamena na ny volafotsy,